Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MARTSA 2013

 FIAINAN’NY BIBY

Serfa Goavam-be Fahita any An’ala

Serfa Goavam-be Fahita any An’ala

“RATSY tarehy sy sampontsampona ny serfa goavam-be. Fa maninona no avo be ny tongony aloha ary lava be ny lohany?” Izany no nolazain’i David Thoreau, mpanoratra tamin’ny taonjato faha-19. Tsy izy irery no nieritreritra toy izany. Heverin’ny olona hoe biby mikaviavia sy votsa io karazana serfa io satria mampihomehy ny bikany ary mahalana izy vao misy mahita. Marina ve izany? Maro ny zavatra hitan’ny mpikaroka tany Amerika Avaratra sy Eoropa ary Azia momba an’io biby tsy mahazatra io.

Goavam-be tokoa io biby io. Mikaviavia izy amin’ireo tongony lava be, nefa ireo no ahafahany miady amin’ny andiana amboadia. Vao teraka andro vitsivitsy izy dia efa mahay milomano. Voamarika fa mahavita kilaometatra maromaro izy rehefa milomano, ary afaka misitrika hatrany amin’ny enina metatra any anaty rano mba hitady zavamaniry hohanina.

Afaka manetsiketsika ny masony sy mamantatra an’izay mitranga any aoriany ny serfa goavam-be, na tsy mitodika aza ny lohany. Mahay manimbolo be koa ny orony. Hitan’ny mpikaroka fa afaka mamantatra tsara ny toerana misy ny zavatra iray io biby io, satria mifanalavitra ny vavorony. Eo koa ny sofiny. Azony ahetsika miankavia miankavanana na miaka- midina izy ireo, ka afaka mandre ny feon’ny namany hatrany amin’ny telo kilaometatra izy.

Milaza ny mpanoratra iray fa “mahafatifaty nefa koa sampontsampona” ny zanaka serfa goavam-be. Tia jerijery izy ireny sady tsy dia mivaky loha. Mikarakara azy tsara ny reniny sady miaro azy. Tonga dia asiany izay mitady haka ny zanany, na amboadia izany, na orsa, ary na olona aza. Tsy maintsy mamelon-tena ilay zanaka serfa rehefa feno herintaona eo ho eo, satria efa bevohoka indray ny reniny, ka voailikilika izy.

FIAINANY AMIN’NY RIRININA

Zavamaniry ihany no hanin’ny serfa goavam-be. Ahoana àry no ivelomany rehefa ririnina? Misakafo be izy amin’ny vanin-taona mafana. Mahatratra 23 kilao isan’andro izany. Haniny daholo rehefa zavamaniry, na ireo mahatratra telo metatra etỳ an-tanety na ireo any amin’ny telo metatra any anaty rano. Mizara efatra ny vavoniny ary ireo no mandevona ny sakafony, ka ahazoany otrikaina sy tavy. Mety ho tratran’ny loza hafa koa anefa izy rehefa ririnina.

Tena mampijaly azy ny hatsiaka mamirifiry sy ny ranomandry. Tsy mihetsika firy àry izy, mba tsy halaky hihena ny taviny ka hafana foana izy ao anatin’ilay volony matevim-be. Manahirana azy koa ny mandositra amboadia rehefa misy ranomandry. Ny olona anefa no tena fahavalony, indrindra fa ny mpihaza sy ny mpamily fiarakodia.

Tian’ny serfa goavam-be ny otrikaina ao anatin’ireo sira mampitsonika ranomandry afafy eny an-dalana. Rehefa milentika anefa ny masoandro vao mankeny an’arabe izy. Somary matroka ny volony ka tsy hitan’ny mpamily izy, ary matetika no voadonan’ny fiara. Mety hamoy ny ainy daholo na ny olona na ny serfa vokatr’izany.

BIBY TIA LALAO

Tia milalao onjan-dranomasina ny serfa goavam-be sady faly erỳ milomano amin’ny loharano mafana. Mahay mifaneho fitiavana ny serfa lahy sy vavy ary tena mikarakara tsara ny zanany ny serfa vavy. Na ny serfa ompian’ny olona aza hita hoe tena tia an’ilay tompony. Hoy ny Profesora Valerius Geist: “Na ratsy tarehy aza io biby hafahafa io, dia manan-tsaina sy be fitiavana ary tsy mivadika.”

Tia jerijery sy tsy dia mivaky loha ny zanaka serfa goavam-be

Mitandrema anefa amin’ny serfa goavam-be satria matanjaka be izy ireny. Aza adaladalaina izy raha sendra mahita azy ianao. Aza hatonina akaiky koa izy, indrindra raha mahita zanany ianao. Afaka mahita tsara an’io biby goavam-be io ianao, na avy lavitra aza.