Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 5

Vaovao Tsara ho An’ny Olona Rehetra

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 5

Mampiavaka ny Baiboly ny faminaniana ao anatiny. Miresaka momba izany ny Mifohaza! ato amin’ity andian-dahatsoratra misy fizarana valo ity. Hovaliana amin’izany ny hoe: Olona nahay be fotsiny ve ireo mpanoratra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, sa olona nahazo fanahy masina avy amin’Andriamanitra? Asaina ianao handinika ny zava-misy.

MISY vaovao tsara avy amin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Nataon’i Jesosy Kristy vaindohan-draharaha ny nitory ny “vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 4:43) Milaza ny Baiboly fa fitondram-panjakan’Andriamanitra io fanjakana io, ary hanala ny fitondran’olombelona mampijaly, hampanjaka ny fiadanana, sady hanafoana ny zava-drehetra mampahory. (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10) Izany ka tena vaovao tsara!

Tena tokony hotorina hatraiza hatraiza izany vaovao tsara izany. Vitsy kely anefa ny mpanara-dia an’i Jesosy tamin’izy novonoina ho faty. Tsy hisy hitory an’ilay vaovao tsara intsony ve? Tsy izany mihitsy. Nilaza mialoha ny Baiboly hoe: 1) Hotorina eran-tany ny vaovao tsara, 2) hotorina foana izy io na dia mafy aza ny fanoherana, ary 3) hisy Kristianina sandoka hipoitra ary maro no ho voafitaka. Handinika an’ireo faminaniana ireo isika izao.

Hotorina any amin’ny firenena rehetra ny vaovao tsara

Faminaniana:

“Tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.” (Marka 13:10) “Hahazo hery kosa ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.”—Asan’ny Apostoly 1:8.

Fahatanterahany: Maty i Jesosy tamin’ny taona 33. Efa niely eran’i Jerosalema ilay vaovao tsara taoriana kelin’izay, satria nitory foana ny mpianany. Niely hatrany Jodia sy Samaria izy ireo, ary tao anatin’ny 15 taona ireo misionera kristianina dia efa tonga hatrany amin’ny toerana hafa nanjakan’ny Romanina. Azo lazaina àry hoe efa notorina tany amin’ireo faritra “lavitra” ny vaovao tsara, tamin’ny taona 61.

Inona no asehon’ny tantara?

  • Porofoin’ireo asa soratra tsy ara-baiboly tamin’ny taonjato faharoa fa niely haingana be ilay Fivavahana Kristianina tany am-boalohany. Nilaza i Suétone, mpahay tantara romanina, fa efa nisy Fivavahana Kristianina tany Roma tamin’ny taona 49. Nisy taratasy iray nosoratan’i Pline Zandriny, governoran’i Bitynia (any Torkia ankehitriny), ho an’i Trajan Mpanjaka, tamin’ny taona 112 tany ho any. Voalaza tao fa toy ny “areti-mifindra” ny Fivavahana Kristianina, ary “tsy tany amin’ireo tanàn-dehibe ihany no nielezany fa hatrany ambanivohitra koa.” Hoy ny mpahay tantara iray: “Tsy ampy 100 taona taorian’ny andron’ny apostoly dia efa nahitana toeram-pivavahan’ny Kristianina tany amin’ireo tanàn-dehibe nanerana ny Fanjakana Romanina.”

  • Hoy i Henry Chadwick, mpampianatra: “Toa tsy azo inoana hoe hiely be ilay fivavahana. Tsy noeritreretina hiroborobo mihitsy izy io raha ny zava-nitranga no jerena.”—Ny Fiangonana Voalohany (anglisy).

Hisy hanohitra ny vaovao tsara

Faminaniana:

“Hanolotra anareo amin’ny fitsarana eo an-toerana ny olona. Ary hokapohina any amin’ny synagoga ianareo ka hoentina eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka noho ny amiko. Ho afaka hitory aminy ianareo noho izany.”—Marka 13:9.

Fahatanterahany: Nenjehin’ny Jiosy sy ny Romanina ny Kristianina. Nosamborina izy ireo, nogadraina, nokapohina, ary novonoina.

Inona no asehon’ny tantara?

  • Mitantara ny namonoan’ny mpitondra fivavahana jiosy an’i Jakoba, rahalahin’i Jesosy, i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Tantarain’ny Baiboly fa nisy lehilahy atao hoe Gamaliela nampitandrina ny namany, tamin’izy ireo nitsara ny mpianatr’i Jesosy. Mpitsara nohajaina tao amin’ny fitsarana avo jiosy izy io. (Asan’ny Apostoly 5:34-39) Porofoin’ny asa soratr’ireo manam-pahaizana fa tena nisy i Gamaliela ary nalala-tsaina.

  • Nilaza ny mpahay tantara fa nanenjika an’ireo Kristianina ny mpanjaka romanina, ary i Néron no voalohany nanao izany tamin’ny taona 64. Niresaka ny sazin’ireo Kristianina tsy nety niala tamin’ny finoany ny taratasin’i Pline Zandriny sy Trajan.

  • Nilaza i Chadwick fa “tsy nahafoana ny Fivavahana Kristianina ny fanenjehana.” Nitondra ny vaovao tsara tany an-tany hafa ny Kristianina rehefa nandositra. (Asan’ny Apostoly 8:1) Tsy nivadika izy ireo, na dia tsy tian’ny havany sy ny namany intsony aza. Tena nahavariana izany satria ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ ny mpanara-dia an’i Jesosy, ary tsy nitana toerana ambony teo amin’ny fitondrana. (Asan’ny Apostoly 4:13) Niaiky ny mpahay tantara fa ‘mora nandray ny Filazantsara ny mpivarotra isan-karazany.’

Tena gaga ny manam-pahaizana, satria vitsy kely ny Kristianina nefa niely haingana be ny fivavahany na dia mafy aza ny fanenjehana. Efa nilaza mialoha momba izany anefa i Jesosy. Naminany koa ny Soratra Masina fa hitsahatra vetivety io asa fitoriana io.

Hisy Kristianina sandoka

Faminaniana:

“Hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) “Hisy mpampianatra sandoka koa eo aminareo. Ireny indrindra no hampiditra mangingina sekta mampidi-doza ... Noho ireny àry no hanevatevana ny lalan’ny fahamarinana.”—2 Petera 2:1, 2.

Fahatanterahany: Nisy olona masiaka sy mpamitaka ary tia fahefana nanimba ny fiangonana kristianina.

Inona no asehon’ny tantara?

  • Rehefa maty ireo mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy olona to teny tao amin’ny Fivavahana Kristianina nampifangaro ny fampianaran’i Kristy tamin’ny filozofia grika. Tsy ela dia lasa nisy antokon’olona antsoina hoe mpitondra fivavahana, izay nitady voninahitra sy harena toy ny mpanao politika. Nilaza ny mpahay tantara fa tsy hita soritra tao amin’ilay “Fivavahana Kristianina” intsony ny fanaon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa lasa fivavahan’ny Fanjakana Romanina izy io.

  • Nanjaka tao amin’io fivavahana milaza azy ho Kristianina io ny herisetra sy ny fitiavan-karena, nandritra ny taonjato maro. Hita hoe tsy mpanara-dia an’i Jesosy ireo mpitondra fivavahana satria nenjehiny ireo nitory toa an’i Jesosy sy niezaka namoaka Baiboly tamin’ny fitenin’ny olona.

Nanana fahefana be ny Fivavahana Kristianina sandoka nandritra ny taonjato maro. Hoatran’ny hoe tsy nisy olona nitory ny vaovao tsara intsony tamin’izany. Efa nilaza mialoha anefa i Jesosy, fa hotorina indray ny vaovao tsara amin’ny andro farany. Toy ny fotoam-pijinjana io fotoana io, ka havahana amin’ny tena Kristianina, izay oharina amin’ny vary, ireo Kristianina sandoka, izay oharina amin’ny ahidratsy. (Matio 13:24-30, 36-43) Ho tanteraka amin’ny fomba feno ilay faminaniana momba ny fitoriana ny vaovao tsara, amin’io fotoana io. (Matio 24:14) Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka amin’ity andian-dahatsoratra ity.