Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Septambra 2012

Maro no Matahotra Fara Andro

Maro no Matahotra Fara Andro

TSY ireo tantara noforomporonina voaresaky ny lahatsoratra teo aloha ihany no mampanahy ny olona. Matahotra koa izy ireo sao tsy ho ampy ny rano sy sakafo, satria mitombo be ny mponina. Eo koa ny olana ara-toe-karena eran-tany, ny hetraketraky ny natiora, ny areti-mifindra, na ny ady niokleary. Mety hiteraka fahavoazana eran-tany ve izy ireny?

Maro ny zavatra eritreretin’ny olona fa hahatonga ny fara andro. Tsy hoe hahafaty ny olon-drehetra eto an-tany daholo akory izy ireny, fa mety handripaka ny mponina ao amin’ny faritra iray. Andeha isika handinika ny sasany aminy.

 Volkano Mahery Vaika

Namono olona 700 mahery ny Volkano Pinatubo tany Philippines, tamin’ny 1991, ary olona 100 000 teo ho eo no tra-boina. Tonga hatrany amin’ny 30 kilaometatra any ambony any ny lavenon’ilay volkano. Be dia be ny voly tototra sy tafon-trano nianjera, rehefa nirotsaka izy ireo. Nanova ny toetrandro nandritra ny taona maro ny Volkano Pinatubo sy ny volkano hafa mitovy aminy.

Mety hisy volkano mahery vaika hipoaka, toy ireo nitranga fahiny ela be. Hihoatra lavitra noho ny an’ny volkano mahazatra ny heriny sady hanimba zavatra be lavitra. Tsy vitan’izany fa hanova ny toetrandro eran-tany izy ireny ka ho simba ny vokatra, tsy ho ampy ny sakafo, ary maro no ho mosarena.

“Mamono ny zavamaniry sy biby eny amin’ny manodidina ny volkano mahazatra. Ny zavamananaina rehetra kosa no mety ho lany tamingana raha volkano mahery vaika no mipoaka, satria hiova be ny toetrandro eran-tany.”—“Vaovao Momba ny Tany” (anglisy).

Planeta Kely

Nipetraka teo anoloan’ny fivarotana iray tany Vanavara, any Siberia, ny lehilahy iray, indray maraina, tamin’ny 1908. Nisy zavatra nipoaka be ka nipitika avy teo amin’ny sezany izy. Noheveriny fa nirehitra ny akanjony satria nahamay be. Tany amin’ny 60 kilaometatra niala teo no nisy an’ilay zavatra nipoaka. Nisy planeta kely nilatsaka mantsy teto an-tany. Nilanja 100 000 taonina teo ho eo izy io ary nirefy 35 metatra ny savaivony. Mafy be ny hafainganam-pandehany rehefa nitsofoka tao amin’ny atmosfera, ka lasa nahamay be izy io ary nipoaka. Namoaka angovo avo 1 000 heny noho ny angovo navoakan’ilay baomba tany Hiroshima izy io, ary 2 000 kilaometatra toradroa amin’ny toerana misy ala any Siberia no simba. Mazava ho azy fa hanimba zavatra betsaka kokoa ny planeta lehibe kokoa noho io. Hidadasika kokoa ny toerana may ary hidina be tampoka ny mari-pana eran-tany, ka ho maro ny zavamananaina lany tamingana.

“Efa imbetsaka no nisy kintana manan-drambo sy planeta kely nidona tamin’ny tany. Nitranga matetika izany taloha, fa mbola hitranga koa amin’ny hoavy. Tsy fantatra fotsiny izay higadonany.”—Chris Palma, mpampianatra momba ny kintana sy planeta, Oniversiten’i Pennsylvanie.

 Fiovan’ny Toetrandro

Miakatra izao ny mari-pana, mikorontana ny toetrandro, mitsonika ny gilasy any amin’ny tendron-tany sy eny an-tendrombohitra, ary maty ny haran-dranomasina sy ireo karazana zavamananaina tena ilaina. Izany, hoy ny mpahay siansa, no porofo fa miova ny toetrandro eran-tany. Tsy mitovy hevitra izy ireo nefa maro no milaza fa izao no mahatonga izany: Rakotra gazy karbonika avy amin’ny setroky ny fiara sy ny indostria ny atmosfera.

Miangona ireny gazy manimba ireny, ka ela vao tafavoaka any ivelan’ny atmosfera ny hafanana avy etỳ an-tany, ary lasa miakatra ny mari-pana. Miova koa ny toetrandro rehefa ripaka ny ala, satria ny hazo no mifoka ny gazy karbonika.

“Milaza ny mpahay siansa maro fa hihamafana foana ny Tany raha mitohy izao fiakaran’ny mari-pana eran-tany izao ary tsy mihena ny gazy karbonika mivoaka. Hampikorontana ny toetrandro izany ary hampiakatra ny haabon’ny ranomasina, ka mety hampidi-doza an’ireo olona maro mipetraka eny amin’ny toerana iva eny amoron-tsiraka.”—“Ahoana no Hiatrehana ny Ampitso?” (anglisy)

Areti-mandringana

Tao anatin’ny roa taona monja, dia nandripaka ny ampahatelon’ny mponina tany Eoropa ny Pesta Mainty, tamin’ny taonjato faha-14. Olona 50 tapitrisa koa, fara fahakeliny, no matin’ny gripa espaniola, teo anelanelan’ny 1918 sy 1920. Tsy niely be ireo aretina ireo satria mbola tsy tena nandroso ny fitaterana. Mitombo be anefa izao ny tanàna ary tsy sarotra ny mankany an-tany hafa, ka hiely haingana eran-tany ny aretina toy ireny, raha sanatria ka miverina.

Tonga ho azy ireny aretina ireny. Lasa mampahatahotra koa anefa izao ny otrikaretina foronin’olombelona. Milaza ny manam-pahaizana fa misy olona vitsivitsy efa ampy traikefa afaka mividy ny zavatra ilainy ao amin’ny Internet, ary manamboatra otrikaretina mahafaty.

“Mbola mampahatahotra ny aretina tonga ho azy. Mety hisy koa anefa olon-dratsy manamboatra otrikaretina [tsy laitram-panafody] na otrikaretina hafa, ary manaparitaka an’izany, ka ho loza ny vokany.”—Foibem-pikarohana Momba ny Fampihorohoroana sy ny Fandripahana Faobe.

 Lany Tamingana ny Karazana Biby sy Zavamaniry Tena Ilaina

Mafy ny manjo ny mpiompy tantely any Etazonia, tato anatin’ny dimy taona. Mamoy ny 30 isan-jatony eo ho eo amin’ny tanteliny izy ireo isan-taona, noho ny aretina mandripaka tantely. Tsy fantatra ny antony fa tsy miverina ao an-tranony intsony ny andian-tantely, ary mitranga eran-tany izany. Tena ilaina anefa ny tantely satria manome maminy sy mamindra ny vovobonin’ireo vokatra tena ilaina, toy ny voaloboka, paoma, saozà, ary landihazo.

Ilaintsika koa ireo zavamaniry bitika any anaty rano. Tsy velona ny trondro raha tsy misy azy ireny. Tsy hisy firy ny vokatra raha tsy eo ny kankana mba hampisy rivotra ao anaty tany. Raha fongotra ireo zavatra tena ilaina ireo, dia tsy hisy ny sakafo ary ho mosarena ny olona ka hahery setra sy hirotaka. Ripaka ny karazam-biby satria simba ny fonenany, maloto ny tontolo iainana, mitombo ny mponina, tafahoatra ny fitrandrahana ny harena voajanahary, ary miovaova ny toetrandro. Ireo no mahatonga ny karazam-biby ho ripaka haingana kokoa, izany hoe avo 1 000 heny noho ny tokony ho izy.

“Eo anelanelan’ny 18 000 sy 55 000 isan-taona ny karazana zavamananaina lany tamingana, noho ny ataon-dRaolombelona.”—Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Fampandrosoana.

Ady Niokleary

Baomba niokleary mipoaka indray mandeha monja dia efa maharava tanteraka tanàna iray. Indroa no nitrangan’izany tamin’ny Aogositra 1945. Mandravarava sy mahafaty ny baomba niokleary rehefa mipoaka, satria mamoaka onjan-drivotra mahery tampoka, miaraka amin’ny hafanana sy afo ary taratra. Manapoizina ny sakafo sy ny rano koa ny taratra mahafaty. Vovoka an-taoniny no misavoana eny amin’ny habakabaka rehefa misy ady niokleary. Tsy tody etỳ an-tany àry ny tara-masoandro ka midina be ny mari-pana eran-tany. Maty ny voly sy ny zavamaniry hafa. Maty mosary koa ny olona sy ny biby. Voalaza anefa fa firenena sivy eo ho eo no manana fitaovam-piadiana niokleary ary firenena vitsivitsy no efa manamboatra. Efa may ny hahazo azy ireny koa ny mpampihorohoro.

“Ny fitaovam-piadiana niokleary no mahery vaika indrindra sy tena atahorana handripaka ny olombelona. ... Mbola misy fitaovam-piadiana niokleary 25 000 eo ho eo eran-tany. ... Hahazo baomba ihany ny mpampihorohoro amin’ny farany.”—Fikambanan’ny Mpahay Siansa Velom-panahiana.