Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve ny Mivavaka Amin’ny “Olo-masina”?

Mety ve ny Mivavaka Amin’ny “Olo-masina”?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mety ve ny Mivavaka Amin’ny “Olo-masina”?

Katolika nafana fo i Marie sy Theresa, ary samy nino ny “olo-masina.” Nino i Marie fa afaka nangataka fanampiana tamin’izy ireny izy. Toy izany koa i Theresa. Nivavaka tsy tapaka tamin’ny “olo-masina” mpiaro ny tanànany izy, sady nivavaka tamin’ny “olo-masina” nangalana ny anarany.

TOA an’i Marie sy Theresa ny olona an-tapitrisany eran-tany. Mivavaka amin’ny “olo-masina” izy ireo mba hahazoana fitahiana. Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): “Mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona ny olo-masina. Tena ilaina ny mivavaka amin’izy ireny mba hahazoana fitahiana amin’Andriamanitra.”

Ary ahoana ny hevitr’Andriamanitra? Ekeny ve raha “olo-masina” no ivavahantsika, ka ataontsika mpanelanelana antsika amin’Andriamanitra? Diniho izay lazain’ny Baiboly.

Tokony hivavaka amin’ny “olo-masina” ve?

Tsy nisy mpanompon’Andriamanitra nivavaka tamin’ny “olo-masina” voatantara ao amin’ny Baiboly. Milaza ilay rakipahalalana teo fa “tamin’ny taonjato fahatelo”, izany hoe efa 200 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Kristy, “vao tena nanomboka nekena ny hoe ilaina ny olo-masina mba ho mpanelanelana.” Tsy avy amin’i Jesosy àry io fampianarana io, sady tsy avy amin’ireo mpanoratra ny Baiboly nahazo ny herin’ny fanahy masina, izay nanoratra momba ny fanompoan’i Jesosy. Nahoana izy ireo no tsy nampianatra izany?

Mampianatra antsika ny Baiboly hoe Andriamanitra ihany no tokony hivavahantsika, ary atao amin’ny anaran’i Jesosy izany. Hoy mantsy i Jesosy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6, Fandikan-teny Katolika) Mifanaraka amin’ny fampianarany ao amin’ny Matio 6:9-13 izany. Hoy izy: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!...’ ” (Matio 6:9) Hita araka izany fa ilay Raintsika any an-danitra ihany no tokony hivavahana. Manaporofo an’izany ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny vavaka.

Fanompoam-pivavahana ny vavaka

Hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Ny vavaka dia teny na hevitra feno fanajana lazaina amin’Andriamanitra na amin’ny zavatra hafa ivavahana. ... Anisan’ny tapany lehibe amin’ny fanompoam-pivavahana ny vavaka, amin’ny ankamaroan’ny fivavahana eran’izao tontolo izao.” (Izahay no manao sora-mandry.) Raha izany no izy, mety ve ny mivavaka amin’olona na zavatra hafa ankoatra an’ilay Mpamorona sy Mpanome aina antsika? (Salamo 36:9) Nilaza i Jesosy fa “ny tena mpivavaka”, dia ‘mivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana’, satria ‘olona toy izany no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.’ (Jaona 4:23) Milaza koa ny Baiboly fa “mitaky ny hanompoana azy irery ihany” ilay Mpamorona antsika.—Deoteronomia 4:24; 6:15.

Diniho izay nitranga tamin’ny apostoly Jaona. Voalaza ao amin’ny Apokalypsy fa nahita fahitana nahavariana izy. Talanjona izy ka “niankohoka hivavaka teo an-tongotr’ilay anjely” nampiseho an’ilay fahitana. Nilaza taminy anefa ilay anjely hoe: “Tandremo! Aza manao izao! Fa mpanompo toa anao ihany aho, ary mpanompo toa an’ireo rahalahinao ... Andriamanitra no ivavaho.” (Apokalypsy 22:8, 9) Hamafisin’ny Baiboly eo indray fa i Jehovah Andriamanitra ihany no tokony hivavahantsika.

Andriamanitra irery no antsoina hoe “Mpihaino vavaka”, ary mifanaraka tsara amin’izay efa voalaza teo izany. (Salamo 65:2) Izy koa no Mahery Indrindra, ka izy irery no manana fahefana, sy fahendrena, ary hery hamaliana ny vavaka ataontsika, raha mbola mifanaraka amin’ny sitrapony ny fangatahantsika. (Joba 33:4) Na i Jesosy aza tsy toy izany. Niaiky izy fa voafetra ihany ny zavatra vitany. (Matio 20:23; 24:36) Na izany aza anefa, dia nomena fahefana lehibe i Jesosy, anisan’izany ny hoe ho Mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona.

Mpanelanelana mangoraka

Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy: “Mahavonjy tanteraka an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany koa izy, satria velona mandrakariva mba hiangavy ho an’ireo.” (Hebreo 7:25) Afaka ny ho Mpanelanelana mangoraka àry i Jesosy, raha “manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany” ny olona. Tsy midika akory izany hoe tokony hivavaka amin’i Jesosy isika, ka izy avy eo no handefa ny vavaka ataontsika any amin’Andriamanitra. Midika kosa izany hoe mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesosy isika. Manaiky ny fahefana ananan’i Jesosy isika raha manao izany. Nahoana no mety tsara ny hoe i Jesosy no atao Mpanelanelana?

Efa niaina tetỳ an-tany izy, ka takany tsara ny fijaliana mahazo ny olona. (Jaona 11:32-35) Nasehony tamin’ny zavatra nataony koa hoe tiany ny olona. Nositraniny ny marary, natsangany ny maty, ary nampiany hahalala an’Andriamanitra izay olona nanatona azy. (Matio 15:29, 30; Lioka 9:11-17) Namela heloka mihitsy aza izy. (Lioka 5:24) Manome toky antsika izany fa raha manota isika, dia ‘manana mpanampy any amin’ny Ray, dia i Jesosy Kristy, ilay marina.’—1 Jaona 2:1.

Tokony hiezaka ho be fitiavana sy hangoraka toa an’i Jesosy koa isika. Marina fa tsy afaka ny ho Mpanelanelana toa azy isika. Afaka mivavaka ho an’ny hafa anefa isika raha manana fitiavana. Hoy i Jakoba: “Mifampivavaha. ... Misy heriny lehibe sady tena misy vokany ny fitalahoan’ny olo-marina.”—Jakoba 5:16.

Nahafantatra ny fahamarinana sarobidy noresahintsika teo i Marie sy Theresa rehefa nandinika ny Baiboly. Manasa anao hanao toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza mantsy i Jesosy fa ‘tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana izay mivavaka amin’Andriamanitra.’—Jaona 4:24.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Iza ihany no tokony hivavahantsika hoy i Jesosy?—Matio 6:9.

● Inona no anjara asan’i Jesosy? —Hebreo 7:25.

● Afaka mivavaka ho an’ny hafa ve isika?—Jakoba 5:16.