Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Milamina Daholo ve ny Momba ny Fanananao?

Efa Milamina Daholo ve ny Momba ny Fanananao?

Efa Milamina Daholo ve ny Momba ny Fanananao?

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! atsy Afrika Atsimo

TARA loatra! Tsy afaka nanontany ny vadiny intsony ilay ramatoa, satria matin’ny aretim-po tampoka ilay rangahy. Nikorontana be ny toe-bolan’izy ireo, ka tsy hita intsony izay fandehany. Nanomboka tonga nitaky ny trosany koa ireo tompon-trosa tsy fanta-piaviana. Izany no nanjo ny vehivavy iray tatsy Afrika Atsimo. Hita avy amin’izany fa zava-dehibe ny handaminana izay rehetra mahakasika ny fananan’ny tena.

Tokony hampahafantarina tsara an’ireo ho mpandova anao àry ny toe-bolam-pianakaviana, sao sanatria maty ianao. Tsara koa ny hamelana didim-pananana tsy lany andro, mba hahalalany ny fomba hizarana ny fananana.

Samy manana ny lalàny ny firenena tsirairay, nefa misy foana fomba handaminana tsara ny fizarana ny lova. Izay efa zokinjokiny ao amin’ny fianakaviana matetika, no miantsoroka izany any amin’ny foko sasany atsy Afrika. Raha ny fitsarana kosa no manao ilay fizarana, dia araka izay voalazan’ny taratasy ara-dalàna nataon’ny olona iray talohan’ny nahafatesany no hizarana ny fananany. Io taratasy io no didim-pananany. Hozaraina araka ny lalàna manan-kery eo an-toerana ny fananany, raha tsy namela didim-pananana izy talohan’ny nahafatesany. Raha izany no izy, dia mety tsy hahazo na inona na inona ireo mpandova azy, na ela be vao hahazo ny anjara lovany.

Manendry olona hanatanteraka ny sitrapony farany ny olona iray, rehefa manao didim-pananana. Hitsinjara ireo fananana araka izay voalaza ao amin’ilay didim-pananana io mpanatanteraka io, raha eken’ny fitsarana. Raha sanatria ka be kokoa noho ny fananana ny trosa tavela, dia zaraina amin’ireo tompon-trosa ilay fananana, arakaraka ny habetsahan’ny trosa tokony hefaina aminy. Tsy maintsy mifanaraka tsara amin’izay takin’ny lalàna koa ilay didim-pananana. Mety tsy hanan-kery mantsy izy io raha tsy mahafeno izany fepetra izany, eny fa na dia kely fotsiny aza. Tsy maintsy mieritreritra tsara izay fepetra hodinihin’ny fitsarana àry ny olona iray, rehefa hanao didim-pananana.

Tsy maintsy hamarinin’ny fahefana mahefa ilay didim-pananana raha tena izy na sandoka. Jereny raha tena sonian’ilay tompom-pananana no eo amin’ilay izy. Tsy maintsy miara-manao sonia an’ilay didim-pananana àry ny tompom-pananana sy ireo vavolombelona. Ho voamarin’izy ireo amin’izay fa tsy sandoka ilay izy, ary ny fanirian’ilay tompom-pananana tokoa no voalaza ao.

Misy zavatra mety tsy hampanan-kery ny didim-pananana anefa indraindray. Nisy nanampiana na nanesorana ve, ohatra, izy io? Raha izany no izy, dia takin’ny lalàna ny hanisian’ilay tompom-pananana sy ireo vavolombelona sonia eo akaikin’ny fanitsiana tsirairay sy eo amin’ny pejy hafa rehetra.

Mazava ho azy fa afaka manova ny didim-pananany ny olona iray, raha mbola velona. Tsy maintsy manao didim-pananana vaovao anefa izy mazàna, fa tsy manao izany am-bava fotsiny.

Mety ho sarotra ny manao didim-pananana, indrindra raha maromaro ny mpandova, na misy fepetra voafaritra tsara takina mba hahazoana ny vola na ny tany na ny trano. Fahendrena àry ny mitady ny fanampian’ny olona efa za-draharaha toy ny notera.

Mety ho sarotra amin’ny olona tsy mahay lalàna ny hahita raha mety hiteraka olana ara-pitsarana ny teny sasany ampiasainy na tsia. Mety tsy ho tsikariny koa fa misy fepetra lehibe sasany tsy fenony. Tsy fantany angamba hoe inona avy no lafin-javatra tsy ahafahan’ny olona iray manao didim-pananana, na manao vavolombelona. Mety hoferan’ny lalàna, ohatra, ny taonan’ny olona mahazo manao didim-pananana. Mety hisy fepetra maromaro koa ao amin’ny lalàna, mamaritra ny atao hoe olona salama saina afaka manao didim-pananana. Mety hilaza ny lalàna fa tsy ekena ho mpandova ny vavolombelona, mba tsy hisian’ny fanaovana tsikombakomba sy fanararaotana. Mety tsy ho azo tendrena ho mpanatanteraka an’ilay didim-pananana na mpikarakara an’ireo fananana koa ilay vavolombelona na ny vadin’izy io. Araka ny lalàna afrikanina tatsimo, dia tsy tokony ho anisan’ny mpandova ny olona asaina manoratra ilay didim-pananana, raha tsy hoe milaza izany mazava tsara angaha ilay didim-pananana.

Tsy tokony hatao sonia maimaika àry ny taratasy iray. Tokony handinika tsara ny zava-drehetra mety ho tafiditra amin’ny fametrahana ny anarany eo amin’ilay taratasy sy ny ho vokatr’izany, ny olona mahay mandray andraikitra.

Tokony hojerena koa raha mbola tsy lany andro ilay didim-pananana. Na vita tsara toy inona aza mantsy izy io, dia tsy hanan-kery intsony, raha tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Miovaova ny fiainana ka tokony hohavaozina ny didim-pananana, indrindra fa raha nanambady fanindroany ilay nanao azy. Amin’izay dia tokony hovana ny fitsinjarana ireo lova ao amin’ilay didim-pananana. Tsara raha potehina ilay taloha, rehefa vita ilay vaovao.

Sarobidy ny didim-pananana ka tokony hampirimina tsara. Toy ny tsy misy izy io raha sanatria very, ka mety hitera-pahavoazana ho an’ny mpandova. Tsara àry ny manao dika mitovy maromaro. Azo apetraka any amin’ny notera na any amin’ny banky ny dika mitovy iray, ary ny ambiny tahirizina miaraka amin’ny taratasy sarobidy hafa.

Ankoatra ny didim-pananana, dia misy ifandraisany mivantana amin’ny lova koa ny taratasim-piantohana, sora-piankohonana, taratasy momba ny tany, sy ny toy izany. Tsara raha tahirizina amin’ny toerana iray ihany ireo taratasy rehetra ireo, na atao lisitra ny toerana nasiana azy, fara faharatsiny.

Tena ilaina ny manao ny lisitry ny fananana tsy azo afindra toy ny trano, sy ny fananana azo afindra, ary izay trosa natao. Tsy hisy ho afaka hanararaotra an’ireo mpandova, raha fantany tsara ny trosa tokony haloany. Tsy tokony hohadinoina koa ny taratasim-piantohana samihafa sy ny taratasy manendry izay olona hitaiza ny zanakao. Azo hazonina ho tsiambaratelo io lisitra io ary apetraka any amin’ny namana azo itokisana, na atao amin’ny toerana iray, mba ho mora raisina rehefa misy loza tampoka. Tokony hatao lisitra koa ny anaran’ireo havana sy ny adiresin’izy ireny, mba hanampiana an’ilay mpanatanteraka didim-pananana.

Azo antoka àry fa tena mahasoa ny handaminana ny mombamomba ny fananan’ny tena rehetra. Amin’izay dia ho voasoroka ireo zava-manahirana maro mety hatrehin’ireo nidonam-pahoriana. Mbola tsy ho afaka hiatrika tsara an’izany mantsy izy ireo amin’io fotoan-tsarotra io.

[Sary, pejy 12]

SITRAPO FARANY SY DIDIM-PANANAN’I