Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! DESAMBRA 2013

 MATOAN-DAHATSORATRA

Azo Atokisana ve ny Filazam-baovao?

Azo Atokisana ve ny Filazam-baovao?

BETSAKA no tsy tena matoky izay lazain’ny filazam-baovao. Izao, ohatra, no nanontaniana ny olona sasany tany Etazonia, tamin’ny 2012: ‘Mino ve ianao fa milaza ny marina sy izay tena nitranga rehetra ny radio na tele na gazety? Ary matoky ve ianao fa tsy momba ny atsy na ny aroa izy ireny?’ Ny antsasany mahery no namaly hoe “tsy tena mino” na “tsy mino mihitsy.” Tsy azo atokisana tokoa ve ny filazam-baovao?

Marina fa maro ny mpilaza vaovao mianiana fa hitatitra ny tena zava-misy. Na izany aza, dia tsy voatery ho marina foana izay lazain’izy ireo. Fa nahoana? Diniho ireto:

  • ORINASA LEHIBE. Misy orinasa lehibe manana haino aman-jery matanjaka be. Te hahazo vola sy hampiroborobo ny orinasany izy ireny, matoa nanao radio na tele. Fidifidiny tsara àry hoe inona ny vaovao horesahina, ahoana no hilazana azy, ary hatao malaza be ve ilay izy sa tsia. Azo antoka fa tsy horesahiny izay vaovao manelingelina ny tombontsoany.

  • FITONDRAM-PANJAKANA. Anisan’ny tena resahina amin’ny vaovao ny raharaham-panjakana. Te hahazo vaovao avy amin’ny mpitondra fanjakana foana àry ny mpanao gazety. Ny fitondrana anefa te handresy lahatra ny olona mba hanohana azy ireo. Mifanaraka àry indraindray ny fampitam-baovao sy ny fanjakana mba tsy hilaza ny zava-misy rehetra.

  •  DOKAM-BAROTRA. Ny dokam-barotra no tena mamelona ny radio sy tele ary gazety. Ny 50 na 60 isan-jaton’ny vola azon’ny mpanao gazetiboky any Etazonia, ohatra, dia avy amin’ny dokam-barotra fotsiny. Ny an’ny mpamokatra gazety aza 80 isan-jato, ary ny an’ny tele sy radio tsy miankina, 100 isan-jato mihitsy. Mba hahazoana dokam-barotra foana anefa, dia lasa tsy miresaka ny zava-misy rehetra izy ireny. Fantany mantsy fa raha manaratsy ny zavatra vokarin’ny orinasa iray sy ny fomba fiasan’izy io ny zavatra resahiny, dia tsy handefa dokam-barotra ao aminy mihitsy ilay orinasa.

  • LAINGA. Milaza zavatra tsy misy akory indraindray ny mpilaza vaovao sasany. Nisy mpanao gazety tany Japon, ohatra, te hamoaka vaovao hoe manimba ny vato harana any Okinawa ny mpilomano any ambany ranomasina. Tsy nahita vato harana simba anefa izy, ka nosimbany ny vato harana sasany ary avy eo nalainy sary. Mandroso be koa izao ny teknolojia, ka azo amboamboarina ny sary mba hamitahana ny mpijery. Tsy araky ny olona akory na dia nisy novana aza ny sary avoakan’ny vaovao.

  • SAMY MILAZA NY HEVINY. Na dia iaraha-mahita izao aza ny zava-nitranga indraindray, dia arakaraka ny hevitry ny mpilaza vaovao momba an’ilay izy no itantarany azy. Fidiny izay lazainy sy tsy lazainy. Andeha hatao hoe resy ny ekipa iray mpilalao baolina. Izay ilay zava-nisy. Nahoana anefa ilay ekipa no resy? Samy afaka milaza izay tiany holazaina ny mpanao gazety.

  • MISY TSY VOALAZA. Tian’ny mpanao gazety hahaliana ny vaovao, ka amboamboariny. Tsy lazainy, ohatra, ny tsipiriany sasany mba tsy hiteraka fanontaniana indray. Ny hafa kosa anefa itariny be. Matetika koa no fotoana fohy ihany no ananan’ny mpanao gazety, ka lasa misy hevi-dehibe tsy voalaza.

  •  MIFANINANA. Nihamaro ny tele azo jerena tato ho ato ka tena lasa zatra mamadibadika tele ny olona. Mba hihazonana ny mpijery àry, dia ataon’ny tele izay hamoahana vaovao miavaka na mahafinaritra. Hoy ny boky iray: ‘Lasa sary fotsiny sisa no tena hitanao amin’ny vaovao. Sady amin’izay ilay izy fantenany tsara, ka raha tsy mampihoron-koditra dia manaitaitra. Tsy liana mijery ela be mantsy ny olona, ka atao izay hahafohy ny resaka fa ny sary no atao be.’

  • FAHADISOANA. Olombelona ihany ny mpanao gazety ka manao diso indraindray. Mety hanova hevitra anefa na dia faingo diso toerana aza, na teny diso fanoratra na tsy araka ny fitsipi-pitenenana. Indraindray koa tsy nohamarininy tsara ilay vaovao. Ny isa no tena mora diso, indrindra rehefa manenjika fotoana. Ny 10 000, ohatra, mety ho lasa 100 000.

  • DISO HEVITRA. Tsy mora akory ny manao tatitra tena marina. Ny zavatra ekena ho marina androany tsinona mety ho hita indray hoe diso rahampitso. Ninoana, ohatra, taloha fa mihodidina ny tany ny masoandro sy ny planeta hafa. Fantatsika anefa izao fa ny tany no mihodidina ny masoandro.

 Mahaiza Mandanjalanja.

Na dia tsy voatery ho marina aza izay rehetra lazain’ny vaovao, dia tsy midika izany hoe diso daholo. Miezaha àry halala-tsaina, nefa koa tsy hino befahatany azy ireny.

Hoy ny Baiboly: “Tsy ny sofina ve no mamantatra teny, toy ny lanilany mamantatra tsiron-kanina?” (Joba 12:11) Ireto àry misy hevitra hanampy anao hamantatra raha marina na tsia ny vaovao renao:

  • MPILAZA VAOVAO: Atokisan’ny olona ve ilay fampitam-baovao? Malaza ho mitatitra ny tena zava-misy ve izy io, sa mpanamboamboatra resaka mba hanairana ny saina fotsiny? Iza no mpamatsy vola an’ilay fampitam-baovao?

  • LOHARANOM-BAOVAO: Nikaroka tsara ve ireo mpilaza vaovao sa nampiasa loharanom-baovao iray fotsiny? Azo atokisana ve ireo loharanom-baovao, sady tsy momba ny atsy na ny aroa? Maka hevitra samy hafa ve ry zareo, sa hevitra iray foana no antitranteriny?

  • TANJONA: Natao hilazana ny zava-misy ve ilay izy sa hampiala voly? Sao dia dokam-barotra fotsiny ilay izy, na fampielezan-kevitra, na toy izany?

  • FOMBA ILAZANA AZY: Masiaka na manakiana be ve ny teny ampiasaina? Midika izany hoe tsy vaovao tsotra ilay izy fa misy fikambanana na olona tiana henjehina ao.

  • MIFANARAKA TSARA: Mifanaraka tsara ve ny zavatra henonao momba ilay vaovao? Misy tsy marina ao raha mifanohitra ny hevitra renao.

  • FOTOANA: Fanazavana vao haingana ve ilay izy ka mbola marina tsara? Mety ho efa tsy mitombina intsony mantsy ny zavatra noheverina fa marina tamin’ny 20 taona lasa. Mety ho tsy feno tsara koa ny fanazavana omen’ny vaovao, raha mbola vao nitranga ilay zavatra tantaraina ao.

Afaka matoky ny filazam-baovao àry ve ianao? Izao no torohevitra tsara nosoratan’i Solomona: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”—Ohabolana 14:15.