Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Misy Heviny Lalina”

“Tena Misy Heviny Lalina”

“Tena Misy Heviny Lalina”

IZANY no nolazain’ny olona iray momba ny sary ao amin’ny boky aman-gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Naseho tany amin’ny fampirantiana zavakanto iraisam-pirenena, tany Kassel, any Alemaina, izy ireo. Mitantara izay nitranga i Katja, 16 taona. Nitsidika ilay fampirantiana mantsy izy sy ny mpiara-mianatra taminy, ary nijery zavakanto ara-pivavahana. Hoy izy:

“Nanontanian’ilay mpitari-dalana ireo mpianatra, raha efa mba nandinika ny gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa namaly ny rehetra hoe ‘tsia’, dia nanomboka nidera ny hakanton’ireo sary ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izy. Nolazainy fa miavaka izy ireo, satria voakaly sy voafidy tsara sady ‘tena misy heviny lalina.’ ”

“Nilaza izy fa tokony handinika akaiky an’ireny sary mahaliana ireny izahay.” Niteny koa izy fa mora ny maka lesona avy amin’ny sary sasany, satria aseho amin’izy ireo fa mitovy ny zavatra tantarain’ny Baiboly sy ny zava-miseho ankehitriny. Nampirisihiny avy eo ny mpianatra mba handray ireo gazety rehefa misy manome. Tsy tokony hijery sary fotsiny anefa izy ireo, hoy izy, fa tokony hamaky koa ireo lahatsoratra tena ahafantaran-javatra sy mahaliana.