Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Janoary 2014

 FANADINADINANA | FENG-LING YANG

Miresaka ny Finoany Ilay Mpikaroka Momba ny Zavamananaina

Miresaka ny Finoany Ilay Mpikaroka Momba ny Zavamananaina

Mpikaroka ao amin’ny foibe fikarohana ao Taipei, any Taïwan, i Feng-Ling Yang. Navoaka tamin’ny gazetiboky momba ny siansa ny vokatry ny fikarohana nataony. Nino ny evolisiona (na fiovana miandalana) izy taloha. Niova hevitra anefa izy tatỳ aoriana. Nanontany azy momba ny asany sy ny finoany ny Mifohaza!

Nanao ahoana ny fiainanao tamin’ny mbola kely?

Nahantra be izahay, ary ny mamako aza tsy nahay namaky teny. Tany akaikin’i Taipei izahay no nipetraka, ary matetika tany no nisy tondra-drano. Niompy kisoa sy namboly legioma no nataonay. Nampianarin’ny ray aman-dreniko aho mba hazoto hiasa mafy sy ho tia manampy olona.

Mpivavaka ve ny fianakavianao tamin’izany?

Ie, Taoisma ny fivavahanay. Tsy nahafantatra momba an’Andriamanitra mihitsy izahay, fa dia nanao sorona fotsiny. Nieritreritra foana aho hoe: ‘Fa maninona ny olona no mijaly? Nahoana no be dia be no tia tena?’ Namaky bokin’ny Taoisma sy Bodisma ary tantaran’ny Tatsinanana sy Tandrefana àry aho, sady nitety fiangonana. Tsy nahita valiny mahafa-po anefa aho.

Dia nahoana ianao no nianatra siansa?

Izaho tena tia matematika sy fizika ary simia. Tiako ho hay ireo lalàna mifehy ny zavaboary satria tena nahaliana ahy. Misy lalàna mifehy daholo mantsy ny zava-drehetra, hatramin’ny mikraoba bitika indrindra ka hatramin’ireo kintana ngezabe eny amin’ny habakabaka.

Inona no nahatonga anao hino ny evolisiona?

Izany foana tsinona no nampianarina ahy. Tsy mba nisy fanazavana nifanohitra tamin’izany mihitsy henoko, hatrany amin’ny lise ka hatreny amin’ny oniversite.  Ny olona koa moa hoatran’ny efa mieritreritra hoe tokony hino ny evolisiona ny mpahay siansa.

Nieritreritra ny olona hoe tokony hino ny evolisiona aho satria mpahay siansa

Ary mba inona no nahatonga anao hamaky Baiboly?

Nianatra tany Alemaina aho tamin’ny 1996. Nahita Vavolombelon’i Jehovah atao hoe Simone aho, herintaona tatỳ aoriana. Nilaza izy fa ny Baiboly no afaka mamaly ny fanontaniako sy manazava ny dikan’izao fiainana izao. Nanitikitika ny saiko izany. Nifoha tamin’ny efatra sy sasany àry aho isa-maraina, ka namaky Baiboly nandritra ny adiny iray. Sady nandehandeha aho avy eo no nisaintsaina. Voavakiko tao anatin’ny herintaona ny Baiboly manontolo. Gaga aho satria marina daholo ny faminaniana ao. Resy lahatra àry aho fa tena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.

Dia mbola nino ny evolisiona ihany ve ianao?

Nandinika an’izay mihitsy aho taloha kelin’ny taona 2000. Hitan’ny mpikaroka anefa tamin’izay fa be tsipiriany be tsy araka ny nieritreretana azy ny zavatra simika ao anatin’ny sela. Marina aloha fa efa ela ny mpahay siansa no niaiky hoe ny proteinina ao amin’ny sela no molekiola be pitsiny indrindra eto an-tany. Tamin’izay anefa vao fantatr’izy ireo fa hay misy toy ny milina kely arifomba be dia be sady afaka mihetsika ao anaty sela. Proteinina mitambatambatra izy ireo, ary misy hatramin’ny 50 any ho any no miara-miasa ao amin’ny milina iray. Na dia ny sela tsotra kely aza, dia ahitana milina isan-karazany, ohatra hoe mpanome herinaratra, mpampita fanazavana, ary mpanokatra sy mpanidy “vavahady.”

Ahoana izany ny hevitrao?

Lasa saina aho hoe: ‘Ahoana àry no nahatonga an’ireny proteinina ireny ho be pitsiny be hoatr’izany?’ Mpahay siansa maro, raha ny marina, no lasa nieritreritra an’izany koa. Nisy mpampianatra sady mpikaroka any Etazonia aza namoaka boky momba izany mihitsy. Nanizingizina io bokiny io fa tsy mitombina hoe tongatonga ho azy ny molekiola be tsipiriany be ao anaty sela. Dia izay koa ny hevitro. Tsy maintsy ho nisy namorona izao rehetra izao.

Lasa saina aho hoe: ‘Ahoana àry no nahatonga an’ireny proteinina ireny ho be pitsiny be hoatr’izany?’

Ary naninona ianao no lasa Vavolombelon’i Jehovah?

Nampiaiky ahy ny zavatra nataon’i Simone. Tsy salama izy nefa nanao dia 56 kilaometatra isan-kerinandro mba hampianarana Baiboly ahy. Nampiaiky ahy koa ny tantaran’ny Vavolombelona sasany tamin’ny andron’ny Nazia. Nogadraina tany amin’ny toby fitanana ry zareo noho ny finoany, kanefa tsy nivadika. Nahagaga ahy ny herim-pon’izy ireo. Tsapako hoe tena tia an’Andriamanitra ireo Vavolombelona, dia mba te ho hoatr’izany koa aho.

Manao ahoana ny fiainanao izao?

Milaza ny mpiara-miasa amiko hoe falifaly foana aho izao. Taloha aho nahatsapa hoe olona tsisy dikany, ka tsy noteniteneniko mihitsy hoe nahantra ny fianakavianay. Tsy mba niresaka momba ny ray aman-dreniko mihitsy aza aho. Nianarako tao amin’ny Baiboly anefa fa tsy manavaka saranga Andriamanitra. I Jesosy koa aza mba avy amin’ny fianakaviana nahantra hoatr’anay. Karakaraiko tsara izao ny ray aman-dreniko, sady ampahafantariko an’ireo namako.