Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilaina Maika ny Fanafodin’ny SIDA!

Ilaina Maika ny Fanafodin’ny SIDA!

Ilaina Maika ny Fanafodin’ny SIDA!

Mivarotra kiraro lafo vidy any an-tsenan’i Lilongwe, any Malawi, i Grace. Toa falifaly sy salama no fijery azy. Entiny hanafenana ny tantarany mampalahelo anefa ny tsikiny mahafinaritra.

Tsy hay lazaina ny hafalian’i Grace sy ny vadiny tamin’ny 1993, rehefa teraka i Tiyanjane zanany vavy. Toa salama tsara i Tiyanjane tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa, dia tsy nitombo lanja intsony izy sady narary lava. Telo taona izy dia matin’ny SIDA (fanafohezana ny anaran’ilay aretina mamono ny hery fiarovana ao amin’ny vatana).

Nanomboka narary koa ny vadin’i Grace, taona vitsivitsy taorian’izay. Safotra izy indray andro, ka nentina tany amin’ny hopitaly. Tsy voavonjin’ny dokotera intsony izy. Valo taona nivadiana izy sy Grace tamin’izy maty. Aretina hafa nihombo noho ny SIDA no nahafaty azy.

Mipetraka irery ao amina trano efitra tokana, any an-tsisin-tanànan’i Lilongwe, izao i Grace. Telopolo taona izy, ka mety hisy hihevitra azy hoe hanomboka fiainam-baovao. Hoy anefa izy: “Mitondra ny otrikaretina VIH aho, ka tsy hanambady sy tsy hiteraka intsony.” *

MAMPALAHELO fa fahita ny toe-javatra toy izany any Malawi. Ny 15 isan-jato eo ho eo amin’ny mponina any no mitondra ny otrikaretina VIH. Resahin’ny gazety Gilaoby sy Taratasy (anglisy) fa noho ny SIDA, dia ‘mihoatra 50 isan-jato amin’ny isan’ny marary zakany ny isan’ny marary tazonina’ ao amin’ny hopitaly iray any ambanivohitra. ‘Maherin’ny antsasaky ny mpiasa ao amin’ilay hopitaly koa no tsy afa-miasa intsony’, noho io aretina io ihany. Mbola maro kokoa aza ireo mitondra ny otrikaretina VIH any amin’ny tany afrikanina hafa, any atsimon’i Sahara. Noresahin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Miady Amin’ny VIH/SIDA (ONUSIDA) tao amin’ny tatitra nataony tamin’ny 2002, fa “47 taona izao amin’ny ankapobeny ny androm-piainan’ny olona any atsimon’i Sahara, atsy Afrika. Ho 62 taona izany raha tsy teo ny SIDA.”

Mihanaka be anefa ny VIH/SIDA. Miparitaka lavitra ny kontinanta afrikanina izy io. Tombanan’ny ONUSIDA fa efatra tapitrisa eo ho eo ny olon-dehibe mitondra ny otrikaretina VIH any Inde. Hoy koa io fikambanana io: “Ny VIH no hahafaty olon-dehibe maro indrindra, ato anatin’ny folo taona, rehefa jerena ny isan’ny olona mitondra azy io ankehitriny.” Any amin’ny Vondron’ny Fanjakana Mizaka Tena, izany hoe ny ankamaroan’ireo repoblika tao amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, no tena mihanaka haingana indrindra io aretina io. Voalazan’ny tatitra iray fa ‘betsaka kokoa ny olona tany Ouzbékistan nitondra ny otrikaretina VIH tamin’ny taona 2002 fotsiny, raha oharina amin’ny isan’ireo voa rehetra tany tao anatin’ny folo taona lasa.’ Mbola ny VIH foana koa no anisan’ny antony lehibe mahafaty ny Amerikanina eo anelanelan’ny 25 sy 44 taona.

Tamin’ny taona 1986 ny Mifohaza! no namoaka voalohany lahatsoratra mitohitohy momba ny SIDA. Tamin’io taona io, ny Dr. H. Mahler, talen’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana tamin’izany, dia nampitandrina fa mety ho efa folo tapitrisa teo ho eo ny olona nitondra ny otrikaretina VIH. Roapolo taona latsaka atỳ aoriana, dia niakatra 42 tapitrisa eo ho eo izany maneran-tany, izany hoe nitombo avo folo heny mahery noho ny fitomboan’ny mponina! Milaza ny manam-pahaizana fa mampahatahotra koa ny hoavy. Hoy ny ONUSIDA: “Mety ho olona 68 tapitrisa no ho faty aloha be vokatry ny SIDA eo anelanelan’ny taona 2000 sy 2020, any amin’ireo tany 45 be olona voan’izy io indrindra.”

Hita avy amin’izany fa mihanaka haingana be ny SIDA, ka ilana fanafodiny maika. Tsy mitandro hasasarana àry ny mpikaroka ara-pitsaboana miady amin’ny VIH. Inona avy no fandrosoana efa vita tamin’ny ady amin’io areti-mifindra mahafaty io? Azo atao ve ny manantena fa tsy hisy intsony ny SIDA?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 VIH: fanafohezana ny anaran’ilay virosy mamono ny hery fiarovana ao amin’ny vatana. Io no mahatonga ny SIDA.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Olona 42 tapitrisa eo ho eo no mararin’ny VIH/SIDA maneran-tany. Ankizy ny 2,5 tapitrisa amin’ireo

[Sary, pejy 4]

INDE—Mpiasa an-tsitrapo ampianarina momba ny SIDA

[Sary nahazoan-dalana]

© Peter Barker/Panos Pictures

[Sary, pejy 4]

BREZILA—Mpanao asa soa mampionona vehivavy voan’ny SIDA

[Sary nahazoan-dalana]

© Sean Sprague/Panos Pictures

[Sary, pejy 4]

TAILANDY—Mpiasa an-tsitrapo mikarakara zaza efa misy VIH hatrany an-kibo

[Sary nahazoan-dalana]

© Ian Teh/Panos Pictures