Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ela Velona Tokoa ve Izy Ireo?

Ela Velona Tokoa ve Izy Ireo?

Ela Velona Tokoa ve Izy Ireo?

Araka ny Baiboly, dia velona 930 taona i Adama, ary 912 taona i Seta. Velona 969 taona kosa i Metosela, izany hoe arivo latsaka 31 fotsiny! (Genesisy 5:5, 8, 27) Mitovy amin’ny herintaona ankehitriny ve ny herintaona tamin’izany, sa fotoana fohy kokoa mitovy halava amin’iray volana, araka ny heverin’ny sasany?

Hamarinin’ny porofo maro ao amin’ny Baiboly, fa taona mitovy halava amin’ny ankehitriny ireo taona ireo. Diniho izao: Ho mbola kely loatra ireto lehilahy voalaza eto ambany ireto dia efa niteraka, raha mitovy halava amin’ny iray volana ankehitriny ny herintaona fahiny. Talohan’ny fahenin-taonany, ohatra, i Kenana dia efa niteraka, ary i Mahalalila sy Enoka taoriana kelin’ny fahadimy taonany.—Genesisy 5:12, 15, 21.

Ankoatra izany, dia nahay nanavaka ny andro sy volana ary taona ny olona velona tamin’izany. (Genesisy 1:14-16; 8:13) Manampy antsika hamantatra ny halavan’ny iray volana fahiny ny fitantaran’i Noa tamin’ny an-tsipiriany ny zava-nitranga fahiny sy ny fotoana nisehoany. Rehefa ampifandraisina ny Genesisy 7:11, 24 sy ny Genesisy 8:3, 4, dia hita fa mira 150 andro ny dimy volana, manomboka ny andro faha-17 amin’ny volana faharoa ka hatramin’ny andro faha-17 amin’ny volana fahafito. Midika izany fa nampiasa volana iray nisy 30 andro i Noa, ary 12 volana no herintaona.—Genesisy 8:5-13.

Ahoana anefa no nahaveloman’ny olona 900 taona na maherin’izany? Milaza ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra ho velona mandrakizay ny olona, ary ny fahotan’i Adama no nahatonga ny tsy fahalavorariana sy ny fahafatesana. (Genesisy 2:17; 3:17-19; Romanina 5:12) Akaiky kokoa ny fahalavorariana ny olona talohan’ny Safodrano raha oharina amintsika ankehitriny, ary azo antoka fa anisan’ny nahatonga azy ireo ho ela velona kokoa izany. Taranaka fito monja, ohatra, no nanelanelana an’i Metosela tamin’i Adama.—Lioka 3:37, 38.

Tsy ho ela anefa dia hofoanan’i Jehovah Andriamanitra avokoa ny soritry ny fahotan’i Adama, ao amin’ireo maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy Zanany. “Fahafatesana no karama omen’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” (Romanina 6:23) Ho avy tokoa ny fotoana, izay hiheverana fa vetivety ihany ny 969 taona niainan’i Metosela!

[Tabilao, pejy 30]

(Jereo ny gazety)

1000

Metosela

Adama

Seta

900

 

 

 

800

 

 

 

700

 

 

 

600

 

 

 

500

 

 

 

400

 

 

 

300

 

 

 

200

 

 

 

100

olona ankehitriny