Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Temimaso

Ny Temimaso

Nisy Namorona Ve?

Ny Temimaso

● Misy temimaso ao amin’ny mason’ny olombelona. Toy ny fonon-javatra manify izy io ary misy sela 120 tapitrisa eo ho eo mpandray hazavana ao aminy. Ireo sela ireo no manova ny hazavana, ka lasa sary ilay izy rehefa tonga any amin’ny atidoha. Milaza ireo mino ny evolisiona (fiovana miandalana) fa tsy nisy namorona ny maso rehefa jerena ny toeran’ny temimason’ny biby manana taolan-damosina.

Diniho izao: Mivadika ny temimason’ny biby manana taolan-damosina, ka ao aorian’ny temimaso ireo sela mpandray hazavana. Tsy maintsy mandalo sosona sela maromaro ny hazavana, vao tonga any amin’ny sela mpandray hazavana. Nilaza i Kenneth Miller, mpikaroka mino ny evolisiona, fa “mahatonga ny hazavana hiparitaka izany, ka lasa tsy mahita tsara noho ny tokony ho izy isika.”

Milaza àry ireo mino ny evolisiona fa zara raha vita ilay temimaso mivadika, na tsy nisy namorona mihitsy. Nisy mpahay siansa nilaza aza fa “mikorontana ambony ambany” izy io. Asehon’ny fikarohana tatỳ aoriana anefa fa mety tsara ny toeran’ireo sela mpandray hazavana, satria eo akaikin’ny fonon-tsela mpanome loko, izay manome oksizenina sy zavatra mahavelona tena ilaina mba hahitana tsara. Milaza i Bergman, mpikaroka momba ny zavamananaina, sy Joseph Calkins, mpitsabo maso, fa “tena hikorontana ny zavatra hitan’ny maso raha eo alohan’ny temimaso ny toeran’ilay fonon-tsela.”

Mety tsara amin’ny biby manana taolan-damosina ilay temimaso mivadika, indrindra raha kely ny masony. Hoy i Ronald Kröger, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Lund, any Soeda: “Tsy maintsy misy elanelana ny family sy ny sela mpandray hazavana mba hahazoana sary mazava tsara. Feno selam-pitatitra io elanelana io, ho an’ny biby manana taolan-damosina. Tsy verivery fotsiny àry ilay elanelana.”

Haingana sady marina tsara koa ny fiovan’ny hazavana ho sary, satria feno selam-pitatitra ny temimaso sady eo akaikin’ny sela mpandray hazavana ireo selam-pitatitra ireo.

Ahoana ny hevitrao? Tsy misy dikany sy tongatonga ho azy ve ny temimaso, sa nisy namorona?

[Kisary, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

Sela mpandray hazavana

Hazavana

Fonon-tsela mpanome loko

Hazavana

Temimaso

Hozatra fitatijery