Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! FEBROARY 2014

 FANADINADINANA | HANS KRISTIAN KOTLAR

Miresaka ny Finoany Ilay Mpikaroka Fanafody avy Amin’ny Zavamananaina

Miresaka ny Finoany Ilay Mpikaroka Fanafody avy Amin’ny Zavamananaina

Tamin’ny 1978 ny Pr. Hans Kristian Kotlar no nanomboka nanao fikarohana, tao amin’ny hopitaly iray tany Norvezy. Nandalina momba ny kansera sy ny hery fanefitra izy tao. Nahaliana azy koa tamin’izany hoe ahoana marina no nampisy ny fiainana. Niresaka taminy momba ny fikarohana nataony sy ny finoany ny Mifohaza!

Efa ela ve ianao no nieritreritra hoe ahoana no nampisy ny fiainana?

Ny dadanay aloha Katolika, ary ny mamanay Protestanta, nefa tsy mpivavaka be ry zareo. Izaho kosa mbola kely dia efa nieritreritra hoe inona no dikan’izao fiainana izao. Namaky bokin’ny Bodista sy Hindoista ary Silamo aho. Nangataka tamin’Andriamanitra mihitsy aza aho mba hasehony ahy ny marina.

Nandroso be ny fikarohana momba ny molekiola taorian’ny 1970, ka nieritreritra aho hoe ho fantatra amin’izay angamba ny nampisy ny fiainana. Nahaliana ahy ny fiasan’ny zavamananaina bitika, ka nianarako hoe ahoana no ampiasana azy ireny, mba hanaovana fanafody na zavatra hafa. Maro tamin’ireo mpampianatra anay no nilaza fa evolisiona na fiovana miandalana no nampisy ny fiainana ka nino izany aho.

Ary nahoana ianao no liana tamin’ny Baiboly?

Nisy Vavolombelon’i Jehovah anankiroa tonga tao aminay. Tsara fanahy ry zareo, nefa nasiaka be aho niteny hoe izaho tsy liana. Henon’ny vadiko ilay izy, dia noteneniny aho hoe: “Aza masiaka kosa e. Ianao aza efa ela no liana hoe inona no dikan’ny fiainana.” Menatra aho satria marina ny teniny, ka nenjehiko indray ireo mpitory. Nanontaniako izy ireo hoe mifanaraka amin’ny siansa ve ny Baiboly.

Dia ahoana hoy ry zareo?

Nasehon-dry zareo ahy tao amin’ny Baiboly hoe avy aiza ny hery eo amin’izao rehetra izao. Hoy ilay andinin-teny: “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza  no nahary ireny zavatra ireny? ... Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.” * Nanitikitika ny saiko izany, sady hoatran’ny mitombina ihany hoe nisy nanao izao rehetra izao matoa mifandanja tsara ny hery eo aminy.

Dia resy lahatra ve ianao hoe diso ny evolisiona?

Hitako tsikelikely fa tsy misy porofo ara-tsiansa tena mitombina ny evolisiona. Tombantombana fotsiny ilay izy raha ny marina. Lazaina fa nisy ho azy teo, hono, ireo zavamananaina miavaka sy be tsipiriany be eto an-tany. Diniho anefa, ohatra, ny hery fanefitra ao amin’ny vatana. Arakaraka ny nianarako azy io, no nahitako hoe be pitsiny be ilay izy sady tena mahavita miaro ny vatana. Rehefa nikaroka aho, dia resy lahatra fa misy ny Mpamorona ary tena mahay izy.

Rehefa nikaroka aho, dia resy lahatra fa misy ny Mpamorona ary tena mahay izy

Mba manomeza hoe ohatra!

Ny hery fanefitra dia fitambarana zavatra simika maro izay mifandray sy miara-miasa. Natao hiaro antsika ireo, ohatra hoe amin’ny bakteria na virosy. Mitsinjara ho antokony roa ilay izy. Ny antokony voalohany, ao anatin’ny ora vitsy dia efa miady amin’izay mikraoba tafiditra. Ny faharoa kosa, andro vitsivitsy vao manafika, saingy ataony mifanaraka amin’ny karazan’ilay mikraoba ny fanafihany. Tadidin’io antokony faharoa io izay karazana mikraoba miverina atỳ aoriana, ka vetivety kokoa dia resiny. Tena miasa tsara ny hery fanefitra ka tsy tsapanao akory indraindray hoe nisy mikraoba tafiditra tao aminao ary efa resy ilay izy. Mahagaga koa fa fantany hoe sela fahavalo ity na selan’ny vatana ihany, na dia misy an-jatony aza ny karazan’izy ireny.

Inona no ampiasain’ny hery fanefitra mba hiadiana amin’ny mikraoba?

Tafiditra ao amintsika ny mikraoba, amin’ny alalan’ny rivotra, sakafo, ratra, na taovam-pananahana. Tonga dia manaitra zavatra simika maro be ny hery fanefitra mba hamonoana ireo mikraoba. Proteinina maro voafantina tsara no miasa amin’izany, ary mifampitohy ny asany. Raha vao mahavita ny anjarany ny sasany, dia manaitra ny manaraka mba hanohy ny fanafihana. Tena mahavariana ilay izy!

Vao mainka ve ianao nino an’Andriamanitra noho ny siansa?

Izany mihitsy! Be tsipiriany ny hery fanefitra sady tena miaro antsika, ka tsapako hoe mahay sy tia antsika ilay Mpamorona. Nahatonga ahy hino kokoa ny Baiboly koa aza ny siansa. Milaza, ohatra, ny Ohabolana 17:22 hoe : ‘Ny fo falifaly dia manasitrana.’ Marina izany, satria hitan’ny mpikaroka fa misy vokany amin’ny hery fanefitra ny zavatra tsapantsika. Raha rera-tsaina loatra, ohatra, isika dia lasa tsy matanjaka ny hery fanefitra.

Nahoana no maro amin’ny mpikaroka toa anao no tsy mino an’Andriamanitra?

Be dia be ny antony. Ny sasany, ohatra, mino fotsiny an’izay nampianarina azy, hoatran’ahy taloha. Angamba izy ireo mihevitra hoe efa voaporofo ara-tsiansa ny evolisiona. Ny hafa indray tsy mbola nandinika. Tena tokony mba hikaroka anefa ry zareo.

Ary nahoana ianao no lasa Vavolombelon’i Jehovah?

Tia mandray olona izy ireo, sady tena mino hoe mbola hovan’ny Mpamorona ho tsara ny fiainana. * Tsy hoe tombantombana fotsiny ny mahatonga azy ireo hino an’izany, fa tena nikaroka sy nahita porofo izy ireo. *