Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Janoary 2013

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Hoalan’i Meksika

Niharan-doza ny toerana iray fitrandrahana solika, tamin’ny Aprily 2010, ka nisy solika sy gazy be dia be niparitaka tany an-dranomasina nandritra ny telo volana latsaka kely. Hitan’ny mpikaroka fa nanjavona ny sasany tamin’ireo solika, roa volana sy tapany taorian’izay. Nihevitra izy ireo fa nolevonin’ny bakteria izany. Mino anefa ny manam-pahaizana hafa fa miangona any amin’ny fanambanin’ny ranomasina ny ankamaroan’izy ireo.

Rosia

Nisy fanadihadiana natao tany Rosia, ka hita hoe ny 59 isan-jaton’ny Rosianina 18 ka hatramin’ny 35 taona no mino fa “ilaina ny mandika fitsipika indraindray raha te ho tafita”, hoy ny gazety Rossiiskaya Gazeta.

Peroa

Nahitana taolan-katsaka efa tranainy be tany amin’ny faritra avaratr’i Peroa (toy ilay hita eto). Asehon’izany fa efa 3 000 taona lasa izay ny olona tany no nanomboka nanao poa-katsaka sy koban-katsaka.

Italia

Niaiky toy izao i Lucio Soravito De Franceschi, evekan’i Adria-Rovigo: “Tsy tokony hampaneno lakolosim-piangonana intsony isika fa hampaneno lakolosim-baravarana”, izany hoe “mankany an-tranon’ny olona” mba hitondra ny hafatr’Andriamanitra.

Afrika Atsimo

Amidy an-tsokosoko izao ny tandroky ny tokantandroka mba hatao fanafody. Tafakatra 65 000 dolara (na Ar 140 tapitrisa eo ho eo) ny kilao. Tany Afrika Atsimo fotsiny, dia nahatratra 448 ny tokantandroka novonoin’ny mpihaza tsy ara-dalàna, tamin’ny 2011. Norobain’ny jiolahy ny tranombakoka sy trano fanaovana lavanty tany Eoropa mba hakana an’ilay tandroka. Na ny toeram-pijerem-biby any aza atahorana ho lasibatra.