Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Tsy Nisy Navelany ho Verivery Fotsiny

Tsy Nisy Navelany ho Verivery Fotsiny

Nanao fahagagana i Jesosy, ka afaka nanome sakafo ho an’ny lehilahy 5 000, ankoatra ny zaza amam-behivavy. Hoy izy tamin’ny mpianany avy eo: “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho verivery fotsiny.” (Jn 6:12) Nahay nankasitraka i Jesosy, ka tsy nisy navelany ho verivery fotsiny izay nomen’i Jehovah azy.

Miezaka manahaka an’i Jesosy koa ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny, ka mampiasa tsara ny fanomezana avy amin’ireo rahalahy sy anabavy. Izany, ohatra, no nahatonga azy ireo nifidy tsara ny planina nampiasaina, rehefa naorina ny foibe any Warwick, New York.

INONA NO AZO ATAO MBA TSY HO VERIVERY FOTSINY NY VOLAN’NY FANDAMINANA...