Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! 2002-06-08

 Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tokony Hitory ve ny Kristianina?

Tokony Hitory ve ny Kristianina?

ANGAMBA ny fanabeazana azonao, na ny kolontsaina misy anao, mandidy ny tsy iresahana fivavahana any ivelan’ny fianakaviana, na ny fiangonana. Mety ho tezitra àry ianao rehefa misy olona tonga tsy nampoizina ao aminao, mitondra Baiboly. Lasa manana fihetsika toy izany koa ny sasany satria nahita herisetra teo amin’ny tantaran’ny fivavahana. Nolazaina anefa fa natao mba hahazoan’ny olona famonjena izany herisetra izany.

Miresaka ny amin’ny fiovam-pinoana tambabe ny tantaran’ny firenena maro. Tsy noho ny fitiavana an’i Kristy anefa no nampiova finoana an’ireny olona ireny, fa noho ny tahotra ny hovonoina. Naleon’ny olona maro anefa niafina, na nandao ny tranony sy ny taniny, na namoy ny ainy mihitsy aza, toy izay hanaraka ny fivavahan’ireo mpanenjika azy. Nisy tamin’izy ireny nodorana teo amin’ny tsato-kazo.

Tsy manohana ny fanerena olona hiova finoana toy izany ny soratra ara-tsindrimandry, dia ny Baiboly. Midika àry ve izany fa tsy azo atao ny miresaka momba ny zavatra inoan’ny tena amin’ny olon-kafa? Ny Baiboly mihitsy no manome ny valiny.

Nampianatra tamim-pahefana

Diniho aloha ny ohatra navelan’i Jesosy Kristy. Mpampianatra za-draharaha izy ary nisy heriny teo amin’ny fiainan’ireo mpihaino azy ny fampianarany. (Jaona 13:13, 15) Tsotra, nefa nafonja, ny fampianarany tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. “Talanjona ny [mpihaino azy] noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy.” (Matio 7:28, 29) Mbola misy heriny foana eo amin’ny fiainan’ireo mandinika izany ny fampianarany, 2 000 taona atỳ aoriana. Nanamafy io hevitra io ny Profesora Hans Betz, rehefa nilaza fa “mihoatra lavitra noho ny herin’ny Jodaisma sy ny Kristianisma ary ny kolontsaina tandrefana mihitsy ny herin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra.”

Nanome didy i Jesosy taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra. Io didy io no nanome antoka fa hitohy sy hiroborobo mihitsy ilay asa fampianarana natombony, aorian’ny fahafatesany. (Jaona 14:12) Nasainy nandeha tany amin’ny firenena rehetra ny mpianany mba ‘hampianatra azy hitandrina izay rehetra’ nandidiany azy ireo. Nohazavaina ny zava-kendrena voalohany tamin’io asa io, rehefa nilaza toy izao koa i Jesosy: ‘Koa mandehana ianareo, dia manaova mpianatra.Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8.

Diniho koa ny ohatry ny apostoly Paoly. Tsy menatra niresaka momba ny finoany vaovao izy, rehefa niova ho Kristianina. (Asan’ny Apostoly 9:17-19, 22) Fanaony ny nitory teny tao amin’ny synagoga, sy nanome porofo mba ‘hanehoana marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty Kristy.’ Hainy tsara ny ‘niady hevitra avy tamin’ny Soratra Masina tamin’ny olona tao’ mba ‘hampanaiky ny Jiosy sy ny Jentilisa.’ Misy boky milaza fa ilay teny grika nadika hoe “miady hevitra”, na mandresy  lahatra, dia midika hoe “mampiova hevitra amin’ny alalan’ny fampisaintsainana, na amin’ny alalan’ny fampieritreretana momba izay tsara sy ratsy.” Noho i Paoly nahay nandresy lahatra toy izany, dia ‘nitaona olona betsaka ka nampivily ny sain’izy ireo izy.’—Asan’ny Apostoly 15:3; 17:1-4, 17; 18:4; 19:26.

Fanerena sa fandresen-dahatra?

Ampiasaina mba hilazana fanerena olona hiova finoana ankehitriny, ilay teny hoe “fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena.” Tsy manohana izany ny Baiboly. Mampianatra kosa izy fa ny olona dia noforonina mba ho afaka hanao izay tiany hatao, ary nomena tombontsoa sy andraikitra hifidy izay fomba hitondrany ny fiainany. Tafiditra amin’izany ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fomba hivavahana amin’Andriamanitra.—Deoteronomia 30:19, 20; Josoa 24:15.

Nohajain’i Jesosy io zo nomen’Andriamanitra io, ka tsy nampiasa mihitsy ny hery sy fahefana mahatalanjona nananany izy mba hanerena olona hanaiky ny zavatra nolazainy. (Jaona 6:66-69) Nampiasa fanjohian-kevitra marim-pototra sy fanoharana ary fanontaniana hahalalana ny hevitr’ireo nihaino azy izy, mba hampirisihana azy ireo hanao zavatra. Ny hanohina ny fon’izy ireny no tanjony tamin’izany rehetra izany. (Matio 13:34; 22:41-46; Lioka 10:36) Nampianarin’i Jesosy hanaja an’io zo nomen’Andriamanitra ny olombelona io koa ny mpianany.—Matio 10:14.

Mazava fa i Jesosy no nataon’i Paoly modely teo amin’ny fanompoany. Nandresy lahatra an’ireo mpihaino azy tamin’ny fanjohian-kevitra araka ny Soratra Masina i Paoly, nefa nohajainy koa ny fihetseham-po sy ny fihevitr’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 17:22, 23, 32) Takany fa tokony ho ny fitiavana an’Andriamanitra sy Kristy no hanosika antsika harisika amin’ny fanompoana ny Mpamorona. (Jaona 3:16; 21:15-17) Isika samirery izany no manapa-kevitra.

Fanapahan-kevitsika samirery

Ny olona misaina dia tsy manao zavatra maimaika rehefa mandray fanapahan-kevitra lehibe, toy ny fividianana trano, na fifidianana toerana hiasana, na fomba fitaizana zanaka. Mety hijery izay safidy rehetra ananany izy, hieritreritra lalina azy ireny, ary angamba hangataka torohevitra mihitsy. Rehefa avy nandinika tsara an’ireny rehetra ireny izy vao hanapa-kevitra.

Mendrika ny handaniana fotoana sy hanaovana ezaka bebe kokoa noho ny fanapahan-kevitra hafa rehetra, ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fomba tokony hivavahana amin’Andriamanitra. Hisy vokany dieny izao eo amin’ny fomba itondrantsika ny fiainantsika mantsy ilay izy, ary hisy vokany koa eo amin’ny fanantenantsika fiainana mandrakizay. Nahatakatra tsara an’izany ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany tany Beria. Ny apostoly Paoly mihitsy no nanazava ny vaovao tsara tamin’izy ireo, nefa mbola nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro ihany izy ireo, mba hahazoany antoka fa marina izay nampianarina azy. “Maro tamin’ireo no nino” ho vokatr’izany.—Asan’ny Apostoly 17:11, 12.

Manohy hatrany ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, araka ny nandaminan’i Jesosy azy, ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. (Matio 24:14) Manaja ny zon’ny olona hanana ny fivavahany izy ireo. Manaraka ny modely ao amin’ny Baiboly koa izy ireo, raha ny amin’ny fitoriana ny zavatra inoany. Hevitra mazava sy marina avy ao amin’ny Soratra Masina no ampiasain’izy ireo rehefa miara-manjohy hevitra amin’ny olona, satria heveriny fa asa famonjena aina ny asa ataony.—Jaona 17:3; 1 Timoty 4:16.

Fanampim-panazavana

Ahoana no Ahafantaranao hoe Iza no Fivavahana Marina?

Iray ihany ve ny fivavahana marina? Jereo ato ireo zavatra dimy amantarana ny fivavahana marina.

Manao Asa Misionera ve Ianareo?

Iza no manao asa misionera ao aminareo, ary nahoana? Mahazo fiofanana manokana ve izay manao misionera?