Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! SEPTAMBRA 2012

Mpitsabo Tena Nahay

Mpitsabo Tena Nahay

Dokotera Rhazès, mampiasa zavatra simika ao amin’ny laboratoarany

MARO amin’ny fomba fitsaboana ankehitriny no efa nisy fahiny. Efa nampiasaina nandritra ny taonjato maro izy ireny. Diniho ny fitsaboana nisy tany amin’ny tany arabo, teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500.

Tamin’ny taona 805 ny MPANJAKA HARUN AL-RACHID no nanorina hopitaly tao Bagdad, renivohitry ny fanjakany. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-9 ka hatramin’ny faha-13, dia nisy mpanjaka hafa nanorina hopitaly sy nikojakoja an’izany, nanerana ny fanjakana silamo tany Espaina ka hatrany Inde.

Tsy nanavakavaka saranga na fivavahana ireny hopitaly ireny. Tsy nitsabo fotsiny ireo dokotera matihanina fa nikaroka sy nampiofana dokotera hafa koa. Nahitana sampam-pitsaboana samihafa ny hopitaly, toy ny fitsaboana ankapobeny, fitsaboana maso, taolana, areti-mifindra, aretin-tsaina, ary fandidiana. Mizaha marary isa-maraina ny mpitsabo sy ny mpianatra ho dokotera, ary milaza ny fanafody sy sakafo ilain’ny marary. Nisy mpivaro-panafody koa tao amin’ny hopitaly. Nisy mpiasa nandrakitra an-tsoratra an’izay rehetra natao, nanara-maso ny fandaniana sy ny fikarakarana sakafo, ary nanao asa hafa, toy ny amin’izao ihany.

Nantsoin’ny mpahay tantara hoe “anisan’ny nisongadina indrindra tamin’ny zava-bitan’ny Silamo tamin’ny taona 500 ka hatramin’ny 1500” ny hopitaly. Hoy i Howard Turner, mpanoratra sady mpahay tantara: “Nandroso be ny hopitaly tamin’izany ary misy heriny eo amin’ny fikarohana ara-pitsaboana sy ny fikarakarana marary ankehitriny izany fandrosoana izany.”

Teo koa i RHAZÈS, izay teraka tao Rayy, any akaikin’i Téhéran ankehitriny, tamin’ny taona 850 tany ho any. Nantsoina hoe “ilay dokotera niavaka indrindra teo amin’ny Silamo sy tamin’ny androny” izy. Nosoratany tamin’ny boky ny fomba fanaovany fikarohana, ny fitsipika narahiny, ny fitaovana nampiasainy, ary ny vokatry ny fikarohany, mba hahasoa an’ireo dokotera hafa. Nilaza izy fa tokony haharaka ny fandrosoana farany eo amin’ny fitsaboana ny dokotera rehetra.

Nahavita zavatra maro i Rhazès. Anisan’ny asa soratra momba ny fitsaboana niavaka, ohatra, ilay bokiny hoe Al-Hawi, izay misy boky 23. Voalaza fa io boky io no voalohany manazava momba ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana, ny aretina mpahazo ny vehivavy, ary ny fandidiana maso. Nanoratra boky 56 momba ny fitsaboana izy, ary anisan’ny nohazavainy tao ny momba ny nendra sy ny kitrotro. Izany no fanazavana tranainy indrindra momba an’ireo aretina ireo nefa hita hoe marim-pototra. Hitan’i Rhazès koa fa miady amin’ny aretina ny vatan’ny olona iray matoa izy manavy.

Nanana hopitaly izy tao Rayy sy Bagdad ary nitsabo aretin-tsaina. Izy àry no nahita voalohany ny psikolojia sy ny fitsaboana aretin-tsaina. Nanoratra boky momba ny simia, astronomia, matematika, filozofia, ary teolojia koa izy.

Mpitsabo nahay koa i AVICENNE, avy any Boukhara, any Ouzbékistan ankehitriny. Anisan’ny dokotera, filozofa, astronoma, ary mpahay matematika niavaka indrindra tamin’ny taonjato faha-11 izy. Izy no nanoratra an’ilay rakipahalalana hoe Fitsipika Mifehy ny Fitsaboana, izay nisy ny fanazavana rehetra momba ny aretina sy fitsaboana tamin’izany.

Resahin’i Avicenne ao amin’io boky io fa mety hifindra amin’ny alalan’ny rano na ny vovoka ny aretina, misy vokany eo amin’ny fahasalamana ny fihetseham-po, areti-mifindra ny tioberkilaozy, ary ny selam-pitatitra no mampita fanaintainana sady mampihetsika ny hozatra. Miresaka fomba fanamboarana fanafody  760 eo ho eo io boky io, ka hazavainy ao ny fiasan’ilay fanafody, ny aretina sitraniny, ary ny toe-javatra ahafahana mampiasa azy. Hazavainy ao koa izay tokony hatao rehefa manandrana fanafody vaovao. Nadika tamin’ny fiteny latinina izy io ary nampiasaina tany amin’ny sekoly fianarana mitsabo tany Eoropa, nandritra ny taonjato maro.

Sora-tanana arabo ahitana fitaovam-pandidiana noforonin’i Albucasis

Niavaka koa i ALBUCASIS. Niaina tamin’ny taonjato fahafolo izy, ary avy any Andalousie, any Espaina. Nanoratra fitambarana boky 30 izy, ary mahatratra 300 pejy ny fanazavany momba ny fandidiana. Nohazavainy, ohatra, ny fampiasana kofehy vita amin’ny tsinaim-biby mba hanjairana ny any anaty. Eo koa ny fandidiana tiroida sy fanesorana katarakta ary ny fampiasana fitaovana atsofoka ao amin’ny fantson’amany mba hanesorana vato ao amin’ny tatavia.

Nahita “fomba fitsaboana vaovao” i Albucasis, toy ny fanampiana olona saro-piterahana sy ny fitsaboana taolan-tsoroka mipitsoka. Izy koa no voalohany nampiasa platra mba hanitsiana taolana, sy nampiasa landihazo mba hitsaboana ratra. Nohazavainy koa ny fomba famerenana nify nitsoaka, ny fanamboarana solonify, fanitsiana nify tsy milahatra, ary ny fanesorana tasy amin’ny nify.

Ny asa soratr’i Albucasis no niresaka voalohany momba ny fitaovam-pandidiana. Nisy sarina fitaovana fandidiana 200 teo ho eo tao,  ary nohazavainy hoe rahoviana sy ahoana no ampiasana azy ireo. Efa niova kely ny sasany amin’ireo fitaovana ireo, tao anatin’ny arivo taona.

Avicenne, manara-maso ny fanamboarana fanafody nendra

Tonga hatrany Eoropa ireo asa soratra

Nanomboka nadika ireo asa soratra arabo momba ny fitsaboana, tamin’ny taonjato faha-11 sy faha-12. Nadika ho amin’ny teny latinina izy ireny, indrindra tany Tolède, any Espaina, ary tany Mont Cassin sy Salerne, any Italia. Nianaran’ny dokotera mpianatry ny oniversite izy ireny, tany amin’ireo firenena nampiasa teny latinina tany Eoropa. Hoy i Ehsan Masood, mpanoratra momba ny siansa: “Nandritra ny taonjato maro taorian’izay, dia tonga tany Eoropa” ireo fanazavana momba ny fitsaboana tany amin’ny firenena arabo. “Ny asa soratra momba ny fitsaboana angamba no niely kokoa noho ny asa soratra hafa avy amin’ny manam-pahaizana silamo.”

Afaka milaza àry isika fa nandova ny zavatra hitan’ireo mpitsabo tena nahay fahiny, toa an-dry Rhazès sy Avicenne ary Albucasis, ny mpitsabo amin’izao andro izao.