“Hoatran’ny Kintana eny Amin’ny Lanitra”
“Tena hataoko lasa be dia be ny taranakao, hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina.” (Genesisy 22:17) Izany no nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama. Vao haingana anefa ilay boky hoe Fandinihana ny Baiboly (anglisy), no nilaza fa hoatran’ny misy tsy marina eo amin’io andininy io.
Mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly rehefa milaza hoe hoatran’ny fasika an’arivony tapitrisa eny amoron-dranomasina ny kintana eny amin’ny lanitra. Toa tsy fantatry ny olona taloha anefa hoe an’arivony tapitrisa ny isan’ny kintana. Hoy ihany ilay boky hoe Fandinihana ny Baiboly: “Raha ny marina dia tsy afaka mahita kintana be dia be hoatr’izany eny amin’ny lanitra isika raha tsy mampiasa fitaovana. Resahin’ny manam-pahaizana momba ny kintana sy ny planeta fa kintana 2 000 ka hatramin’ny 4 000 fotsiny no hitantsika na dia amin’ny alina tsy semban-drahona aza.” Milaza koa Ny Rakipahalalan’Izao tontolo Izao (anglisy), hoe “kintana 6 000 eo ho eo no mamirapiratra ka mety ho hitantsika raha tsy mampiasa teleskaopy isika.”
Nahoana àry no marina tsara ny fampitahan’ny Baiboly ny isan’ny kintana amin’ny isan’ny fasika? Satria “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Tsy te hanatsoaka hevitra hoatr’izany anefa ilay boky Fandinihana ny Baiboly, ka sahy nilaza mihitsy hoe angamba manam-pahaizana momba ny kintana sy planeta i Abrahama. Nametraka an’izao fanontaniana izao ilay boky avy eo: “Sao dia mba nanana teleskaopy àry ny olona taloha, ka afaka nahita kintana izay tsy hitan’ny maso amin’izao fotsiny? Nilaza ihany ilay boky fa manaporofo an’izany, hono, ny vato kristaly hita tany Ninive sy tany amin’ny tanàna hafa fahiny, ary ireny vato kristaly ireny ny lopy nampiasaina tamin’izany.
Tsy misy mihitsy anefa ny porofo hoe nampiasa an’ireny lopy ireny ny olona taloha mba hijerena ny kintana. Ary na nisy teleskaopy aza taloha, inona no porofo hoe nanana teleskaopy i Abrahama na ilay mpanoratra ny Genesisy? Raha ny marina ilay fampanantenan’Andriamanitra tamin’i Abrahama dia ohatra iray fotsiny mampiseho hoe mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly. Azo inoana fa tsy nampiasa teleskaopy koa i Jeremia mpaminany rehefa nilaza zavatra nitovy amin’izay voalaza ao amin’ny Genesisy. Nilaza izy fa ‘tsy hita isa ny zavatra eny amin’ny lanitra, sy ny fasika any an-dranomasina izay tsy voafatra.’—Jeremia 33:22.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
NASA photos

