Hahavita Hampihavana ny Olona ve ny Fivavahana?
Hahavita Hampihavana ny Olona ve ny Fivavahana?
“ANDAO hofoanantsika ny fivavahana, dia ho tsara kokoa ny tontolontsika.” Izany no nolazain’i Floris van den Berg, filozofa holandey, tao amin’ilay famelabelarana hoe “Nahoana no Tokony Hofoanana ny Fivavahana ary Ahoana no Hanaovana Izany?” Mampirisika ny hanafoanana ny fivavahana koa ny manam-pahaizana samihafa eran-tany.
Hoy i Steven Weinberg, mpahay fizika nahazo loka Nobel: “Efa ela izao tontolo izao no voafitaky ny fivavahana ka tokony ho tonga saina amin’izay.” Nalaza, tato ho ato, ilay hoe tena hihena ny faharatsiana raha foanana ny fivavahana. Miely patrana sy be mpitia ny boky manaratsy fivavahana.
Nivory ny mpahay siansa mba handinika zavatra noheverin’izy ireo fa nilaina maika, dia ny hanafoanana ny fivavahana. Olona maro tsy mino an’Andriamanitra no mampiseho ny fankahalany fivavahana, amin’ny fampitam-baovao. Mety ve ny ataon’ireny olona hajaina ireny?
Misy ve ny fivavahana marina?
Toa rariny ny hanafoanana ny fivavahana raha diso daholo ny fivavahana ary tsy misy Andriamanitra. Ahoana anefa raha misy Andriamanitra? Ahoana raha misy fivavahana marina ahitana olona tena misolo tena azy?
Hita avy amin’ny fandinihana ny tantaran’ny fivavahana fa misy fivavahana iray tena tsy mitovy amin’ny hafa rehetra. Olom-bitsy no manaraka azy io ankehitriny. Tsy ny fivavahana narahin’ireo milaza azy ho Kristianina nandritra ny taonjato maro anefa izy io, fa ilay naorin’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny.
Inona no tsy mampitovy ny fivavahana marina naorin’i Jesosy Kristy amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina? Be dia be, fa ny iray ihany no hojerentsika.
“Tsy anisan’ity tontolo ity”
Tsy nanao politika mihitsy ny Kristianina voalohany, toa an’i Jesosy. Milaza ny Baiboly fa indroa i Jesosy, fara fahakeliny, no nanda mafy tsy hatao mpitondra. (Matio 4:8-10; Jaona 6:15) Noteneniny mafy aza ny mpianany satria te hampiasa herisetra izy ireo mba tsy hisamborana azy.—Matio 26:51, 52; Lioka 22:49-51; Jaona 18:10, 11.
Nazava ny valin-tenin’i Jesosy rehefa nanontany azy momba izay tiany hatao eo amin’ny politika ny governora romanina. Hoy izy: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Mazava àry fa tsy nanao politika na niditra tamin’ny tafika tamin’ny androny i Jesosy.
Izany koa no nataon’ny mpianatr’i Jesosy. Nodinihin’ireo mpikaroka voaresaka tany aloha ny anjara asan’ny fivavahana rehefa misy ady. Toy izao no fanazavan’izy ireo: “Tsy niady ny Kristianina voalohany. ... Tsy nety niditra tao amin’ny tafika sy hiady ny ankamaroan’ny Kristianina.” Nampianarin’i Jesosy sy ny apostoliny ny olona, mba ho tia ny namany, anisan’izany ny olon-tsy fantatra sy ireo tsy mitovy fiaviana sy volon-koditra aminy. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Jakoba 3:17) Nampihavana ny olona tokoa izany fivavahana izany.
Voaloto ny fampianaran’ny Kristianina tany am-boalohany, noho ny filozofia sy lovantsofina ary fanindrahindram-pirenena, izay samy mampisaratsaraka. Hoy ny valin’ilay
fikarohana, voaresaka tany aloha: ‘Rehefa lasa Kristianina i Constantin [mpanjaka romanina], dia lasa nanao miaramila ny Kristianina, ka ny tanjon’ny Mpanjaka no nibaiko azy ireo fa tsy ny fampianaran’i Kristy intsony. Nampirisika ny olona hangoraka ny hafa ny fampianaran’i Kristy. Ny handresy tany vaovao sy hampanjaka ny firehan-keviny ara-politika kosa no tanjon’ny Mpanjaka. Tsy maintsy nitady antony ara-pivavahana hanamarinana ny ady ny Kristianina sy ny Mpanjaka.’ Niforona àry ny Fivavahana Kristianina sandoka.Antokon’olona “miavaka”
Tsy very tanteraka anefa ilay Fivavahana Kristianina tany am-boalohany. Tsy toy ny mpivavaka hafa ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tena manahaka an’ireo Kristianina voalohany. Tsy misy ifandraisan’izy ireo amin’ny fivavahana hafa milaza azy ho Kristianina. Milaza Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy) fa “miavaka” izy ireo satria ny zavatra inoany rehetra dia ataony mifototra ‘amin’ny Baiboly izay ambony lavitra noho ny lovantsofina.’
Tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ireo Kristianina voalohany. Milaza ny gazety navoakan’ny Akademia Iokrenianina Momba ny Siansa fa miezaka ny tsy hanavakavaka ny Vavolombelon’i Jehovah, na inona na inona firazanan’ny olona, na fireneny, na fivavahany, na sarangany, na fari-piainany. Milaza koa io gazety io fa tsy mandray anjara amin’ny “hetsika ataon’ireo manongam-panjakana” ny Vavolombelon’i Jehovah, ary “olom-pirenena mpankatò ny lalàn’ny taniny.”
Hoy i Wojciech Modzelewski, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Varsovie, any Polonina: “Ny Vavolombelon’i Jehovah no antokon’olona lehibe indrindra tsy mety miady, eran-tany.” Manaraka akaiky ny modely navelan’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izy ireo, ka azo lazaina hoe tena nahavita namerina an’ilay fivavahana naorin’i Kristy sy ny apostoliny. Io tokoa no Fivavahana Kristianina mahavita mampihavana.—Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy manaraka.
Hoavy mahafinaritra
Rikoriko amin’ny fihatsarambelatsihin’ny fivavahany ny mpivavaka tso-po maro, ary misy amin’izy ireny aza mpitondra fivavahana. Mendri-koderaina anefa ireo mpivavaka maro mazoto mikatsaka ny fihavanana sy firaisan-tsaina eran-tany.
Tsy mahavita mamaha ny olana eran-tany anefa ny olombelona, na tso-po toy inona aza. Hoy i Jeremia mpaminany: “Tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.”—Jeremia 10:23.
Mahavelom-panantenana anefa ny hoavy. Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa hisy fitambaran’olona tia fihavanana eto an-tany, ary tena hifankatia izy ireo. Hiray saina ny olona avy amin’ny firenena rehetra amin’izay, ka tsy hozarazarain’ny sisin-tany, na adim-poko, na
hevitra ara-pivavahan tsy mitovy. Ny fivavahana madio amin’i Jehovah Andriamanitra no hampiray saina azy ireo.Milaza mialoha koa ny Baiboly fa hofoanana ny fivavahana manala baraka an’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Ho foana izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na ankohonana miady an-trano.” (Matio 12:25) Tsy ho ela dia hotanterahin’Andriamanitra amin’ny fivavahan-diso rehetra ireo teny ireo.
Efa ela ny Baiboly no nilaza fa “hamoaka didim-pitsarana eo amin’ireo firenena” Andriamanitra, ka “hanitsy izay tsy mety.” Milaza koa io faminaniana io fa ‘hanefy ny sabany ho angadinomby ireo vahoaka, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.’ (Isaia 2:4) Tanteraka io faminaniana io ankehitriny, satria efa mampihavana ny olona ny fivavahana marina, izay arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 8]
Mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah
[Efajoro, pejy 9]
Inona no Mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah?
Gaga ny olona maro rehefa mahafantatra hoe tena tsy mitovy amin’ny fivavahana hafa rehetra milaza ho manara-dia an’i Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireto ny zavatra sasany tsy itovizany amin’ny hafa:
FIRAFITRA
● Tsy misy mpitondra fivavahana eo aminy.
● Tsy karamaina ny mpiandraikitra sy mpampianatra ary misionerany.
● Tsy mitaky ampahafolon-karena na mitanty rakitra izy ireo any amin’ny toeram-pivavahany, antsoina hoe Efitrano Fanjakana.
● Fanomezana avy amin’olona tsy mitonona anarana no hanohanana ny asany rehetra.
● Tsy manao politika mihitsy izy ireo.
● Mitory fihavanana izy ireo ary tsy mandray anjara amin’ny ady.
● Mitovy ny zavatra inoany avy ao amin’ny Baiboly. Miray saina àry izy ireo, eran-tany.
● Tsy misaratsaraka izy ireo na dia samy hafa aza ny fari-piainany, ny fokony, ny fireneny, ary ny sarangany.
● Tsy misy ifandraisan’izy ireo amin’ny fivavahana hafa, toy ny Katolika na Ortodoksa na Protestanta.
FOTO-PINOANA
● Mino izy ireo fa iray ihany ny tena Andriamanitra, ary Jehovah no anarany.
● Mino izy ireo fa tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy Kristy. Tsy mino ny Andriamanitra telo izay iray izy ireo.
● Arahiny ny fampianaran’i Jesosy, ary hajainy izy satria Zanak’Andriamanitra.
● Tsy mankamasina lakroa izy ireo, ary tsy mampiasa sary masina rehefa mivavaka.
● Mino izy ireo fa tsy misy ny afobe mirehitra izay handefasana ny ratsy fanahy aorian’ny hahafatesany.
● Mino izy ireo fa hotahin’Andriamanitra ny olombelona mankatò ary hataony lavorary sy hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany.
Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa vitan’izy ireo ny namerina an’ilay Fivavahana Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, izay narahin’ny apostolin’i Jesosy.
[Sary, pejy 8]
Serba sy Bosniaka ary Kroaty