Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Septambra 2017

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Fanontaniana: Tena misy ve ny anjely?

Andinin-teny: Sl 103:20

Atolory ilay izy: Resahin’ity gazety ity izay lazain’ny Baiboly momba ny anjely, sy ny fomba anampiany antsika.

AMPIANARO NY TENA MARINA

Fanontaniana: Araka ny hevitrao, diso ve ny Baiboly rehefa jerena ny siansa?

Andinin-teny: Is 40:22

Ny Tena Marina: Mifanaraka amin’ny siansa ny zavatra resahin’ny Baiboly.

FANASANA HANATRIKA FIVORIANA (inv)

Atolory ilay izy: Asainay ianao hihaino lahateny ara-baiboly, izay hatao any amin’ny toeram-pivavahanay na Efitrano Fanjakana. Tsy misy vidim-pidirana izy io. [Omeo fanasana izy, atoroy azy ny toerana sy ny ora anaovana ny fivoriana amin’ny faran’ny herinandro, ary resaho ny lohatenin’ilay lahateny.]

Fanontaniana: Efa tany amin’ny Efitrano Fanjakana ve ianao? [Raha mety, dia asehoy ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana?]

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.