Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Janoary 2013

 FANADINADINANA | PAOLA CHIOZZI

Miresaka ny Finoany Ilay Manam-pahaizana Momba ny Simia

Miresaka ny Finoany Ilay Manam-pahaizana Momba ny Simia

Efa 20 taona mahery izay ny Dr. Paola Chiozzi no nikaroka momba ny molekiolan’ny zavamananaina, tao amin’ny Oniversiten’i Ferrare any Italia. Niresaka taminy momba ny fikarohana nataony sy ny finoany ny Mifohaza!

Resaho aminay ny mombamomba anao.

Mpanao kiraro i Dada ary tantsaha i Neny. Izaho kosa te ho lasa mpahay siansa. Nahavariana ahy ireo voninkazo sy vorona ary bibikely tsara tarehy teny akaikinay. Nino aho hoe nisy namorona ireo, ary mahay kokoa noho ny olona izay nanao azy.

Ianao izany nino foana hoe misy ny Mpamorona?

Mbola kely aho dia efa nisalasala raha tena nisy ny Mpamorona na tsia. Maty tampoka mantsy i Dada fa narary fo, ka lasa saina aho hoe: ‘Nahoana àry no avelan’ny Mpamorona hisy olona mijaly sy maty nefa izy tsara fanahy be?’

Nanampy anao hahita ny valin’izany ve ny siansa?

Tsy tonga dia nanampy aloha e! Nianatra momba ny fahafatesan’ny sela aho, rehefa lasa mpikaroka momba ny molekiolan’ny zavamananaina. Tsy ilay fahafatesan’ny sela, izay mahatonga ny vatana hivonto na hisy fery anefa izany, fa ilay fahafatesan’ny sela efa voalamina mialoha. Tena mahasoa izy io nefa tsy noraharahain’ny mpahay siansa, taona vitsivitsy lasa izay.

Nahoana izany no tena mahasoa?

Misy sela an-tapitrisa tapitrisany ao amin’ny vatantsika. Tsy maintsy maty sy misolo ny ankamaroan’izy ireo. Tsy mitovy ny androm-piainan’ny sela. Misy misolo isaky ny herinandro vitsivitsy, ary misy isaky ny taona vitsivitsy. Tsy maintsy misy planina maty paika mba hifanaraka foana  ny fotoana ahafatesan’ny sela sy ny fotoana iforonan’ny sela vaovao.

Inona no vokany raha tsy izany no mitranga?

Asehon’ny fikarohana fa voan’ny rohana mamely ny tonon-taolana ny olona iray na tratran’ny kansera, raha aorian’ny fotoana tokony hahafatesany vao maty ny sela. Voan’ny aretin’i Parkinson na voan’ny Alzheimer kosa izy, raha maty alohan’ny fotoana ireo sela. Mikaroka ny fitsaboana an’ireo aretina ireo aho izao.

Inona no vokatr’ilay fikarohana momba ny fahafatesan’ny sela teo aminao?

Sahiran-tsaina be aho. Mahatalanjona ilay izy, ary tena hita hoe nitady izay hahasalama antsika ilay namorona azy io. Mbola lasa saina foana aho hoe nahoana àry ny olona no marary sy maty. Tsy hitako mihitsy ny valin’izany.

Nefa ve ianao resy lahatra hoe nisy namorona ilay izy?

Ie! Be pitsiny ilay izy sady tena tsy mampino, ka hita hoe tsy maintsy nisy olona marani-tsaina namorona azy. Mino aho fa Andriamanitra izany. Mampiasa mikraoskaopy arifomba be aho izao mba hianarana momba an’ilay izy. Maty ao anatin’ny segondra vitsivitsy ny sela sasany rehefa ilaina izany. Manao zavatra mahatonga azy ho faty koa ny sela. Efa voalamina tsara izany ka tena mahatalanjona.

Azo atao tsara ny miaina mandrakizay, satria misolo foana ny ankamaroan’ny sela

Nieritreritra koa ianao hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny olona hijaly. Ahoana no nahitanao ny valin’izany?

Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa tonga tao amiko tamin’ny 1991. Nanontaniako ry zareo hoe nahoana ny olona no maty. Nasehony ahy tao amin’ny Baiboly ny valiny: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana.’ (Romanina 5:12) Ho niaina mandrakizay ilay lehilahy voalohany, raha nankatò an’Andriamanitra. Tonga dia hitako hoe nifanaraka tamin’ny zavatra nianarako izany. Fantatro fa tsy nokasain’Andriamanitra ho faty ny olona. Azo atao tsara ny miaina mandrakizay, satria misolo foana ny ankamaroan’ny sela.

Inona no nahatonga anao ho resy lahatra fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?

Hoy ny Salamo 139:16 momba an’Andriamanitra: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako.” Mpikaroka momba ny sela aho, ka fantatro fa misy toromarika momba ny vatana manontolo ao amin’ny sela. Ahoana no nahalalan’ny mpanao salamo an’izany? Vao mainka aho resy lahatra fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, arakaraka ny nianarako azy io.

Ahoana no nahalalanao izay ampianarin’ny Baiboly?

Nisy Vavolombelon’i Jehovah nampianatra Baiboly ahy. Fantatro ihany tamin’ny farany hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny olona hijaly. Nianarako koa fa hofoanan’Andriamanitra “tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.” (Isaia 25:8) Tsy ho sarotra amin’ilay Mpamorona mihitsy ny hahatonga ny vatantsika hiasa tsara, mba hahafahantsika hiaina mandrakizay.

Ahoana no nampiasanao an’izany fahalalanao izany mba hanampiana ny hafa?

Lasa Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny 1995. Noresahiko tamin’ny hafa ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly nanomboka teo. Nisy mpiara-miasa tamiko nalahelo be rehefa namono tena ny anadahiny. Nampianarin’ny fivavahany fa tsy ho voavela heloka mihitsy ny olona mamono tena. Nasehoko azy avy tao amin’ny Baiboly anefa ilay fampanantenana hoe mbola hatsangana ny maty. (Jaona 5:28, 29) Tena nampahery azy ny nahalala hoe miahy antsika ny Mpamorona. Tsapako amin’ny fotoana toy ireny hoe mahafa-po kokoa noho ny miresaka momba ny siansa ny mizara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly!