Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ny Fitiavana no Ahafantarana ny Tena Kristianina: Aza Tia Tena na Mora Tezitra

Ny Fitiavana no Ahafantarana ny Tena Kristianina: Aza Tia Tena na Mora Tezitra

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Nampianatra i Jesosy hoe ny fitiavana no hahafantarana ny mpianany. (Jn 13:34, 35) Raha be fitiavana hoatran’i Kristy isika, dia hitady izay hahasoa ny hafa sady tsy ho mora tezitra.—1Ko 13:5.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Aza tonga dia mamaly rehefa misy miteny na manao zavatra mampalahelo anao. Diniho aloha hoe inona no mety ho nahatonga an’ilay izy, ary inona no mety ho vokatr’izay havalinao.—Oh 19:11

  • Tadidio hoe tsy lavorary daholo isika ka mety hilaza na hanao zavatra hanenenantsika

  • Alamino haingana ny olana eo aminao sy ny mpiara-manompo

JEREO ILAY VIDEO HOE ‘MIFANKATIAVA’: AZA TIA TENA NA MORA TEZITRA, ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no ahitana hoe mora nentim-po ny Rahalahy Thierry?

  • Nahoana ny Rahalahy Henri no nahavita nifehy ny hatezerany?

  • Nahoana ny valin-tenin’ny Rahalahy Henri no namaha an’ilay olana?

Inona ny soa horaisin’ny fiangonana raha tsy mora tezitra isika?