Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA OKTOBRA 2016

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mampiasa Tsara An’ilay Karatra JW.ORG ve Ianao?

Mampiasa Tsara An’ilay Karatra JW.ORG ve Ianao?

Tena maika ny asa fitoriana satria efa akaiky ny fahoriana lehibe. (Oh 24:11, 12, 20) Azo atao ny mampiasa ny karatra jw.org mba hisarihana ny sain’ny olona ho amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny tranonkalantsika. Misy kaody eo amin’ilay karatra ahafahana mahita an’ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? Misy fanasana hianatra Baiboly sy hikaroka fanazavana fanampiny koa eo. Tsy mety mandray boky na gazety ny olona sasany, nefa vonona hijery ny tranonkalantsika. Aza misalasala manome azy karatra jw.org. Aza omena azy io kosa izay tsy liana.

Afaka miresaka an’ilay karatra amin’ny olona ianao, rehefa manao ny zavatra fanaonao andavanandro. Izao, ohatra, lazaina mba hahatonga azy ho liana: “Ity misy zavatra tiako homena anao. Mampahafantatra ny tranonkalanay ity karatra ity. Misy lahatsoratra sy video isan-karazany ao, ary azo alaina maimaim-poana ilay izy.” (Jn 4:7) Kely ireny karatra ireny, ka afaka mitondra maromaro ianao mba hozaraina amin’ny olona.