Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
Misy dokotera 1 isaky ny olona 64 000 eo ho eo any Tanzania.—THE CITIZEN, TANZANIA.
‘Olo-mahantra arivo tapitrisa, fara fahakeliny, no tsy ampy sakafo foana. Tsy ho tratra ilay tanjon’ny Firenena Mikambana hoe hampihena be ny isan’ireo mosarena eran-tany, alohan’ny 2015.’—SCIENCE, ETAZONIA.
Tamin’ny 2008, dia nahazo tombony 385 000 000 000 dolara “ireo orinasa 100 lehibe indrindra mpamokatra fitaovam-piadiana.” Nihoatra 39 000 000 000 dolara amin’ny tamin’ny 2007 izany.—FIKAMBANANA IRAISAM-PIRENENA MIKATSAKA FANDRIAMPAHALEMANA ANY STOCKHOLM, SOEDA.
Tsy Ampy Mikraoba Hoe?
Hoy i Thomas McDade, mpampianatra ao amin’ny oniversite iray any Illinois, Etazonia: “Hitanay tamin’ny fandinihana fa tena mora marary ny olon-dehibe iray, raha nadio be sy ara-pahasalamana be ny manodidina azy tamin’izy mbola kely.” Nampitahaina ny ankizy any Philippines sy any Etazonia, ka hita fa mora voan’ny areti-mifindra ny ankizy any Philippines. Tsy araka ny nanampoizana azy anefa fa rehefa lehibe izy ireo, dia kely kokoa ny fatran’ilay proteinina mampiseho ny fisian’ny aretina ao aminy. Inona no dikan’izany? Mety ho voaro kokoa amin’ny aretina mahafaty ny olon-dehibe iray, raha betsaka kokoa ny mikraoba tao aminy tamin’izy mbola kely.
Tsy Mahalala ny Fitsipika Mifehy ny Asa Intsony
Very hevitra ny mpampiasa failandey maro satria toa tsy fantatr’ireo mpitady asa ankehitriny izay tokony hataony mba tsy hahavery asa azy. Hoy i Anne Mikkola, tompona hotely fisakafoana, rehefa nadinadinin’ny fikambanana failandey mpampita vaovao: “Mazàna ireo mpiasa vaovao no mieritreritra fa azo ovaovana ny ora iasana, ary afaka miditra sy mirava amin’ny ora tiany izy.” Olana koa ny momba ny fitondran-tena sy ny fomba fitafy. Matetika no mila asehon’ny mpampiasa ny fitafiana tsy mety, indrindra ho an’ireo mpiasa mifandray mivantana amin’ny olona. Tsy hain’ireo mpiasa vaovao koa ny manavaka ny asany sy ny fiainany manokana. Mitsiditsidika ao am-piasany mantsy ny namany.
“Nilamina” Ilay Ady Tany
Efa ela i Bangladesy sy Inde no niady an’ilay nosikely teo amin’ny Helodranomasin’i Bengale. Nilamina anefa izany noho ny fiakaran’ny ranomasina. Nosy New Moore no ahalalan’ny mponin’i Inde azy, fa Nosy Talpatti Atsimo kosa no ahafantaran’ny any Bangladesy azy. Tsy nihoatra ny 1,9 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina mihitsy izy io. Asehon’ny sary avy amin’ny zanabolana anefa fa tsy ela izay, dia difotra ilay nosy. Hoy i Sugata Hazra, mpampianatry ny oniversite iray mandinika momba ny ranomasina, any Jadavpur, Calcutta: “Nilamina ny olana tsy voavahan’ny firenena roa hatry ny ela, noho ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany.”