Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JONA 2014

 FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Joseph Priestley

Joseph Priestley

“Hainy daholo izao rehetra izao. Mafana fo sady mavitrika izy, ary tia karokaroka be, na resaka tontolo manodidina izany, na fitondran-tena, na fiaraha-monina. Izy rahateo moa mpandalina siansa, teolojia, filozofia, ary politika. Olon’ny fo koa anefa izy. Nanohana ny Revolisiona Frantsay izy, ary niharan’ny tsy rariny teo amin’ny fiainany. Raha jerena izany rehetra izany dia izy no mahery fon’ny taonjato faha-18.”—Frederic Harrison, filozofa.

NAHOANA no tena niavaka ny zavatra vitan’i Joseph Priestley? Nisy vokany be ny fikarohana nataony sy ny boky nosoratany, satria nanova ny fiheveran’ny olona momba an’Andriamanitra, sy ny fitondrana. Mbola izy koa aza no nahafantarana tsara ny momba ny rivotra fohintsika!

Nanoratra boky momba ny siansa sy ny fivavahana koa izy. Nolaviny foana anefa izay hevitra nifanohitra tamin’ny zava-nisy na ny tena marina. Andeha hojerentsika izany.

NITADY NY MARINA TEO AMIN’NY SIANSA

Nataon’i Joseph Priestley fialam-boly fotsiny ny siansa taloha. Tamin’ny 1765 anefa, dia nihaona tamin’ilay mpahay siansa amerikanina atao hoe Benjamin Franklin izy, ka nanomboka nanao fanandramana tamin’ny resaka herinaratra. Talanjona tamin’ny vokatry ny fikarohana nataony ny mpahay siansa namany, ka nifidy azy ho anisan’ny mpikambana tao amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Fikarohana Ara-tsiansa tany Londres.

Nikaroka momba ny simia indray izy taorian’izay, ka tsy ela dia nahita gazy maromaro. Anisan’izany ny amoniaka sy ny oksidana azota (na gazy mahatoran’ny hehy). Izy mihitsy aza no namorona ireny rano misy gazy ireny, izay anamboarana zava-pisotro toy ny sodà. Nafangarony tamin’ny rano mantsy ny dioksidana karbonina, ka nanome azy io.

Nanao fanandramana indray i Priestley tamin’ny 1774, ka nahita gazy iray mahatonga ny labozia hirehitra be. Nataony  tao anaty tavoahangy nasiana an’io gazy io ny totozy iray, ka hitany fa ela velona kokoa noho ny totozy nifoka rivotra tsotra! Nandramany nofohina mihitsy aza ilay gazy, ka “nahatsiaro ho maivamaivana sy nahazo aina erỳ izy.”

Oksizenina io gazy hitany io. * Hafa anefa ny anarana niantsoany azy tamin’izany. Noheveriny mantsy fa misy taharo simika misakana ny zavatra tsy hirehitra ny rivotra tsotra. Nino àry izy fa tsy misy an’io taharo io ilay rivotra vao hitany. Diso aloha izany, kanefa maro no miaiky fa io fikarohana nataony io no “niavaka indrindra tamin’ny asany.”

NITADY NY MARINA TEO AMIN’NY FIVAVAHANA

Nino i Joseph Priestley fa tsy hahita ny marina amin’ny siansa ny olona, raha tonga dia manaraka am-bokony ny teoria lazain’ny olon-kafa. Toy izany koa ny heviny amin’ny resaka fivavahana. Mila miala amin’ny lovantsofina hoy izy, raha mitady ny marina. Marihina aloha fa mifanohitra amin’izay ampianarin’ny Baiboly ny hevitra sasany ninoan’i Priestley. Tsy nekeny, ohatra, hoe nampitain’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga ny hevitra ao amin’ny Baiboly. Tsy nino koa izy fa efa nisy tany an-danitra i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy.

“Raha fitadiavana ny marina ny siansa, dia tena mpahay siansa marina tokoa i Priestley.”—Katherine Cullen, mpikaroka

Na izany aza anefa, dia notoherin’i Priestley ireo fampianaran-diso, izay arahin’ny fivavahana maro hatramin’izao. Nanoratra izy fa nosoloan’ny olona lainga ny fampianaran’i Jesosy sy ny mpianany. Anisan’ny nolaviny, ohatra, ny Andriamanitra telo izay iray, ny fanahy tsy mety maty, ary ny fampiasana sary masina izay raran’ny Baiboly.

Tezitra tamin’i Priestley anefa ny iray firenena taminy, noho izy nanohana ny tolom-bahoaka frantsay sy amerikanina, sady nanohitra ny fivavahana lehibe. Nodoran’ny olona àry ny tranony sy ny toerana fanaovany fikarohana, tamin’ny 1791, ka nandositra nankany Etazonia izy. Marina aloha fa ny siansa no tena nahafantarana azy, kanefa nilaza izy fa ny mianatra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany no “tena zava-dehibe sy mendrika hokarohina indrindra.”

^ feh. 10 Efa nahita ny oksizenina ihany i Carl Scheele, mpahay simia soedoà, talohan’izay, fa tsy navoakany ny zavatra hitany. I Antoine-Laurent Lavoisier, mpahay simia frantsay, kosa no nanome anarana an’ilay gazy hoe oksizenina, tatỳ aoriana.