Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA OKTOBRA 2016

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

MIFOHAZA!

Fanontaniana: Misy olona resy lahatra hoe tena nisy i Jesosy, ny hafa indray misalasala. Misy kosa milaza fa tsy misy fomba ahafantarana raha tena nisy izy na tsia. Ahoana ny hevitrao?

Atolory ilay izy: Resahin’ity Mifohaza! ity ny porofo ahalalantsika fa tena nisy izy.

AMPIANARO NY TENA MARINA

Fanontaniana: Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Andinin-teny: Jn 11:11-14

Ny Tena Marina: Tsy misy intsony ny olona rehefa maty. Tsy tokony hatahotra ny fiainana any ankoatra àry isika. Noharin’i Jesosy tamin’ny olona matory ny maty. “Hofohaziny” toa an’i Lazarosy ireny havantsika efa maty ireny, ka ho afaka hiaina eto an-tany indray.—Jb 14:14.

FANASANA HANATRIKA FIVORIANA (inv)

Atolory ilay izy: Asainay ianao hihaino lahateny ara-baiboly, izay hatao any amin’ny toeram-pivavahanay na Efitrano Fanjakana. Tsy misy vidim-pidirana izy io. [Omeo fanasana izy, atoroy azy ny toerana sy ny ora anaovana ny fivoriana amin’ny faran’ny herinandro, ary resaho ny lohatenin’ilay lahateny.]

Fanontaniana: Efa tany amin’ny Efitrano Fanjakana ve ianao? [Raha mety dia asehoy ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana.]

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.