Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Aogositra 2013

 MATOAN-DAHATSORATRA

Afaka ny Hiaina Firy Taona Ianao?

Afaka ny Hiaina Firy Taona Ianao?

EFA 175 taona teo ho eo i Harriet vao maty, tamin’ny 2006. Tsy olona akory i Harriet fa sokatra be, nompiana tany Aostralia. Ela velona tokoa izy raha ampitahaina amin’ny olona. Misy zavamaniry sy biby hafa anefa ela velona kokoa noho izy. Jereo, ohatra, ireto:

  • Milaza ny mpikaroka any Failandy fa misy mahatratra 200 taona ny masaja (huître) amin’ny ranomamy.

  • Matetika no velona 100 taona mahery ny sifodranomasina mpihady lavaka, ary misy mihitsy aza mihoatra ny 400 taona.

  • Misy karazan-kazo koa miaina an’arivony taona, toy ny hazo kesika sy siprey sasany ary ny sekoia.

Ahoana kosa isika olombelona? Isika no zavaboary miavaka indrindra eto an-tany, nefa 80 na 90 taona eo ho eo dia maty, na dia efa atao daholo aza izao rehetra izao mba ho ela velona!

Ahoana àry ny hevitrao? Tsy afaka ny ho velona mihoatra an’izay mihitsy ve isika, sa mety hisy fanantenana ihany? Maro no mihevitra fa mbola hahita vahaolana ny siansa sy ny fitsaboana.

Ny siansa ve no vahaolana?

Tena nihatsara ny fitsaboana satria nandroso be ny siansa. Hoy ny gazety Amerikanina Siantifika: ‘Vitsy sisa ny olona matin’ny areti-mifindra  na maty eo am-piterahana [any Etazonia]. Nihena 75 isan-jato koa ny isan’ny ankizy maty, taorian’ny 1960.’ Mbola tsy nahita fanafody tena mahela velona anefa ny siansa hatreto. Hoy koa ilay gazety: ‘Efa am-polony taona ny manam-pahaizana no nikaroka, nefa mbola tsy fantatra ihany hoe nahoana ny olona no mihantitra. Na izany aza anefa dia izao no tombantombana: Rehefa tsy miasa tsara intsony ny fototarazo ao anaty sela, dia manomboka mihantitra ny olona. Io fototarazo io mantsy no mibaiko ny sela mba hihavao hatrany. Raha izay ihany no mahatonga ny olona hihantitra, dia mety mbola hahita vahaolana isika indray andro any.’

“Efa am-polony taona ny manam-pahaizana no nikaroka, nefa mbola tsy fantatra ihany hoe nahoana ny olona no mihantitra”

Ahoana àry no nataon’ny manam-pahaizana mba handinihana ny tena mahatonga antsika hihantitra sy ireo aretin’ny olona antitra? Nianaran’izy ireo bebe kokoa ny ao anaty sela.

Ny ADN no manome toromarika ny sela mba hamokatra sela vaovao. Ny fitambaran’ny ADN ao anaty sela iray kosa no atao hoe zenôma (génome). Misy koa anefa ilay antsoina hoe epizenôma (épigénome), ary vao haingana izay ny manam-pahaizana no nandalina misimisy kokoa momba azy io.

Molekiola maro no ampiasain’ny epizenôma. Hoatran’ny ahoana izy io? Ny ADN hoatran’ny tohatra miolakolaka, fa ny epizenôma kosa zavatra simika mipetaka amin’ny ADN. Ary ny asany? Toy ny polisy mandrindra ny fifamoivoizana izy io, satria mibaiko izay tokony hataon’ny fototarazo ao amin’ny ADN. Ny molekiolan’ny epizenôma no manome toromarika hoe ireto avy ny fototarazo miasa fa ireto aloha mijanona. Arakaraka izay ilaina sy ny zava-misy ilay toromarika, ohatra hoe ny sakafo hanin’ilay olona, ny poizina tafiditra ao anatiny, ary hoe miasa saina be ve izy. Vao haingana izay dia nisy zava-baovao fantatra momba ny epizenôma. Tena mampandroso ny fikarohana ataon’ireo manam-pahaizana izany, ka antenain’izy ireo hanampy azy hiady amin’ny fahanterana sy ny aretina sasany.

Hoy i Nessa Carey, mpikaroka: ‘Misy ifandraisany amin’ny epizenôma ny aretina sasany, anisan’izany ny aretin-tsaina, aretin’ny vanin-taolana, kansera, ary ny areti-mitaiza sasany. Tena misy ifandraisany amin’ny epizenôma koa ny antony mahatonga ny olona hihantitra.’ Raha mitohy izany fikarohana izany, dia mety hahitana fanafany ny aretina maro toy ny kansera, ka ho ela velona kokoa ny olona. Mbola lavitry ny afo anefa ny kitay amin’izao, satria mbola tsy misy vahaolana lehibe azo antenaina aloha hatreto. Hoy ihany i Carey: ‘Ny mihinana legioma betsaka sy manao fanatanjahan-tena foana ihany aloha hatramin’izao no mbola azo atao, raha tsy te ho mora antitra.’

Nahoana anefa ny olona no misahirana be erỳ mba ho ela velona? Fa maninona isika no tsy te ho faty mihitsy? Ny gazety Ny Fotoana (anglisy) aza nanontany hoe: “Nahoana loatra ny olombelona no manao izay handosirana ny fahafatesana? Tsy mety manaiky ny sainy fa mamorona an’izao hevitra rehetra izao, hoe tsy mety maty ny fanahy, hitsangana ny maty, lasa any ankoatra ny fanahy, na koa mifindra amin’ny vatana vaovao.” Andeha hojerentsika ny valin’izany sy izay tena mahatonga ny olona hihantitra.

Nahoana isika no maniry hiaina mandrakizay?

Raha jerena ny vatantsika dia tokony ho velona foana isika. Ary isika rahateo te hiaina mandrakizay. Nahoana tokoa àry? Efa an’arivony taona ny olona no nitady ny  valin’izany. Olona an-tapitrisany anefa izao no efa nahita valiny mahafa-po, ao amin’ny Baiboly!

Vao manomboka ny Baiboly dia efa manazava hoe hafa mihitsy ny olombelona, na dia misy itovizany kely amin’ny zavaboary sasany aza. Milaza, ohatra, ny Genesisy 1:27 fa noforonin’Andriamanitra araka ny endriny ny olona. Inona no dikan’izany? Nataony mahay mitia sy manao ny rariny ary maneho fahendrena toa azy isika. Te ho velona mandrakizay koa isika, satria izay mihitsy no efa namoronan’Andriamanitra antsika. Izy mantsy velona mandrakizay. Hoy ny Mpitoriteny 3:11: ‘Ny mandrakizay dia efa nataon’Andriamanitra tao am-pon’ny olona.’—Fandikan-teny Protestanta.

Tena natao ho ela velona mihitsy isika raha ny vatantsika no jerena. Ohatra amin’izany ny atidohantsika. Milaza ny rakipahalalana iray fa “raha ny tokony ho izy, dia tsy misy fetrany” ny atidohan’olombelona fa mahavita mianatra zava-baovao foana. Dia ho natao hoatr’izany ve ny atidohantsika raha tsy hampiasaina afa-tsy taona vitsivitsy fotsiny? Hita tokoa hoe noforonina hiaina mandrakizay isika. Izany no efa fikasan’Andriamanitra hatramin’ny namoronany ny olona. Koa nahoana àry isika no mihantitra sy mijaly ary maty?

 Nahoana isika no mihantitra sy maty?

Nanana vatana lavorary ny lehilahy sy vehivavy voalohany. Nomena safidy malalaka koa anefa izy mivady. Nampalahelo fa nifidy ny hikomy tamin’ny Mpamorona izy ireo. * (Genesisy 2:16, 17; 3:6-11) Nenjehin’ny eritreriny izy ireo sady menatra be satria nanota. Lasa tsy lavorary intsony ry zareo, ka nihaosa tsikelikely ary maty nony farany. Milaza mantsy ny 1 Korintianina 15:56 hoe: ‘Ny mahatonga ny fahafatesana dia ny ota.’

Lasa tsy lavorary koa ny olon-drehetra satria taranak’i Adama sy Eva. Lasa mpanota izy ireo, ka mora manao ratsy. Hoy ny Romanina 5:12: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’

Raha izany rehetra izany no jerena dia tsy ny siansa mihitsy no vahaolana, raha tiantsika ny tsy ho faty mihitsy. Andriamanitra irery no afaka manafoana ny fahotana sy ny vokatr’izany. Dia hanao an’izany ve anefa izy? Eny tokoa, raha jerena ny Baiboly.

“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”

Efa nanao zavatra tena miavaka Andriamanitra mba hanafoanana ny ota sy ny fahafatesana. Ny Zanany mihitsy no nirahiny ho faty ho antsika. Nahoana izany no afaka mamonjy antsika? Satria lavorary i Jesosy ka “tsy nanota” mihitsy. (1 Petera 2:22) Tokony ho velona mandrakizay àry izy teto an-tany. Nafoiny anefa ny ainy mba hanonerana ny fahotantsika. Nanome ny ainy izy ho “vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) Tsy ho ela ny olona dia handray soa be dia be, noho io sorona nataony io. Afaka mandray soa mihitsy ianao. Jereo ireto andinin-teny ireto:

  • “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”Jaona 3:16.

  • “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.”—Isaia 25:8.

  • “Hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.”—1 Korintianina 15:26.

  • “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra ... Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony.”Apokalypsy 21:3, 4.

Afaka ny hiaina firy taona àry ianao? Mazava be ny valiny omen’ny Baiboly: Afaka ny hiaina mandrakizay ny olona. Tena ho tanteraka izany rehefa hataon’Andriamanitra paradisa ny tany, ka tsy hisy ratsy intsony. (Salamo 37:28, 29) I Jesosy mihitsy no nampanantena an’ilay jiolahy niara-nofantsihana taminy hoe: “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:43.

Ara-dalàna àry isika raha te hiaina mandrakizay, satria efa izay no nanaovan’Andriamanitra antsika. Tena hotanterahiny izany faniriantsika izany. (Salamo 145:16) Mila manao zavatra koa anefa isika. Tsy maintsy mino an’Andriamanitra, ohatra, isika. Hoy ny Hebreo 11:6: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” Tsy mety anefa ny mino fotsiny, fa mila mitady porofo avy ao amin’ny Baiboly aloha ianao. (Hebreo 11:1) Afaka manampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah. Azonao atao koa ny mijery ny tranonkalanay: www.jw.org/mg.

^ feh. 21 Nisy adihevitra nipoitra rehefa nikomy tamin’Andriamanitra i Adama sy Eva. Izany adihevitra izany no mahatonga an’Andriamanitra mbola hamela ny ratsy hanjaka. Manazava izany ilay boky fianarana Baiboly hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Azonao vakina ao amin’ny www.jw.org/mg izy io.