Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ny Fitiavana no Ahafantarana ny Tena Kristianina: Miezaha Hiray Saina Foana

Ny Fitiavana no Ahafantarana ny Tena Kristianina: Miezaha Hiray Saina Foana

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Tian’i Jesosy hiray saina ny mpianany, ka nivavaka momba an’izany izy ny alina talohan’ny nahafatesany. (Jn 17:23) Hiray saina foana isika raha be fitiavana ka “tsy mitana lolompo.”—1Ko 13:5.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Tahafo i Jehovah, ka mifantoha amin’ny toetra tsaran’ny hafa

  • Miezaha hamela heloka tanteraka

  • Aza resahina intsony ny olana iray raha efa nilamina ilay izy.—Oh 17:9

JEREO ILAY VIDEO HOE ‘MIFANKATIAVA’: AZA MITANA LOLOMPO, ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no ahitana hoe ‘nitana lolompo’ i Eliane tamin’ilay video voalohany?

  • Inona no nanampy an’i Eliane tsy hitana lolompo, araka an’ilay video faharoa?

  • Nahoana no nahatonga ny fiangonana hiray saina ny zavatra nataon’i Eliane?

Iza no tena malahelo raha mitana lolompo isika?