Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Oktobra 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 12-16

Tsara Noho ny Volamena ny Fahendrena

Tsara Noho ny Volamena ny Fahendrena
FILAHARANY
Soratra
Sary

Tena sarobidy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, satria misakana ny olona tsy hanao ratsy sady miaro ny ainy. Misy vokany tsara eo amin’ny teny sy ny atao ary ny toetra izy io.

Misakana anao tsy hirehareha ny fahendrena

16:18, 19

  • Miaiky ny olona hendry hoe i Jehovah no Loharanon’ny fahendrena rehetra

  • Tena tokony hitandrina ny olona mahomby na mahazo andraikitra fanampiny, mba tsy hirehareha na hieboebo

Manampy anao hanao teny mahafinaritra ny fahendrena

16:21-24

  • Lalin-tsaina ny olona hendry ka miezaka mitady ny toetra tsaran’ny hafa ary miresaka zavatra tsara momba azy ireo

  • Mandresy lahatra sady mamy toy ny tantely ny tenin’ny hendry, fa tsy masiaka na mampiady