Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! FEBROARY 2014

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Etazonia

Hoy ny gazety New York Times: “Ao anatin’ny taona, ny mpiasa iray mifoka sigara dia mamono antoka 5 816 dolara [11 tapitrisa ariary mahery] an’izay orinasa iasany, raha oharina amin’ireo tsy mifoka.” Ireto no mahatonga izany, araka ny hitan’ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Ohio: Lafo kokoa ny saram-pitsaboana azy ireo, ajanony ny asany rehefa hifoka izy ireo, ary imbetsaka ry zareo no tsy tonga miasa. Tsy mahavita asa koa izy ireo rehefa miezaka miala sigara.

Italia

“Tsy tena mampihatra an’izay lazainy ny mpivavaka sy ny mpitoriteny. Hafa no teneniny nefa hafa no ataony. Lasa tsy dia atokisan’ny olona intsony ny Eglizy, noho izany.”—Papa François.

Malezia

Nahatratra vangin’elefanta arivo mahery tao anaty sambo mpitondra hazo ny manam-pahefana. Naondrana an-tsokosoko ireo ivoara 24 taonina ireo, ary voalaza fa ireo no betsaka indrindra tamin’izay efa tratra. Avy any Togo ilay sambo ary saika ho any Chine.

Afrika

Nanao tatitra ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, tamin’ny 2012, fa areti-mifindra no nahafaty ny 63 isan-jaton’ny olona maty tato anatin’ny taona vitsivitsy. Anisan’izany ny SIDA, aretim-pivalanana, tazo, tioberkilaozy, ary aretina mpahazo ny ankizy.

Aostralia

Efa azo atao amin’ny telefaonina sy fitaovana elektronika izao, ny lalao toy ny any amin’ny trano filokana. Tena tian’ny ankizy ilay izy, satria mora andresena sady hoatran’ny tena izy. Mampitandrina ny manam-pahefana fa “mety ho lasa mpiloka be” ireny ankizy ireny rehefa lehibe, satria heveriny hoe tsy ratsy ny miloka.