Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ny Dr. Livingstone Ianao E?”

“Ny Dr. Livingstone Ianao E?”

“Ny Dr. Livingstone Ianao E?”

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Tanzania

“Nisy hazo manga teto amin’ity toerana ity, ary teo ambanin’izy io i Henry Stanley sy David Livingstone no nihaona, tamin’ny 10 Novambra 1871.”—Takelaka eo amin’ilay Tsangambato Fahatsiarovana An’i Livingstone, any Ujiji, amoron’ny Farihy Tanganyika, Tanzania.

ZATO taona mahery izay no lasa, hatramin’ny nanaovan’i Stanley an’ilay fiarahabana malaza hoe: “Ny Dr. Livingstone ianao e?” Azo inoana fa vitsy kely ny olona any ivelan’i Tanzania, mahalala hoe nahoana no zava-dehibe io fihaonana io.

Ho fantatsika anefa izany, raha mitsidika ny Tranombakoka ho Fahatsiarovana An’i Livingstone, any Tanzania isika. Niarahaba anay tonga soa Atoa Mbingo, mpitarika anay. Nohazavainy fa “nisy hazo manga lehibe teo amin’ny toerana nanorenana ilay tsangambato, ary teo ambanin’izy io i Stanley no nihaona tamin’i Livingstone.” Hazo manga lehibe roa izao no eo amin’ilay toerana. Hoy koa izy: “Efa antitra loatra ilay hazo manga voalohany teto ka maty tamin’ny farany, tany amin’ireo taona 1920. Nambolena hazo roa natao grefy àry teo akaikin’ilay tsangambato.”

Iza moa i Livingstone?

Nanazava Atoa Mbingo, rehefa nipetraka teo ambanin’ny alokaloky ny iray tamin’ireo hazo manga izahay, fa teraka tao amin’ny tanàna kelin’i Blantyre any Ekosy i David Livingstone, tamin’ny 1813. “Nihalehibe teo anivon’ny fianakaviana nahantra izy, ka sady niasa no nianatra. Niofana ho dokotera sy misionera izy tatỳ aoriana.” Nolazaina taminay fa ny Fikambanana Misionera any Londres no nandefa azy tatỳ Afrika. Nipetraka tatỳ nandritra ny 30 taona izy, ary mpikaroka tany vaovao sy misionera no tena nahafantarana azy.

Nilaza ilay mpitarika anay, fa “intelo niverina tatỳ Afrika ny Dr. Livingstone. Tonga tany Afrika Atsimo aloha izy, tamin’ny 1841. Nanambady an’i Mary Moffat zanak’i Robert Moffat, misionera namany i Livingstone, tamin’ny 1845.” Nanan-janaka efatra izy sy Mary. Niaraka taminy ihany i Mary tamin’ny ankamaroan’ny diany. Zara anefa izy raha nanam-potoana niarahana tamin’ny fianakaviany, noho ilay fitiavany nikaroka tany vaovao. Voan’ny tazo i Mary Livingstone nandritra ny iray tamin’ireo dia niarahany taminy, ka maty tamin’ny 1862.

Hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy): “Vonona hampiely ny Kristianisma sy ny varotra ary ny sivilizasiona, tany avaratry ny sisin-tanin’i Afrika Atsimo sy hatrany Afrika Afovoany, i Livingstone. Nihevitra mantsy izy fa hampifandray an’i Afrika amin’ny tany hafa ireo zavatra telo ireo. Noresahiny mazava tsara ny fikasany, tao amin’ilay fanambarana malaza nataony tamin’ny 1853. Hoy izy: ‘Hanokatra lalana hahatongavana any afovoan’io kontinanta io aho, na dia hamoizako ny aiko aza izany.’ ” Tsy ny hitory ny filazantsara ihany àry no antony nanaovan’i Livingstone dia lavitra. Nampirisika mafy ny hanafoanana ny fivarotana andevo izy. Nihatia nikaroka tany vaovao koa izy, ka nataony tanjona ny hahita ny loharanon’i Nil.

Tsapan’i Livingstone anefa fa goavana loatra ny fikasany, ka tsy ho vitany irery. Hoy izy tamin’ireo tovolahy vitsivitsy tao amin’ny Oniversiten’i Cambridge, tamin’ny 1857: “Fantatro fa ho faty any amin’io tany io aho, afaka taona vitsivitsy. Misokatra izao ny lalana mankany, ka aza avela hikatona intsony! Hiverina any Afrika aho mba hahatongavan’ny varotra sy ny Kristianisma any. [Hanohy] ny asa natomboko ve ianareo? Ianareo no handimby ahy.”

Namakivaky an’i Afrika Afovoany ihany anefa i Livingstone. Anisan’ireo zavatra hitany ilay riandrano lehibe ao amin’ny Reniranon’i Zambèze, izay nampitondrainy ny anaran’ny Mpanjakavavy Victoria. Nilaza izy tatỳ aoriana, fa io riandrano io no ‘zavatra nahafinaritra indrindra hitany tatỳ Afrika.’

Ny fikarohana

Nohazavain’ilay mpitarika anay, fa “nanomboka tamin’ny 1866 ny dia farany nataon’i Livingstone. Tsy nifankahazo anefa ny olona niaraka taminy. Nandao azy ny sasany ary niverina tany Zanzibar, ka nanely tsaho hoe maty izy. Nanohy ny fikarohany anefa izy. Nanorina toby fanomanany ny diany izy tao Ujiji, tanàna any amin’ny morony atsinanan’ny Farihy Tanganyika.”

“Tsy nandre vaovao momba azy intsony anefa ry zareo tany Eoropa nandritra ny telo taona teo ho eo, ka noheverin’izy ireo fa maty izy. Nirahin’ny mpampanonta ny gazety New York Herald àry i Henry Stanley, mpanao gazety, mba hitady an’i Livingstone, raha maty izy na velona. Mazava ho azy fa tsy maty izy, ary tsy very koa. Tena nila sakafo sy zavatra hafa anefa izy, sady narary be. Nankao an-tranon’i Livingstone ny mpanampiny iray, tamin’ny Novambra 1871, ary niantso mafy tamin’ny teny swahili hoe: ‘Mzungu anakuja! Mzungu anakuja!’ ”, izany hoe “Misy vazaha tonga iny!”

Efa ho valo volana no nitadiavan’i Stanley an’i Livingstone. Avy any Inde izy no nanketo Afrika, ary tonga teo amin’ny nosy Zanzibar tamin’ny 6 Janoary 1871. Niala avy tao Bagamoyo, tanàna any amin’ny morontsiraka atsinanana izy, tamin’ny 21 Martsa 1871. Nisy lehilahy 200 nokaramaina niaraka taminy, ary nitondra sakafo sy zavatra hafa enina taonina izy ireo. Namakivaky toerana nampidi-doza sady tsy nisy sarintany izy ireo, ary nahavita 1 500 kilaometatra! Nampiakatra ny renirano ny oram-be nivatravatra. Voan’ny tazo sy aretina hafa i Stanley sy ireo niaraka taminy, ary vizana. Feno voay ny renirano rehetra. Tsiravina i Stanley nahita ny iray tamin’ireo ampondrany farany notaritaritin’ny voay mandra-pahafatiny. Efa saika lanin’ny voay koa i Stanley, indray mandeha! Tapa-kevitra hamita ilay iraka nampanaovina azy ihany anefa izy. Nampahery azy ny nandre, fa nisy lehilahy fotsy hoditra efa antitra be nipetraka tao amin’ny faritr’i Ujiji.

Niomana ho amin’ilay fihaonana i Stanley, rehefa nihananatona an’i Ujiji. Hoy ilay boky hoe Stanley, nosoratan’i Richard Hall: “Nahia sy reraka i Stanley, nefa nihevitra fa afaka niseho ho be herim-po kokoa noho ireo [mpikaroka tany vaovao teo alohany], rehefa niditra tao an-tanàna. Marina tokoa fa ho fotoan-dehibe eo amin’ny tantara ilay izy, ary tsy vitan’ny hoe hiaina izany izy, fa handrakitra izany an-tsoratra koa. Samy nanao izay fitafiana tsara indrindra nananany izy rehetra. Nasian’i Stanley lamba kely vaovao ny satrony, ary nanao akanjo filanelina fotsy madio izy. Nataony nangirana tsara koa ny kirarony.”

Hoy i Stanley nitantara ny zava-nitranga taorian’izay: “Vita ihany ilay dia tamin’ny farany ... Indreo misy andiana Arabo faran’izay manan-kaja. Mahita lahiantitra fotsy hoditra eo amin’izy ireo aho, rehefa manatona akaiky kokoa. ... Miala satroka izahay, ary hoy aho: ‘Ny Dr. Livingstone ianao e?’ ‘Ie’, hoy izy.”

Izay nitranga taorian’izay

Nikasa hanadinadina sy hanoratra ny tantaran’i Livingstone fotsiny i Stanley, ary handeha avy eo. Vetivety anefa dia lasa mpinamana ry zareo. Hoy ilay mpitarika anay: “Nijanona herinandro maromaro niaraka tamin’i Livingstone i Stanley, ary niara-nandinika ny Farihy Tanganyika izy ireo. Niezaka nandresy lahatra an’i Livingstone mba hiverina any Eoropa i Stanley. Tapa-kevitra ny hijanona atỳ Afrika sy hitady ny loharanon’i Nil anefa izy. Nalahelo be izy mirahalahy rehefa tsy maintsy nisaraka, tamin’ny 14 Martsa 1872. Niverina tany amoron-tsiraka i Stanley, nividy sakafo sy zavatra hafa, ary nandefa izany ho an’i Livingstone. Nody tany Eoropa izy taorian’izay.”

Inona no niafaran’i Livingstone? Hoy ny fanazavan’ilay mpitarika anay: “Nanohy nitady ny loharanon’i Nil i Livingstone, tamin’ny Aogositra 1872. Nianatsimo nankany Zambia izy. Nanimba ny fahasalamany anefa ny harerahana sy ny aretina, ka maty tamin’ny 1 Mey 1873 izy. Ny mpanampiny ... no nikarakara ny fatiny, ary nandevina ny fony sy ny tsinainy teto amin’ny tany afrikanina. Roa arivo kilaometatra teo ho eo no nitondrana ilay faty nankany Bagamoyo, ary nisy misionera nandray azy ireo tao. Nentina sambo nankany Zanzibar ilay faty, ary avy eo nankany Grande-Bretagne. Tonga tany Londres izy ireo tamin’ny 15 Aprily 1874, ary nalevina tao amin’ny Monasiteran’i Westminster, telo andro tatỳ aoriana. Efa ho herintaona vao tonga tany amin’ny toerana handevenana azy, ny fatin’i Livingstone.”

Niverina tatỳ Afrika i Stanley mba hanohy ny asan’i Livingstone. I Stanley no nitarika ireo dia lavitra, izay natao handinihana ny faritra manodidina ny Farihy Victoria sy ny Farihy Tanganyika ary ny lalan’ny Reniranon’i Congo.

Be herim-po sy tena tapa-kevitra ny lehilahy toa an-dry Livingstone sy Stanley, ka mahate hidera. Hoy ny Britannica momba an’i Livingstone: “Nahalalan-javatra be dia be momba ny jeografia, teknika, fitsaboana, ary fiaraha-monina, ny fikarohana nataony. Mbola fakafakaina izy ireny hatramin’izao.” Mpikaroka tany vaovao no tena ahatsiarovana an’i Livingstone sy Stanley, fa tsy mpitory sy mpanao gazety. Tena nanampy anefa ny asan’izy ireo, ka nanokatra lalana ho an’ny fampielezana ny fahalalana ara-baiboly, am-polony taona atỳ aoriana.

Izany àry no nahafahan’ny misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah nanampy Afrikanina ana hetsiny, mba hanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tao Ujiji i Stanley sy Livingstone no nihaona voalohany, ary fantatry ny mponina ao tsara koa ny asa fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Matetika àry no manontany toy izao ny iray amin’izy ireo, rehefa mifanena amin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Vavolombelon’i Jehovah ianareo e?”

[Sarintany, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Farihy Victoria

Dia nataon’i Livingstone

Le Cap

Port Elizabeth

Kuruman

Farihy Ngami

Linyanti

Luanda

Riandranon’i Victoria

Quelimane

Mozambika

Mikindani

Zanzibar

Chitambo

Farihy Tanganyika

Nyangwe

Ujiji, tanàna nihaonan’izy mirahalahy

Dia nataon’i Stanley nikarohana an’i Livingstone, tamin’ny 1871

Zanzibar

Bagamoyo

Ujiji, tanàna nihaonan’izy mirahalahy

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 22, 23]

David Livingstone

[Sary nahazoan-dalana]

Livingstone: Avy amin’ny boky Missionary Travels and Researches in South Africa, 1858

[Sary, pejy 22, 23]

Henry Stanley

[Sary, pejy 23]

Riandranon’i Victoria

[Sary, pejy 24]

Vavolombelon’i Jehovah mampianatra Baiboly, any Ujiji