Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Hataonao Rehefa Tonga ny Hain-tany?

Inona no Hataonao Rehefa Tonga ny Hain-tany?

Mifandray akaiky ny finoana sy ny fatokisana an’i Jehovah. Raha tena manam-pinoana, ohatra, isika dia hatoky hoe hiaro sy hikarakara antsika izy. (Sl 23:1, 4; 78:22) Efa mihamanakaiky ny faran’ity tontolo ity, ka vao mainka hanenjika antsika i Satana. (Ap 12:12) Inona àry no hanampy antsika?

JEREO ILAY VIDEO HOE INONA NO HATAONAO REHEFA TONGA NY HAIN-TANY?, ARY VALIO IRETO:

  1. Nahoana isika no mitovy amin’ilay “hazo” resahin’ny Jeremia 17:8?

  2. Inona ny iray amin’ireo “hafanana” na fitsapana mahazo antsika?

  3. Hanao ahoana ilay “hazo” rehefa tonga ny hain-tany? Nahoana?

  4. Inona no tanjon’i Satana?

  5. Nahoana isika no mitovy amin’ny olona efa zatra mandeha raoplanina?

  6. Nahoana isika no tokony hatoky foana ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina? Ary ahoana no hahitana hoe matoky azy ireo isika?

  7. Esoin’ny olona isika satria manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Nahoana anefa isika no tokony hatoky foana hoe mahasoa ny mampihatra azy ireny?