Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! DESAMBRA 2012

Mety Hahita Olana Ireo Tsy Manam-paharetana

Mety Hahita Olana Ireo Tsy Manam-paharetana

AOKA hatao hoe misy lehilahy mitondra fiara amin’ny arabe tsy azo isongonana. Misy fiara eo alohany, ary latsaka kely noho ny ara-dalàna ny hafainganam-pandehan’izy io. Tsy manam-paharetana anefa ilay lehilahy ka miadana be ny fahitany an’ilay fiara. Narahiny akaiky kely izy io, ary avy eo izy niriotra nisongona azy. Nandika lalàna izy sady nety ho nahita loza.

Misy indray vehivavy kinga fiasa sy marani-tsaina, ka tsy manam-paharetana rehefa miara-miasa amin’ny olona tsy mitovy aminy. Tsy manam-paharetana ve ianao rehefa miaraka amin’ny ray aman-dreninao be taona? Sa ianao mora sorena noho izay ataon’ireo zanakao mbola kely? Mora tezitra ve ianao rehefa manao fahadisoana ny hafa?

Mety tsy hanam-paharetana daholo isika indraindray. Ho ratsy anefa ny vokany raha miverimberina matetika izany.

 Ireo no sasany amin’ny voka-dratsin’ny tsy fananana faharetana. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona no hanampy anao hanam-paharetana sy ho toy izany foana.

Lasa tsy salama:

Mora sorena sy kizitina ary misafoaka mihitsy aza ny olona tsy manam-paharetana. Mety hampiady saina izany ka hankarary. Hita tamin’ny fikarohana nataon’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana fa mora miakatra tosidra ny olona tsy manam-paharetana, na dia mbola tanora aza.

Hita tamin’ny fikarohana hafa koa fa mora matavy loatra ny olona tsy manam-paharetana. Hoy Ny Gazetin’i Washington (anglisy): “Hitan’ny mpikaroka fa mora matavy kokoa ny olona tsy manam-paharetana raha ampitahaina amin’ny olona mahay miandry.” Misy hani-masaka mora sy azo vidina foana any amin’ny faritra sasany, ka alaim-panahy hividy an’ireny ny olona maro tsy manam-paharetana.

 Lasa mangataka andro:

Hita tamin’ny fikarohana nataon’ny Foibem-pikarohana Momba ny Toe-karena any Londres fa lasa zatra mangataka andro ny olona tsy manam-paharetana. Manemotra ny fotoana hanaovany asa iray izy, satria tsy mahavita manokana fotoana lava hamitana an’ilay izy. Misy vokany ratsy amin’ilay mpangataka andro sy amin’ny toe-karena anefa izany. Hoy i Ernesto Reuben tao amin’ny gazety Telegrafy (anglisy), any Grande-Bretagne: “Mihena ny asa vita sady be ny vola lany, rehefa mampihemotra ny fotoana ikarakarana taratasy foana ny olona [tsy manam-paharetana].”

Lasa tia toaka sy mahery setra:

Hoy ilay gazety anglisy hoe Akon’i Pays de Galles Atsimo: “Tia misotro toaka amin’ny alina be ny olona tsy manam-paharetana ary mora mahery setra.” Namoaka an’io tatitra io ny mpikaroka tao amin’ny Oniversiten’i Cardiff, rehefa avy nanadihady lehilahy sy vehivavy an-jatony.

Lasa tsy misaina tsara:

Hitan’ny mpikaroka vitsivitsy tao amin’ny Foibem-pikarohana Pew any Washington fa matetika ny olona tsy manam-paharetana no “maimaika sy tsy misaina tsara rehefa manao safidy.” Manaiky an’izany koa ny Pr. Ilango Ponnuswami, talen’ny Sampan-draharahan’ny Asa Fanasoavana ao amin’ny Oniversite Bharathidasan, any Inde. Hoy izy: “Hanenina ianao raha tsy manam-paharetana. Ho very vola sy namana ianao, hijaly, na hizaka vokany ratsy hafa. Matetika mantsy ny olona toy izany no tsy mahay manapa-kevitra.”

Olana ara-bola:

Nilaza ny Gazetiboky Momba ny Fikarohana (anglisy), navoakan’ny Banky Foiben’i Boston, any Etazonia, fa mora “bokan’ny trosa” ny olona tsy manam-paharetana. Raha tsy manam-paharetana, ohatra, ny mpivady vao, dia tiany ho azo aorian’ny fampakaram-badiny daholo izao rehetra izao, nefa izy ireo kely vola. Mitrosa àry izy mba hahazoana trano, fanaka, fiara, ary zavatra hafa. Mety hanimba ny fanambadiana anefa izany. Milaza ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Arkansas, any Etazonia, fa “sambatra kokoa ny mpivady vao tsy mitrosa mihitsy na tsy dia mitrosa, raha mitaha amin’ireo mitrosa.”

Misy milaza fa ny tsy fananana faharetana no nahatonga an’ilay olana ara-toe-karena tany Etazonia vao haingana. Milaza ny gazety Forbes fa “ny olona tsy manam-paharetana sy fatra-pitia harena no mahatonga ny olana ara-barotra ankehitriny. Olon-tsotra an’arivony no te hahazo zavatra tsy takatry ny volany akory, satria tsy manam-paharetana. Mitrosa vola be izy ireo, nefa tsy ho voaloany ao anatin’ny taona maro izany, na tsy ho voaloa mihitsy.”

Lasa very namana:

Lasa tsy mahay miresaka amin’ny hafa ny olona tsy manam-paharetana, ka manjary miteny zavatra tsy amim-piheverana. Mety ho sorena koa izy rehefa miteny ny hafa. Tsy andriny ny hamitan’ny hafa ny resany, ka tonga dia tohiziny ny zavatra lazain’ilay olona, na mitady fomba hafa hamaranana an’ilay resaka izy.

Manjary very namana ny olona toy izany. Hoy ny Dr. Jennifer Hartstein, ilay manam-pahaizana momba ny saina voaresaka tany aloha: “Iza no te hinamana amin’ny olona tsy mahatombina na mijery famantaranandro foana?” Tsy dia manintona ireo olona tsy manam-paharetana, ka ilaozan’ny namany.