Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA OKTOBRA 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 1-6

“Matokia An’i Jehovah Amin’ny Fonao Manontolo”

“Matokia An’i Jehovah Amin’ny Fonao Manontolo”

Azontsika atokisana tanteraka i Jehovah. Matoky isika fa vitany ny manatanteraka ny fikasany satria izany no dikan’ny anarany. Tena manampy antsika hatoky azy ny vavaka. Milaza ny Ohabolana toko 3 fa hataon’i Jehovah ‘mandeha tsara ny fiainantsika’ raha matoky azy isika.

Mihevi-tena ho hendry isika raha . . .

3:5-7

  • tonga dia manapa-kevitra fa tsy mitady ny tari-dalan’i Jehovah aloha

  • miantehitra amin’izay heverintsika fa mety na izay heverin’ity tontolo ity fa mety

Matoky an’i Jehovah isika raha . . .

  • miezaka mifandray akaiky aminy, ka mianatra Baiboly sy misaintsaina ary mivavaka

  • mangataka ny tari-dalany, ka mikaroka toro lalana ao amin’ny Baiboly vao manapa-kevitra

IZA AMIN’IRETO NO ATAOKO REHEFA MANAPA-KEVITRA?

VOALOHANY: Izay hitako fa mety no ataoko

VOALOHANY: Mitady ny tari-dalan’i Jehovah aho, ka mivavaka sy mianatra samirery

FAHAROA: Mangataka amin’i Jehovah aho mba hitahy ny fanapahan-kevitro

FAHAROA: Izay hitako fa mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly no ataoko