Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Ilaina ve ny Torimaso?

Tena Ilaina ve ny Torimaso?

Tena Ilaina ve ny Torimaso?

● Hita tamin’ny fikarohana vao haingana fa matory adiny fito ka hatramin’ny adiny fito sy sasany isan’alina ny mponin’i Amerika Avaratra. * Tena ilaina ve ny torimaso? Misy fizarazarana izy io, ary miverimberina isaky ny adiny iray ka hatramin’ny adiny iray sy sasany ny iray amin’izany, rehefa matory isika. Miasa be ny atidoha amin’io, ary mino ny mpikaroka fa misy fikojakojana ataony. Misy manam-pahaizana milaza fa raha tapa-tory ianao, dia hisy fiantraikany be eo amin’ny vatanao izany. Hisy fiantraikany amin’ny fiasan’ny atidohanao izany ka tsy hahavita zavatra tsara ianao sady hararirary.

Mety hanakana vetivety ny fiasan’ny zavatra simika mahatonga antsika ho te hatory ny zavatra toy ny kafeinina. Ataon’ny atidohantsika matory ihany anefa isika, rehefa tsy ampy torimaso. Izany no mahatonga antsika ho resin-tory kely tampoka. Hoy Ny Kintani Toronto (anglisy): “Ho resin-tory kely mandritra ny folo segondra ka hatramin’ny iray minitra mahery ianao, raha vao hitan’ny atidohanao hoe tsy ampy torimaso, na eo am-panaovana inona na eo am-panaovana inona.” Eritrereto hoe mandeha 48 kilaometatra isan’ora amin’ny fiara ianao ary resin-tory kely folo segondra. Efa nahavita halaviran-dalana toy ny halavan’ny kianja filalaovam-baolina ianao amin’izay. Hihamarefo koa ny hery fanefitra ao aminao raha tsy matory ianao, satria rehefa matory ny vatana no mamokatra sela miady amin’ny aretina. Mamokatra an’ilay hormonina mifehy ny fahazotoan-komana koa ny vatana rehefa matory. Mila torimaso tokoa ny vatana, toy ny ilany fanatanjahan-tena sy sakafo ampy.

Manao asa fanampiny ve ianao ka lasa tsy ampy torimaso? Sa ianao be fanahiana sy mieritreritra be momba an’izay nangoninao ho fitsinjovana ny hoavy? Hoy i Solomona, ilay mpanjaka hendry: “Mamy ny torimason’ny mpanompo, na kely na be ny sakafony, fa ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory.”—Mpitoriteny 5:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Jereo ilay hoe “Ampy Torimaso ve Ianao?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 2004.