Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA OKTOBRA 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 22-26

“Zaro Amin’izay Lalana Tokony Halehany ny Zaza”

“Zaro Amin’izay Lalana Tokony Halehany ny Zaza”

Misy torohevitra tsara ho an’ny ray aman-dreny ao amin’ny Ohabolana. Mety ho lasa hazo mahitsy ny zana-kazo raha karakaraina. Raha ampiofanina koa ny ankizy, dia mety harisika kokoa hanompo an’i Jehovah rehefa lehibe.

22:6

  • Mitaky fotoana sy ezaka be ny fampiofanana ny ankizy

  • Tsy maintsy mampianatra tsara, mananatra, mampahery, manitsy ary manome modely ho an-janany ny ray aman-dreny

22:15

  • Ny famaizana dia fampiofanana atao amim-pitiavana mba hanitsiana ny saina sy ny fo

  • Miovaova arakaraka ny ankizy ny famaizana azy