Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Etazonia

Nihena be ny vonoan’olona sy ny heloka bevava ary ny fandrobana tao New York, tamin’ny herinandron’ny 29 Oktobra 2012, raha mitaha amin’ny herinandro mifanitsy amin’io tamin’ny 2011. Nandrava ny morontsiraka atsinanan’i Etazonia mantsy ny rivo-doza Sandy, ka tapaka ny jiro tany amin’ny toerana maro. Hoy i Paul Browne, mpitondra tenin’ny polisy ao New York: “Mihena be ny heloka bevava, aorian’ny rivo-doza na fahavoazana lehibe toy [ilay fampihorohoroana tamin’ny 11 Septambra 2001].” Mitombo kosa ny halatra, satria be ny manararaotra maka ny fananan’ny hafa. Tsy nahagaga an’i Browne izany. Hoy izy: “Betsaka ny toerana tsy misy jiro.”

Tendrontany Atsimo

Manahy ny mpahay siansa satria mitady hanimba ny tontolo iainana any, ny zavamaniry avy any an-toeran-kafa. Misy mpitsidika an’aliny any isan-taona, ary mitondra voan-javamaniry sivy eo ho eo ny olona tsirairay. Manaraka ny baotiny na ny kitapony izy ireny. Ahitana zavamaniry maro tsy fahita any mihitsy izao eo amin’ilay saikinosy eo andrefana.

Holandy

Ramatoa 83 taona no olona voalohany nametahana solona valanorano. Namboarina tamin’ny milina mandeha amin’ny lazera izy io. Vovoka titane no natsonika, ary avy eo nakambana tsikelikely mandra-pahavitan’ilay valanorano. Nisy fandidiana natao avy eo nametahana an’ilay izy tamin’ilay ramatoa. Aretin-taolana no nahasimba ny valanoranony. Efa afaka misakafo sy miaina ary miresaka tsara izy izao.

Alemaina

Voarara ny fifohana sigara tamin’ny toerana sasany faleham-bahoaka any Alemaina, nandritra ny herintaona. Nisy olona nanaovana fanadihadiana, ka hita hoe nihena 13,3 isan-jato ny olona niditra hopitaly noho ny fanaintainana ao amin’ny tratra, ary nihena 8,6 isan-jato ny voan’ny aretim-po.