Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Izany Foana Heverina”

“Izany Foana Heverina”

Inona ilay hoe tokony hoheverintsika foana? Milaza ny Filipianina 4:8 hoe izay zavatra marina, zava-dehibe, mahitsy, madio, mahatehotia, tsara laza, misy hatsarana, ary mendri-piderana. Tsy midika akory izany hoe zavatra momba ny Baiboly foana no tokony hoeritreretintsika. Zavatra ankasitrahan’i Jehovah anefa no tokony hosaintsainintsika, fa tsy zavatra manimba ny fifandraisantsika aminy.—Sl 19:14.

Sarotra ilay hoe miezaka ny tsy hieritreri-dratsy, noho isika tsy lavorary. Isika koa mbola mila manohitra an’i Satana, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity.” (2Ko 4:4) Ahitana ny toe-tsainy ny ankamaroan’ny zavatra ao amin’ny tele, radio, Internet, na boky. Hisy vokany ratsy amin’ny fomba fisainantsika sy ny fitondran-tenantsika izy ireny, raha tsy mifidy tsara isika.—Jk 1:14, 15.

JEREO ILAY VIDEO HOE HALAVIRO IZAY METY HAHATONGA ANAO HIVADIKA: FIALAM-BOLY RATSY, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no nojeren’ilay rahalahy tao amin’ny telefaoniny? Ary inona no vokatr’izany taminy?

  • Nahoana no nanampy azy ny Galatianina 6:7, 8 sy ny Salamo 119:37?