Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanampy sy Nankahery Anay Andriamanitra

Nanampy sy Nankahery Anay Andriamanitra

Nanampy sy Nankahery Anay Andriamanitra

NOTANTARAIN’I ESTHER GAITÁN

“Nalainay an-keriny ny reninareo. Aza mampandre ny polisy. Andraso fotsiny fa hiantso anareo izahay rahampitso vao maraina.”

IO NO antso an-telefaonina voarain’ny zandriko vavy momba an’i Esther reninay, indray talata, tamin’ny herintaona. Vao avy nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izaho sy Alfredo vadiko, no nandre momba an’io antso io aho. Efa tao an-tranon-dry Dada sy Neny tany Mexico ny havanay, rehefa tonga tany izahay. Tsy laitra nampiononina ny zandriko mianadahy, ary nitomany ireo rahavavin’i Neny.

Tsy teo kosa i Dada sy ny zokiko lahy, fa nisy asa nataony tany ivelan’i Mexico. Rehefa avy nitelefaonina azy mianaka izahay, dia samy nanaiky fa ny mampandre ny polisy no tsara indrindra. Nivavaka izahay nandritra iny alina nampitebiteby iny, mba hahazoana fanampiana. Tena tsapanay fa nomen’Andriamanitra “hery fanampiny” izahay.—2 Korintianina 4:7.

Izaho no namaly ny antso an-telefaonin’ireo mpaka an-keriny, ny ampitson’io. Nitaintaina be aho, nefa nahavita niteny tamim-pahatoniana ihany. Naniry hiresaka tamin’i Dada ny iray tamin’izy ireo, nefa nolazaiko fa tsy teo an-toerana izy. Nilaza àry ilay rangahy fa hiandry azy ry zareo, vao hatomboka ny fifampiraharahana. Nampitandrina ahy izy fa hovonoiny i Neny raha tsy mandoa vola be izahay.

Mbola izaho ihany no nandray ny telefaonina ny ampitson’iny. Nandrahona anay indray ilay mpaka an-keriny nefa tsapany fa tony foana aho, ka hoy izy: “Tsy fantatrao ve fa tsy kilalao ange izy ity e?”

“Fantatro tsara kah!”, hoy aho namaly. “Nalainareo an-keriny i Neny. Vavolombelon’i Jehovah anefa izahay, ka matoky tanteraka fa hanampy anay ny Andriamanitray. Manomana anay hiaritra ny zava-tsarotra misy ankehitriny koa ny Baiboly.”

“Eny e! Fantatro daholo izany”, hoy izy. “Izany koa no lazain’ny reninareo. Matoky be ny Andriamaniny sy anareo vady aman-janany izy.” Fantatray àry fa mbola natanjaka tsara ny finoan’i Neny, ka nankahery anay izany.

Nampiana mba hiaritra

Nandeha ny andro ary nitelefaonina anay ny namana kristianina, na nandefa karta na hafatra tamin’ny alalan’ny ordinatera. Namonjy fivoriana sy nandray anjara tamin’ny asa fitoriana foana izahay. Nampionona anay koa ny famakiana isan’andro ny Baiboly sy ireo boky ara-baiboly. Ny vavaka anefa no tena nanome anay “ny fiadanan’Andriamanitra.”—Filipianina 4:6, 7.

Hoy ny iray tamin’ireo polisy: “Fianakaviana maro no hitako namoy fo, hatramin’izay sivy taona naha polisy ahy izay, fa hafa mihitsy ianareo. Hita hoe tena tony ianareo. Mino aho fa noho ilay Andriamanitra ivavahanareo no anton’izany.”

Nasehonay azy ny gazety Mifohaza! tamin’ny 22 Desambra 1999 (frantsay), nisy ilay andian-dahatsoratra hoe “Fakana An-keriny—Loza Maneran-tany.” Naverinay nodinihina mantsy io gazety io. Novakiny ilay izy ary mbola nasainy nampiana hafa, satria te hahafantatra tsara kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah, hono, izy.

Novotsoran’ireo mpaka an-keriny ihany i Neny, taorian’ny tapa-bolana nanaovana fifampiraharahana. Salama tsara izy, na dia natoka-monina tao amin’ny efitra kely aza, sady nofatorana rojo vy ny tongony ilany. Nohajaina tsara koa anefa izy, ary nomena ireo fanafody fihinany, dia fanafodin’ny diabeta sy tosidra ambony.

Notantarain’i Neny ny zavatra nataony ka nahafahany niatrika tsara an’ilay toe-javatra. Hoy izy: “Natahotra be aho tamin’ny voalohany. Nanomboka nivavaka anefa aho, ka tsy navelan’i Jehovah hamoy fo. Tsy mba nahatsiaro ho irery mihitsy aho tao amin’ilay efitra kely. Tsapako fa tena nisy i Jehovah, ary tsy nandao ahy mihitsy izy. Nangataka taminy aho mba hampiany haneho ny vokatry ny fanahiny, indrindra fa ny faharetana.”

“Nampiany aho ka tsy mba nitomany na nivadi-po mihitsy. Nitadidy ny andinin-teny rehetra haiko no nataoko nandritra ny andro, ary nihira mafy an’ireo hiran’ilay Fanjakana. Indraindray aho dia naka sary an-tsaina ny tenako tany am-pivoriana, ary nandray anjara tamin’izy ireny an’eritreritra. Naka sary an-tsaina ny tenako nitory sy nitarika fampianarana Baiboly koa aho. Variana be tamin’ireo zavatra ireo aho, ka nandeha haingana ny fotoana.”

“Afaka niresaka ny zavatra inoako tamin’ireo mpaka an-keriny mihitsy aza aho. Isaky ny nitondra sakafo ho ahy ny anankiray taminy dia nitoriako, na notampenana aza ny masoko. Indray mandeha, ohatra, dia nilazako ilay mpaka an-keriny fa efa voalazan’ny Baiboly ny hoe hiaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika, ka takatro fa tena nila vola ry zareo. Nohazavaiko fa tsy manam-petra ny herin’i Jehovah Andriamanitra, nefa tsy manampatra izany mihitsy izy. Niangavy azy ireo aho avy eo mba tsy hanampatra ny heriny tamiko, fa hangoraka ahy.”

“Nihaino izy, ary nilaza tamiko mba tsy hatahotra, satria tsy hikasi-tanana ahy ry zareo. Velom-pisaorana an’i Jehovah aho, satria nampiany tamin’iny fotoan-tsarotra iny. Vao mainka aho tapa-kevitra hanompo azy foana, amin’ny maha mpisava lalana maharitra [mpitory ny vaovao tsara manontolo andro], raha mbola afaka koa.”

Tena nahatonga an’i Neny sy izahay rehetra ho akaiky kokoa an’i Jehovah iny fitsapana iny. Tsy hitanay izay teny ilazana ny hafalianay satria tafaverina ato an-trano indray i Neny. Mampahery anay ny mahafantatra, fa tsy hisy intsony ireny zavatra mahatsiravina ireny eo ambany Fanjakan’Andriamanitra. Afaka manaporofo koa anefa izahay mianakavy fa marina ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.”—Salamo 34:19.