Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JOLAY 2011

Tokony Hofaranana ny Fijaliana!

Tokony Hofaranana ny Fijaliana!

Nisy namono ny rain’i Khieu satria namela ny ombiny handeha teny an-tanin-katsak’olona. Novonoin’ny Khmer Rouge tany Kambôdza ny reniny sy ny anabaviny roa, tatỳ aoriana. Nipoahan’ny vanja milevina koa i Khieu tany anaty ala, ary afaka 16 andro vao nisy namonjy. Tsy maintsy notapahina ny tongony. Hoy izy: “Te ho faty aho.”

VOAMARIKAO angamba fa tsy mifidy hasiana ny fijaliana. Mety hahazo ny olona rehetra any amin’ny toerana rehetra sy amin’ny fotoana rehetra ny hetraketraky ny natiora, aretina, kilema, heloka bevava, ary fahavoazana hafa. Miezaka mafy mba hisoroka, na fara faharatsiny, hanamaivana ny fijaliana ireo fikambanana mpanao asa soa. Inona anefa no vitan’izy ireo?

Diniho, ohatra, ny ady amin’ny hanoanana. Milaza ny Kintani Toronto (anglisy) fa olona maro no tsy manan-kialofana sy mosarena, noho ny hetraketraky ny natiora. Hoy anefa ilay gazety: “Miezaka mampihena ny hanoanana ny fikambanana samihafa, nefa voasakantsakana izany satria mitombo ny herisetra.”

Samy manao izay vitany mba hanamaivanana ny fijaliana ny mpanao politika sy ny mpitsabo ary ny olona ambony eo amin’ny fiaraha-monina. Mandiso fanantenana anefa ny vokatr’izany. Tsy mahafoana ny fahantrana ny ezaka hampiroboroboana ny toe-karena. Tsy mahafoana ny aretina ny vaksiny sy fanafody ary ireo fomba fandidiana arifomba. Tsy afa-manoatra koa ny polisy sy ny mpitandro filaminana manoloana ny herisetra mihamitombo.

Nahoana no maro be no mijaly? Tsy miraharaha an’izay manjo antsika ve Andriamanitra? Nampahery olona an-tapitrisany ny valiny omen’ny Baiboly, araka ny hodinihintsika.