Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MARTSA 2014

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Espaina

Sivy no maty ary maro no naratra, noho ilay horohoron-tany tamin’ny 2011 tao Lorca. Mino ny mpikaroka sasany fa vokatry ny nataon’ny olona ihany ilay izy. Nisintona rano be loatra tany amin’ilay faritra mantsy ny olona mba hanondrahana voly. Hitan’ny manam-pahaizana fa nisy nifandraisany tamin’ilay horohoron-tany izany.

Chine

Nasehon’ny tatitra iray fa lasa ry zareo Sinoa no nandany vola be indrindra tamin’ny fizahan-tany. Vola 102 000 tapitrisa dolara no lanin’ireo Sinoa mpizaha tany, tamin’ny 2012. Manaraka azy kosa ny Alemà sy ny Amerikanina, izay samy nandany 84 000 tapitrisa dolara eo ho eo.

Japon

Nisy fanadihadiana natao tamin’olona 68 000, nandritra ny 23 taona teo ho eo. Navoaka an-gazety izany ka hita fa nihena folo taona, amin’ny ankapobeny, ny androm-piainan’ireo vehivavy mpifoka sigara. Teraka teo anelanelan’ny 1920 sy 1945 izy ireo, ary nanomboka nifoka talohan’izy 20 taona. Ny lehilahy mpifoka kosa, nihena valo taona ny androm-piainany.

Maoritania

Voarara ny manafatra sy manamboatra ary mampiasa harona plastika any. Natao izany mba hiarovana ny biby an-tanety sy anaty rano, izay mety ho faty raha nahatelina azy ireny. Harona vita amin’ny zavatra mety levona kosa no asain’ny fanjakana ampiasaina.

Zava-misy Eran-tany

Lany vola 50 000 tapitrisa dolara isan-taona ireo orinasa fiantohana, noho ny loza vokatry ny toetrandro. Niakatra be ny vidin-javatra ka nitombo avo roa heny isaky ny folo taona ny vola lanin’izy ireo, nanomboka tamin’ny 1980.