Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Desambra 2012

 Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Nitombo avo telo heny ny habetsahan’ny fikarohana nisy an’ilay teny hoe ‘porn’ [na sary vetaveta] tao amin’ny Google, nanomboka tamin’ny 2004.”—THE ECONOMIST, GRANDE-BRETAGNE.

‘Atahorana kokoa hovonoin’ny vadiny ny tovovavy rosianina vao manambady.’—MOSKOVSKIYE NOVOSTI, ROSIA.

“Ny iray ampahafiton’ny mpahay siansa na dokotera any Royaume-Uni no mahita fa minia manova ny fanazavany na mamoron-dainga ny mpiara-miasa aminy rehefa manao fikarohana, na satria te hamoaka fanazavana amin’ny boky na gazety.”—BRITISH MEDICAL JOURNAL, GRANDE-BRETAGNE.

“Nanomboka tamin’ny 1971, dia nitombo avo efatra heny ny olona tsy matin’ny kansera tany Etazonia ka lasa 12 tapitrisa eo ho eo. ... Hita aloha kokoa mantsy ilay aretina, mahomby kokoa ny fitsaboana, ary mihatsara ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny marary.”—UC BERKELEY WELLNESS LETTER, ETAZONIA.

Pretra sy moanina 100 teo ho hoe, izay samihafa fivavahana, no rafitr’ady tao amin’ilay eglizy eo amin’ny toerana lazaina fa nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema, taloha kelin’ny Krismasy 2011. Hoy ny polisy iray: “Zavatra tsisy dikany no nampiady ... ary mitranga isan-taona izany. Tsy nisy nosamborina anefa ry zareo satria olon’Andriamanitra daholo.”—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, ETAZONIA.

Zava-maitso Hisakanana Tany Efitra

Nisy fandaharan’asa nataon’ny Firaisambe Afrikanina tamin’ny 2007, mba hisakanana ny fitaran’ny tany efitra. Firenena 11 no namboly zana-kazo an-tapitrisany mba hahazoana fefy zavamaniry. Mirefy 7 600 kilaometatra ny lavan’ilay fefy ary 15 kilaometatra ny sakany, manomboka any Sénégal, any andrefana, ka hatrany Djibouti, any atsinanana. Hoy i Aliou Guissé, mpampianatra siansa momba ny zavamaniry ao amin’ny Oniversite Cheikh Anta Diop any Dakar, Sénégal: “Karazan-kazo tsy mahaliana an’ireo mpitrandraka ala no ambolenay.” Manantena izahay fa ho lasa tahirin-javamaniry sy hahasoa ny mponina eny amin’ny manodidina io faritra vao novolena io.

Nahoana Isika no Manoaka?

Tsy hain’ny mpahay siansa hazavaina hoe nahoana ny olona rehetra no manoaka, ary matetika izany no imbetsaka ao anatin’ny iray andro. Na ny zaza ao am-bohoka aza manoaka! Manao toy izany koa ny sokina, aotirisy, bibilava, ary ny trondro. Maro ny fanazavana azo, ary matetika izany no mifanohitra, nefa tsy misy mahafa-po an’ireo mpikaroka. Maro ny mpahay siansa mino fa mihabetsaka ny oksizenina ao amin’ny atidoha rehefa manoaka ny olona. Hoy anefa ny gazety Science News: “Mbola tsy voaporofon’ny mpikaroka izany.” Hita tamin’ny fanandramana natao tamin’ny voalavo fa “mampangatsiatsiaka ny atidoha ny manoaka.” Mbola tsy azo antoka koa anefa izany.