Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Soavalin-dranomasina Mahay Mandihy

Soavalin-dranomasina Mahay Mandihy

Soavalin-dranomasina Mahay Mandihy

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

MIARA-MIOVA loko izy roa raha vao mifankahita. Toa kevoka erỳ rangahy, ka finaritra ramatoa mahita izany. Mifampikasoka moramora izy roa, ary toy ireny mifamihina amim-pitiavana ireny. Atombony moramora ilay dihiny, rehefa tarafin’ny hazavana vao maraina izy ireo. Izany no iray amin’ireo dihy tsara indrindra eo amin’ny natiora. Tsy iza akory ireo mandihy ireo fa ny soavalin-dranomasina.

Hoy ny Dr. Keith Martin-Smith, manam-pahaizana momba ny ranomasina: “Tena mahavariana sy hafakely ary mambabo ny soavalin-dranomasina.” Fahiny anefa, dia tsy hitan’ny olona izay hanasokajina azy. Nantsoin’ny mpandinika zavaboary hoe Hippocampus izy io. Tao amin’ny angano grika, io anarana io dia niantsoana an’ireo soavaly nitarika ny kalesin’i Poséidon, andriamanitra grikan’ny ranomasina. Rambon-trondro ny rambon’izy ireo.

Voalaza fa mody nataon’ny mpivarotra fahiny hoe zanaka dragona mamoaka afo ny soavalin-dranomasina, ka namidiny. Trondro rakotra taolana fotsiny anefa izy io, raha ny marina, na dia tsy mitovy amin’ny ankamaroan’ny trondro aza ny endriny sy ny fomba filomanosany. Milomano moramora izy na mitsingevana fotsiny, ka nampitovin’ny olona tamin’ny soavaly marefo vita amin’ny fitaratra, sy soavaly amin’ny lalao échecs, saingy velona.

Ahitana azy daholo ny ankamaroan’ny ranomasina mafana. Tena isan-karazany ny endriny sy ny habeny. Tombanan’ny manam-pahaizana fa mety ho 33 ka hatramin’ny 70 mahery ny karazana soavalin-dranomasina. Anisan’izany ny soavalin-dranomasina bitika, izay mety ho antonona tsara eo ambony hohonao, sy ny soavalin-dranomasina be kibo, izay mety hahatratra 30 santimetatra ny halavany.

Tsy maninona na dia tsy misy nify sy vavony aza!

Hafahafa ny endriny, satria toy ny lohan-tsoavaly ny lohany, rakotra taolana ny vatany, ary toy ny rambona gidro ny rambony. Hita avy amin’izany fa natao hijanona eo amin’ny toerana iray izy, fa tsy hitsoriaka etsy sy eroa. Mandra-paharivan’ny andro, dia toa ampy azy ny mamatotra ny rambony eo amin’ny zavamaniry iray sy misakafo eo, toy ny soavaly mifatotra foana eo amin’ny hazo iray. Rehefa mila mandeha izy, dia manosika azy moramora ilay vombo kely ao andamosiny. Ny vombo eo amin’ny sisiny roa amin’ny vatany kosa no mamily azy. Afaka miakatra sy midina toy ny sambo mpisitrika koa izy, satria hainy ny mampiasa tsara ny tahirin-drivotra ao aminy.

Tenda an-kanina ny soavalin-dranomasina, ka trohiny haingana izay patsa sy hazandrano kely misy akorany mandalo eo aminy. Tsy misy nify sy vavony manampy azy handevon-kanina anefa izy, ka tsy maintsy misambotra patsa hatramin’ny 50 isan’andro, mba hahavelona azy. Tsy sarotra izany ho an’io mpihaza mahay io, satria tena hafakely ny masony. Afaka mijery ny haza any alohany ny masony iray, ary mitazana ny any aoriany kosa ny ilany. Mahita loko maro kokoa noho ny mason’ny olombelona koa ny masony, ary mahita kokoa noho ny ankamaroan’ny trondro.

Tsy maintsy miaro tena tsy ho lanin’ny biby hafa ny soavalin-dranomasina. Mipetraka any anelanelan’ny ahidrano na vato harana na hazo madinika be fakany, ny maro aminy. Tena sarotra amin’ny mpiremby, toy ny foza sy ny sokatra, ny manavaka azy, satria feno tasy ny hodiny sady mitovitovy amin’ny ahidrano ny vatany. Hainy koa ny manova be ny lokony, mba hitovy tanteraka amin’ny manodidina azy. Hoy i Rudie Kuiter, mpikaroka: “Tena mahay miafina izy, ka mila mandinika tsara mihitsy ianao vao mahita azy.”

Dihy sy fitiavana

Miaraka mandra-pahafatiny ny soavalin-dranomasina mpivady, fa tsy toy ny ankamaroan’ny trondro. Mahalana izy vao misaraka. Manamafy ny fifankatiavany amin’ny alalan’ny dihy hafakely izy ireo, isa-maraina. Hoy i Tracy Warland, mpiompy soavalin-dranomasina: “Tena tsara sady miavaka ny dihin’ny soavalin-dranomasina, ka mahafinaritra ny mijery azy.” Rehefa tapitra ilay dihy, dia miverina eo amin’ilay zavamaniry famatorany ny rambony izy, ary misakafo eo mandra-paharivan’ny andro. Sarotra kokoa noho ny dihiny mahazatra, ny dihy fanaony alohan’ny anaovany firaisana. Abontsin’ny lahy ny paosy eo amin’ny kibony, rehefa manatona azy ny vavy. Mihamamiratra ny lokony, ary mandroso sy mihemotra eo anoloan’ny vavy izy. Mihodidina azy moramora ny vavy, ary manao toy izany koa izy. Ampifandraisin’izy roa avy eo ny rambony. Miara-mihodinkondina mafy izy, ary mandihindihy eran’ny fanambanin’ny ranomasina, toy ny soavaly mifalihavanja. Antsasak’adiny no anaovany izany, ka mbetika izy miakatra sy midina, ary mbetika mihodinkodina sy miova loko.

Mazava ho azy fa hanao firaisana izy ireo aorian’io dihy io. Hoy i Kuiter: “Mihaela sy mihamatetika ary mety hiverimberina mandra-paharivan’ny andro ny dihin’ny soavalin-dranomasina, rehefa mihamanakaiky ny fotoana anaovany firaisana. Miakatra moramora eny ambony ranomasina izy roa amin’ny farany. Mifamatotra ny rambony, ary mifanakaiky ny vatany. Afindran’ilay vavy moramora ao amin’ilay paosin’ny lahy, fitondrana vohoka, ny atodiny. Toy ny an’ny kangoroa io paosy io.” Mitady toerana milamina ilay lahy avy eo, mba hahafahany hametraka tsara an’ireo atody ao amin’ilay paosy. Mikambana avy eo ireo atody ireo sy ny azy, ka manomboka bevohoka izy. Izany no fitondrana vohoka hafakely indrindra eo amin’ny biby.

‘Fanirian’ny vehivavy rehetra’

Hoy ny vehivavy iray: “Mahavariana ny hoe ny soavalin-dranomasina lahy indray no bevohoka sy miteraka.” Hoy koa ny vazivazin’ny vehivavy hafa iray: ‘Fanirian’ny vehivavy rehetra koa raha mba ny lehilahy no bevohoka.’ Ao anatin’ny herintaona monja, dia impito bevohoka ny soavalin-dranomasina lahy, ary maharitra 21 andro avy izany!

Voaro sy mafana tsara ireo soavalin-dranomasina kely ao anatin’ilay paosy. Misy lalan-dra be dia be mitondra oksizenina sy sakafo ho azy ireo. Mihamasira ny ao anatin’ilay paosy rehefa elaela, ka manazatra azy ireo hiaina ao anaty ranomasina. Rehefa tonga ny fotoana ahaterahan’izy ireo, dia mihetsi-jaza mandritra ny ora maromaro ka hatramin’ny roa andro ilay soavalin-dranomasina lahy. Misokatra ny paosiny amin’ny farany, ary mivoaka tsikelikely ireo soavalin-dranomasina kely. Miovaova ny isan’ny zanaky ny soavalin-dranomasina, arakaraka ny karazany. Mety hahatratra hatramin’ny 1 500 izany.

Biby fiompy sy firavaka ary fanafody

Tandindomin-doza tsikelikely ny soavalin-dranomasina eran-tany, na dia miteraka be dia be aza izy ireo. Milaza ny manam-pahefana sasany, fa 30 tapitrisa eo ho eo isan-taona, no samborina sy amidy maneran-tany. Anamboarana fanafody aziatika nentin-drazana ny maro aminy, mba hitsaboana aretina isan-karazany, toy ny asma sy taolana tapaka ary fahamombana.

Soavalin-dranomasina iray tapitrisa eo ho eo isan-taona no ampiasain’ny mpanamboatra sy mpivarotra zavatra tsy fahita firy, mba hanaovana fitondrana lakile sy fanindriana taratasy ary firavaka paingorina amin’ny akanjo. Mora simba ny fonenan’ny soavalin-dranomasina, ka atahorana hanapotika azy io ny fanjonoana amin’ny harato sy ny fanapoahana ny haran-dranomasina amin’ny dinamita ary ny fandotoana. Amidin’ny olona amin’ny mpiompy trondro anaty vata fitaratra koa izy ireny. Maro anefa no maty, satria marary sy tsy mahazo ny sakafo tena fihinany.

Mba hamerana ny fakana soavalin-dranomasina, dia nisy lalàna navoaka tany amin’ny tany maro mpanondrana azy ireo. Tsy maintsy porofoin’izy ireo, fa tsy nalainy daholo ny soavalin-dranomasina ao amin’ny faritra misy azy. Manatsara ny fomba fiompiany sy mampiasa teknolojia vaovao koa ny mpiompy vitsivitsy, ka afaka mamatsy ny mpivarotra trondro anaty vata fitaratra.

Mifampiankina ny hoavin’ny soavalin-dranomasina sy ny ranomasina. Mitaraina i Kuiter hoe: “Tena tandindomin-doza ny ranomasina noho ny ataon’ny olona. Be loatra ny zavatra alaintsika avy amin’izy io.” Ho lany tamingana àry ve ireo zavamananaina marefo tsara tarehy sy mahay mandihy ireo, noho ilay antsoin’ny olona hoe “fandrosoana”? Hoy i Martin-Smith: “Tsy tokony hanary toky isika, satria mbola misy olona tsara sitrapo ihany. Tokony hataontsika izay hisian’ny olona maro kokoa ho tia sy hitsimbina ny zavamananaina eto an-tany. Hiova ny toe-javatra, raha tanteraka izany. Angamba ho voavonjintsika ny ranomasina, raha voavonjintsika ny soavalin-dranomasina.” Asa anefa raha ho vitantsika izany. Soa ihany fa misy fampanantenana azo antoka kokoa.—Apokalypsy 14:7.

[Sary, pejy 15]

Soavalin-dranomasina bitika (tena habeny)

[Sary nahazoan-dalana]

© Reinhard Dirscherl/Visuals Unlimited

[Sary, pejy 16, 17]

Hain’ny soavalin-dranomasina ny manova be ny lokony, mba hitovy amin’ny manodidina azy

Soavalin-dranomasina kely loha

Soavalin-dranomasina be kibo

Soavalin-dranomasina mitsipitsipika

[Sary, pejy 16]

Soavalin-dranomasina misy sanga

[Sary, pejy 17]

Soavalin-dranomasina kely loha

[Sary, pejy 17]

Soavalin-dranomasina lahy kely loha, miteraka

[Sary, pejy 17]

Zanaka soavalin-dranomasina kely loha

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Soavalin-dranomasina mitsipitsipika: © Ken Lucas/Visuals Unlimited; sary hafa rehetra: Rudie H Kuiter

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Sary rehetra: Rudie H Kuiter