Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Constantin

Constantin

I Constantin no mpanjaka romanina voalohany nitonona ho Kristianina, na dia nenjehina be aza io fivavahana io taloha. Tena nanova ny tantara izany. Ny zavatra nataony no niandohan’ireo fivavahana hita ankehitriny, izay antsoina hoe Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Milaza Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa lasa izy io no nanan-kery indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, na tamin’ny resaka politika izany na fiaraha-monina.

NAHOANA ianao no tokony ho liana amin’izany? Tokony ho fantatrao izany raha mpanaraka ny Fivavahana Kristianina ianao. Nanova ny fampianarana sy fanaon’ny fiangonana maro mantsy ny tetika nataon’i Constantin teo amin’ny politika sy fivavahana. Andeha hojerena izany.

NATAO FITAOVANA FOTSINY NY FIVAVAHANA

I Constantin no nifehy ny ilany andrefana tamin’ny Fanjakana Romanina tamin’ny taona 313 fa i Licinius sy Maximin kosa tany atsinanana. Navelan’i Constantin sy Licinius hifidy izay fivavahana tiany ny olona nanomboka teo. Niaro ny Fivavahana Kristianina i Constantin, satria izay no heveriny fa hampitambatra ny fanjakany. *

Sosotra i Constantin satria tsy nitovy hevitra ny fiangonana ka lasa tsy niray hina. Nitady marimaritra iraisana izy ka notereny ireo eveka hanaraka ny fampianarana izay nolazainy fa “marina.” Tsy maintsy nanaiky ny heviny izy ireo raha te hankasitrahany. Izay nanaiky rahateo moa tsy nila nandoa hetra sady nahazo fanampiana. Hoy i Charles Freeman, mpahay tantara: “Tsy hoe ho lasa any an-danitra fotsiny izay manaraka an’ilay fampianarana ‘marina’, fa mahazo tombontsoa be koa eto an-tany.” Vokatr’izany dia lasa nanan-kery teo amin’ny raharahan’izao tontolo izao ny mpitondra fivavahana. Hoy koa i A. Jones, mpahay tantara: “Sady nahazo mpiaro ny Eglizy no nahazo mpifehy.”

“Sady nahazo mpiaro ny Eglizy no nahazo mpifehy.”—A. Jones, mpahay tantara

TENA FIVAVAHANA KRISTIANINA VE ILAY IZY?

Marimaritra iraisana tokoa ilay fivavahan’i Constantin, satria nisy fanao avy amin’ny Kristianina sy avy amin’ny mpanompo sampy. Ny hampiray ireo fivavahana mantsy no tanjony fa tsy ny hanaraka ny marina. Mpanompo sampy koa ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny fanjakany. Te hampifaly ny Kristianina sy ny mpanompo sampy izy, ka “fanahy iniany natao mandray roa ny zava-drehetra, na fitantanana ny fanjakana io na zavatra hafa”, hoy ny mpahay tantara iray.

Mbola nanompo sampy i Constantin, na dia niseho hoe niaro ny Fivavahana Kristianina aza. Nanao sikidy sy astrolojia, ohatra, izy nefa raran’ny Baiboly izany. (Deoteronomia 18:10-12) Misy sariny manao sorona ho an’ny sampy mihitsy aza ny Andohalambon’i Constantin any Roma. Nasiany sarin’ny andriamanitra masoandro koa ny vola madinika, ary notohanany ny fivavahana tamin’izy io. Talohan’ny hahafatesany aza, mbola navelany hanendry mpisorona sy hanorina tempoly hanomezam-boninahitra azy sy ny fianakaviany ny mponina tao Ombrie, Italia.

Tsy nety hatao batisa “kristianina” i Constantin raha tsy andro vitsy talohan’ny hahafatesany, tamin’ny taona 337. Manam-pahaizana maro no mihevitra fa mbola tiany hanohana azy na ny Kristianina na ny mpanompo sampy. Tsy azo antoka hoe nino an’i Kristy izy, raha jerena ny fiainany sy ilay izy tsy natao batisa raha tsy efa ho faty. Ny azo antoka dia hoe lasa tena nanan-kery teo amin’ny politika sy fiangonana ilay fivavahana neken’i Constantin. Nanda ny didin’i Kristy izy io, ary nitsabaka tamin’ny raharahan’izao tontolo izao. Efa nanafatra ny mpanara-dia azy anefa i Jesosy hoe: ‘Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.’ (Jaona 17:14) Maro be anefa tatỳ aoriana ny fivavahana nipoitra avy amin’ilay fivavahan’i Constantin.

Inona no dikan’izany? Tsy tokony hihevitra isika hoe marina daholo izay ampianarin’ny fivavahana rehetra. Ilaina kosa ny mitady porofo avy ao amin’ny Baiboly.—1 Jaona 4:1.

^ feh. 6 Mba vokatry ny fo ve ny niovan’i Constantin ho Kristianina? Niadian-kevitra be izany, satria “talohan’ny nahafatesany aza izy mbola nankasitraka ny fanompoan-tsampy,” hoy ny boky iray.