Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miezaha Hanetry Tena toa An’i Kristy

Miezaha Hanetry Tena toa An’i Kristy

I Jesosy no olona niavaka indrindra hatramin’izay. Nanetry tena foana anefa izy ka i Jehovah no nomeny voninahitra. (Jn 7:16-18) Tsy hoatr’izany kosa ny anjely iray fa nanambony tena, ka lasa Devoly na “Mpanendrikendrika.” Antsoina koa izy io hoe Satana. (Jn 8:44) Nanahaka azy ny Fariseo, ka nanambany an’izay nino hoe i Jesosy no Mesia. (Jn 7:45-49) Ahoana no hampisehoantsika hoe manahaka an’i Jesosy isika rehefa mahazo andraikitra na tombontsoam-panompoana?

JEREO ILAY VIDEO HOE ‘MIFANKATIAVA’: AZA MIALONA NA MIREHAREHA, FIZARANA 1, ARY VALIO ITY FANONTANIANA ITY:

  • Ahoana no ahitana hoe nanambony tena i Alex?

JEREO ILAY VIDEO HOE ‘MIFANKATIAVA’: AZA MIALONA NA MIREHAREHA, FIZARANA 2, ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no ahitana hoe nanetry tena i Alex?

    Nahoana no nampahery an’i Bill sy Karl ilay resaka?

JEREO ILAY VIDEO HOE ‘MIFANKATIAVA’: AZA MANAMBONY TENA NA MANAO IZAY TSY MAHAMENDRIKA, FIZARANA 1, ARY VALIO ITY FANONTANIANA ITY:

  • Ahoana no ahitana hoe tsy nanetry tena ny Rahalahy Henri?

JEREO ILAY VIDEO HOE ‘MIFANKATIAVA’: AZA MANAMBONY TENA NA MANAO IZAY TSY MAHAMENDRIKA, FIZARANA 2, ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no ahitana hoe nanetry tena ny Rahalahy Henri?

    Nahoana ny Rahalahy Henri no modely tsara ho an’i Fania?