Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao ve Ilay Biby Mpikiky any Alpes?

Fantatrao ve Ilay Biby Mpikiky any Alpes?

Fantatrao ve Ilay Biby Mpikiky any Alpes?

Nandre sioka mafy aho. Toy ny siokan’ankizilahy miantso ny namany ilay izy, saingy mafy kokoa. Nanako eran’ny tendrombohitra ilay feo ary tsy fantatra hoe avy aiza. Nahita biby volomboloina kely nitsoriaka nankao amin’ny lavaka teo akaiky teo aho, avy eo. Nojereko haingana ny bokiko. Tena marmôta tokoa ilay hitako sy reko.

NIHANAHALALA an’ireo biby mpikiky volomboloina ireo aho, ny andro vitsivitsy manaraka. Lasa fantatro ny vato fitaninany andro, sy ny lavaka tena fipetrahany, ary izay ataony mba hahavelomana, na dia sarotra iainana aza eny amin’ny faritra avo misy azy.

Mahay miara-miasa sy mailo

Tsy mora amin’ny marmôta ny fiainana any amin’ny kijanan’i Alpes. Mangatsiaka any rehefa ririnina, ary mety ho rakotra lanezy mandritra ny volana maromaro ny fonenany. Misy biby sy vorona mihaza azy ireo koa. Mila mahay miara-miasa sy mandamina mialoha sady mailo foana àry izy ireo.

Tsy misara-mianakavy ny marmôta, ka matetika no miara-mipetraka amin’ny zanany ny mpivady. Maromaro ny lavaka ampiasain’ny fianakaviana tsirairay. Ny iray ipetrahana ary ny hafa isitrihana rehefa misy loza. Mandavaka any amin’ireo lava-bato any ambany vatolampy izy ireo indraindray. Mety tsara hanaraha-maso ny manodidina sy hitaninana andro ireny vato ireny.

Tena madio koa ny marmôta. Madio foana ny lavaka ipetrahany, satria tsy atambany amin’ny toeram-pivoahany. Misy toerana malalaka asiany bozaka any amin’ny farany anatiny amin’ny lavaka ipetrahany. Toerana mety tsara mba hiterahany izy io, sady mafana tsara ka azon’izy ireo itampifiana rehefa matory mandritra ny ririnina.

Ny miambina angamba no asa tena tsy maintsy ataon’ny marmôta. Miambina ny marmôta lehibe iray rehefa mitady sakafo ny hafa. Mijoro amin’ny tongony izy indraindray mba hahitany tsara ny manodidina, sao misy loza. Ny voromahery sy ny fosa ary ny olombelona no tena fahavalon’izy ireo. Mandefa feo fampitandremana ilay mpiambina raha vao mahatazana an’ireo, na mahita vorona mpihaza. Mahagaga fa hafa mihitsy ny feo fampitandremana rehefa misy voromahery, izay vorona tena tia mihaza marmôta. Miafina haingana ny marmôta raha vao mandre feo fampitandremana, ka vetivety dia tsy misy tazana.

Mila mankatò izy ireo raha tsy te ho faty, indrindra fa ny zanany, izay tena tian’ny voromahery volombolamena. Mitsoriaka haingana ao amin’izay lavaka eo akaikiny ilay mpiambina sy ny marmôta hafa, rehefa tena mananontanona ny loza. Mitsikilo kely ilay mpiambina rehefa afaka minitra vitsivitsy, mba hijery raha tsy misy atahorana intsony.

Mangatsiatsiaka foana ary matory tsara

Be ahi-maitso hohanina any amin’ireo tehezan-tendrombohitra avo fonenan’ny marmôta, ary antonony tsara ny hafanana amin’ny fahavaratra. Mitanina andro eny ambony vato ny marmôta rehefa mangatsiaka. Tsy mety amin’izy ireo ny hafanana tafahoatra, satria tsy azony esorina ny volony. Mazàna àry izy ireo no mavitribitrika kokoa amin’ny mangiran-dratsy sy ny takariva.

Tsy manahirana an’ireo marmôta any Alpes ny tsy fahitan-tory. Enim-bolana eo ho eo izy ireo no matory. Misy aza karazana marmôta matory mandritra ny sivy volana. Mihamiadana ny fitepon’ny fon’ny marmôta any Alpes rehefa matory amin’ny ririnina izy ireo, ka lasa indray mandeha na indroa isa-minitra izany. Midina ho dimy degre eo ho eo koa ny hafanan’ny vatany. Mazava ho azy fa tsy misakafo izy ireo mandritra izany fotoana izany, ka mila miomana. Misakafo be izy ireo mandritra ny fahavaratra sy eo am-piandohan’ny fararano, mba ho ampy mandritra ny ririnina ny tahirin-tavy ao aminy.

Tia milalao ny zanaka marmôta, ka matetika izy ireo no mifanenjikenjika. Nahita zanaka marmôta telo nisangisangy sy nikodiadia teny amin’ny tehezan-tendrombohitra aho. Mifandona orona ny marmôta rehefa mifampiarahaba. Mifanadio koa ny mpianakavy, ary mifampitakoko mba hampahafana azy, mandritra ny ririnina mamirifiry.

Mitsinjo vody andro ho merika ny marmôta ary mailo amin’ny loza. (Joba 12:7) Mety ho afaka hiana-javatra ny olombelona rehefa mandinika an’ireny biby mpikiky ireny.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Anisan’ny mahatonga ny tehezan-tendrombohitra maitson’i Alpes hahafinaritra ny marmôta. Manaporofo ny fahendren’ny Mpamorona koa ny fiaraha-miasan’izy mianakavy.—Salamo 50:10

[Teny notsongaina, pejy 12]

Miambina ny marmôta lehibe iray, rehefa mitady sakafo ny hafa