Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! DESAMBRA 2012

Rakibolana Natao tao Anatin’ny 90 Taona

Rakibolana Natao tao Anatin’ny 90 Taona

NAHITA karazan-tsoratra mbola tsy nisy nahalala ny Italianina iray mpikaroka tany vaovao, tamin’ny 1621, tao amin’ireo sisa tavela tamin’i Persepolisy, any Persa fahiny. Nisy soratra nitovy tamin’ilay izy koa hitan’ny mpikaroka tany Irak, teo anelanelan’ny 1800 sy 1900. Tamin’ny takelaka tanimanga sy rindrin’ny lapa izy ireny. Soratra miendri-pantsika izy ireo, ary ahitana ny fitenin’ny olona tany Mezopotamia, toa an-dry Sargona II, Hammourabi, ary Nebokadnezara II.

Ahafahana mamantatra ny fandrosoana sy ny kolontsain’ny olona tany Mezopotamia fahiny io karazan-tsoratra io. Niezaka namantatra ny dikan’ireo soratra ireo ny manam-pahaizana, ka hitany fa nilaina ny rakibolana amin’ny teny akadianina, izay mitovitovy amin’ny teny asyrianina sy babylonianina.

Ny Fikambanana Mikaroka Momba ny Firenena Tatsinanana, ao amin’ny Oniversiten’i Chicago any Etazonia, no nandray an-tanana an’ilay tetikasa, tamin’ny 1921. Naharitra 90 taona ilay asa ary vita tamin’ny 2011. Fitambarana boky 26 izy io, misy 9 700 pejy mahery,  ary antsoina hoe Rakibolana Asyrianina. Hita ao ny teny sy tenim-paritra nampiasaina tany Irak sy Syria ary Torkia, tamin’ny taona 2500 Talohan’i Kristy (T.K.) ka hatramin’ny taona 100 Aorian’i Kristy.

Mahatratra 9 700 pejy mahery ny Rakibolana Asyrianina ary misy boky 26

Nahoana ilay rakibolana no ngezabe toy izany? Nahoana no ela be ilay izy vao vita? Iza no mety hampiasa azy?

Inona no hita ao?

“Tsy mitanisa teny fotsiny izy io”, hoy i Gil Stein, talen’ilay fikambanana, fa “miresaka ny mombamomba an’ilay teny sy ny nampiasana azy koa. Lasa toy ny rakipahalalana momba ny tantara, mponina, haisoratra, lalàna, ary fivavahana tany Mezopotamia izy io. Tena mila an’ilay izy ny manam-pahaizana te hamakafaka ny asa soratra momba an’i Mezopotamia fahiny.”

Tsapan’ireo mpampanonta hatramin’ny voalohany fa “tsy maintsy angonina daholo ny fehezanteny ahitana ny teny iray, mba hamaritana ny tena heviny. Nilaina koa ny teny manodidina ary niezahana ho betsaka araka izay azo atao izany mba hamantarana ny hevitry ny teny iray, arakaraka ny ampiasana azy.” Misy tenin’olona amin’ny soratra miendri-pantsika àry miaraka amin’ireo teny faritana, ary hita eo koa ny dikany.

An-tapitrisany ny asa soratra amin’ny teny akadianina hita, tato anatin’ny 200 taona lasa, ary be dia be ny zavatra resahiny. Ny fiteny akadianina no teny iraisam-pirenena nampiasaina tamin’iny faritra atsinanan’ny Ranomasina Mediterane iny fahiny. Tia fivavahana sy nanan-talenta tamin’ny haisoratra koa anefa ny olona tany, sady nanao raharaham-barotra sy lalàna ary fandraharahana. Nianatra matematika sy astronomia ary mazia koa izy ireo. Nahalalan-javatra maro àry ny asa sorany momba an’ireo sy ny loha hevitra hafa.

Tsy kolontsaina hafahafa no resahin’ireny lahatsoratra ireny. Hoy i Matthew Stolper, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Chicago, ary nandray anjara tamin’ilay tetikasa nandritra ny 30 taona: “Azonao tsara ny ankamaroan’ny zavatra resahina ao, ohatra hoe olona matahotra, tezitra, mamboraka fitiavana, ary mila fitiavana. Misy mpanjaka milaza ao amin’ny asa soratra sasany hoe tena malaza izy ireo. Resahin’ny asa soratra hafa anefa fa tsy nalaza be akory izy ireny.” Nisy soratra hita tany Nouzi, any Irak ankehitriny. Mirakitra olana ara-pitsarana tamin’ny 3 500 taona lasa izy ireny, toy ny momba ny lovan’ny vehivavy maty vady, ady tanimbary, resaka ampondra nindramina, sy ny maro hafa.

Vita tokoa ve ilay izy?

Nifarimbona tamin’ilay tetikasa ny manam-pahaizana avy any amin’ny tany samihafa, izay mikaroka momba an’i Asyria. Natao tamin’ny karatra kely ny fampiasana ny teny tsirairay, ka karatra efa ho roa tapitrisa no vita nandritra ny am-polony taona. Natao pirinty tamin’ny 1956 ny boky voalohany. Boky 25 hafa no natao pirinty taorian’izay. Mitentina 2 000 dolara (Ar 4 000 000 eo ho eo) ny vidin’izy rehetra. Azo jerena maimaim-poana ao amin’ny Internet koa anefa izy ireo.

Nila 90 taona vao vita ilay rakibolana. Miaiky anefa ireo nandray anjara tamin’ilay tetikasa fa tsy tena tonga lafatra izy io. Hoy ny lahatsoratra iray: ‘Mbola tsy hain’izy ireo ny dikan’ny teny sasany. Tantara mitohy koa ilay izy, satria mahita zava-baovao foana ireo mpikaroka.’