Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Halaviro Ireto Fandrika Ireto Rehefa Mampianatra Baiboly

Halaviro Ireto Fandrika Ireto Rehefa Mampianatra Baiboly

Miteny be loatra: Aza mieritreritra hoe tsy maintsy ianao no manazava ny zava-drehetra. Nampiasa fanontaniana i Jesosy mba hanampiana ny olona hieritreritra sy hahay hanatsoaka hevitra. (Mt 17:24-27) Mahatonga ny fianarana ho velombelona ny fanontaniana, sady manampy anao hahita hoe inona no azon’ilay mpianatra ary inona no inoany. (be 253 § 3-4) Manàna faharetana rehefa mametraka fanontaniana ary andraso izy hamaly. Raha diso ny valin-teniny dia mametraha fanontaniana fanampiny, fa aza tonga dia tenenina ny valiny. (be 238 § 1-2) Mitenena miadana rehefa milaza hevitra vaovao amin’ilay mpianatra, mba ho azony tsara ilay izy.—be 230 § 4.

Manasaro-javatra: Aza resahina daholo izay fantatrao momba an’ilay foto-kevitra. (Jn 16:12) Ny hevi-dehibe ao amin’ilay fehintsoratra ifantohana. (be 226 § 4-5) Mety tsy hisongadina izany raha miresaka tsipiriany madinika ianao, na dia toa mahaliana aza ilay izy. (be 235 § 3) Mifindrà eo amin’ny fehintsoratra manaraka raha vao azon’ilay mpianatra ny hevi-dehibe.

Manazava fotsiny: Ny hanohina ny fo no tanjontsika fa tsy ny hanazava fotsiny. (Lk 24:32) Ampiasao ny andinin-teny fototra ao amin’ilay lesona, mba hisy heriny eo amin’ilay mpianatra ny Tenin’Andriamanitra. (2Ko 10:4; He 4:12; be 144 § 1-3) Mampiasà fanoharana tsotra. (be 245 § 2-4) Fantaro ny olana atrehin’ilay mpianatra sy ny zavatra inoany, ary ataovy mifanaraka amin’izany ny fanazavana sy ny fampiharana. Anontanio, ohatra, izy hoe: “Ahoana ny fahitanao an’io fanazavana io?” “Inona no ampianarin’izy io momba an’i Jehovah?” “Inona ny soa azonao raha mampihatra an’io torohevitra io ianao?”—be 238 § 3-5; 259 § 1.