Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Septambra 2017

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampiofano Izy Ireo mba Hanompo An’i Jehovah Foana

Ampiofano Izy Ireo mba Hanompo An’i Jehovah Foana

Matetika no lasa mpitory mahay ny mpitory vaovao, raha tonga dia ampiofanina mba hazoto hanompo sy hanao izany tsy tapaka. (Oh 22:6; Fi 3:16) Ahoana no azo anampiana ny mpianatra Baiboly ho lasa mpitory mahay? Misy soso-kevitra vitsivitsy ireto:

  • Tonga dia ampiofano izy raha vao lasa mpitory. (km 8/15 1) Ataovy takany fa tokony hanokana fotoana hanompoana izy isan-kerinandro. (Fi 1:10) Zavatra mampahery momba ny faritany resahina. (Fi 4:8) Ampirisiho izy hiara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory sy ny mpitory hafa mba hahazo traikefa. —Oh 1:5; km 10/12 6 § 3

  • Rehefa vita batisa ilay mpianatra, dia ampaherezo foana izy sady ampiofano tsy tapaka, indrindra raha mbola tsy nahavita ny boky “Fitiavan’Andriamanitra.”km 12/13 7

  • Fomba fitory tsotra ampiasaina rehefa miaraka amin’ny mpitory vaovao. Derao izy rehefa avy naheno ny fomba fitory nampiasainy ianao. Omeo soso-kevitra izy mba hahay kokoa.—km 5/10 7