Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana Raha Tsy Misy Intsony ny Sakafo?

Ahoana Raha Tsy Misy Intsony ny Sakafo?

Ahoana Raha Tsy Misy Intsony ny Sakafo?

MANANTENA ny mponina any an-tanàn-dehibe sasany, fa hahita sakafo ampy sy mora rehefa mankeny an-tsena. Rehefa ampy ny sakafo amidy eny, dia tsy mieritreritra loatra izay toerana niaviany sy ny fomba nitaterana azy ny mpividy. Mieritreritra momba izany anefa izy, rehefa misy ny krizy. Ary mety ho tena ratsy ny vokatr’ireny krizy ireny.

Jereo, ohatra, izay nitranga tany amin’ny tany iray sahirana ara-toe-karena atsy Afrika Avaratra. Lasa avo roa heny tampoka ny vidin’ny mofo dipaina, satria tsy nanome vola fanampiana ny tantsaha intsony ny fanjakana. Tezitra ny vahoaka ka nirohotra teny amin’ny arabe, ary namaky ny fitaratry ny fivarotana sy nanafika banky sy paositra. Nitatra nanerana ilay tany ny korontana, ka nandray fepetra ho an’ny tany misy hotakotaka ny fanjakana. Notifirin’ny polisy ny vahoaka mba hampitsaharana ny rotaka, ka olona 120 no voalaza fa maty, ary maro noho izany no naratra.

Mety ho sarotra koa ny famatsiana sakafo na dia any amin’ny tany manankarena aza. Manaporofo izany ny zava-nitranga tany Grande-Bretagne, tamin’ny Septambra 2000. Niakatra ny vidin’ny solika, ka nitokona teo am-bavahadin’ny orinasa fanadiovan-tsolitany ny mpirotaka. Tsy afaka nivoaka tao ny kamiao mpitatitra solika, ka andro vitsivitsy monja dia lany ny solika teny amin’ny tobin-dasantsy. Tsy nisy lasantsy ny fiara sy ny kamiao, ka tsy afaka nanatitra sakafo teny amin’ny mpivarotra. Foana àry ireo talantalana fivarotana, satria mazàna no tsy anaterana entana ny mpivarotra, raha tsy amin’ny fotoana ilany izany ihany.

Isan-karazany ny olana manakantsakana ny fitaterana sakafo, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Anisan’izany ny hain-tany, krizy ara-toe-karena, hotakotaka, ary ady. “Mikorontana na miato ny fitaterana sakafo” noho ireo antony ireo, “ary tena mateti-pitranga izany”, araka ny boky Famatsiana ny Tanàn-dehibe (anglisy), navoakan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy Fambolena ary Fiompiana (FAO). “Mety tsy hitatra be na tsy haharitra ny vokatr’izany, nefa ny mahantra foana no tena mijaly.”

Misy mpandinika mino koa fa hiteraka “fahasahiranana be” ho an’ny mpamatsy sy mpitatitra sakafo ny fitomboana haingana eo amin’ny isan’ny mponina any an-tanàn-dehibe. Ny antsasany mahery amin’ny olona eran-tany no honina any an-tanàn-dehibe amin’ny taona 2007, araka ny tombantombana. Nilaza ny FAO fa “hihasarotra, ary mety tsy ho vita intsony mihitsy ny hamatsy sy hitatitra sakafo mahasalama sy mora vidy [ho an’ny mponina an-tanàn-dehibe].”

Tena mila taterina eny an-tsena ny sakafo, mba hahafahan’ny olona hividy azy. Afaka matoky ve anefa isika fa hahazo ny sakafo ilaintsika? Nahoana ny manam-pahaizana no manahy sao tsy haharaka intsony ny sakafo? Ary tsy hisy intsony ve, indray andro any, ny olona hanahy hoe aiza indray no hahita sakafo?

[Sary, pejy 2]

Havia: Tsena ambony rano any Tailandy

[Sary, pejy 3]

Olona tsy ampy sakafo mandroba fivarotana

[Sary nahazoan-dalana]

BETAH/SIPA