Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 7-8

Nanome Voninahitra ny Rainy i Jesosy

Nanome Voninahitra ny Rainy i Jesosy

7:15-18, 28, 29; 8:29

Ny Rainy foana no nomen’i Jesosy voninahitra tamin’izay rehetra nolazainy sy nataony. Tian’i Jesosy ho fantatry ny olona hoe avy amin’Andriamanitra ny zavatra nampianariny. Matetika àry izy no nanonona andininy avy ao amin’ny Soratra Masina rehefa nampianatra. I Jehovah foana no nomeny voninahitra rehefa nisy nidera izy. Ny hamita ny asa nampanaovin’i Jehovah azy no zava-dehibe indrindra taminy.—Jn 17:4.

Raha te hanahaka an’i Jesosy isika, inona no tokony hataontsika rehefa...

  • mampianatra Baiboly na manao anjara any am-pivoriana?

  • misy midera?

  • mifidy izay hatao loha laharana?